Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Ireo Tanin’i Amerika

Ireo Tanin’i Amerika
  • TANY 57

  • MPONINA 970 234 987

  • MPITORY 3 943 337

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 4 341 698

Nampiantrano azy mivady izy ireo

Te hipetraka any amin’ny toerana milamina ny mpivady iray, tany Las Vegas, any Nevada. Namidiny àry ny tranony fa hifindra any amin’ny Repoblika Dominikanina izy ireo. Tsy maintsy niala tao amin’ilay trano anefa izy ireo, folo andro talohan’ny hiaingan’ny fiaramanidina handehanany. Vavolombelon’i Jehovah ny mpifanila trano taminy, ary nampiantrano azy mivady. Nivory indray mandeha tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo nandritra ny nijanonany tao, ary gaga rehefa naheno an’ilay daty hoe 1914. Fantany mantsy fa daty manan-tantara izy io. Vao tonga tany amin’ny Repoblika Dominikanina izy ireo, dia nangataka ny hianatra Baiboly tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tonga voalohany tao aminy. Nanokan-tena sy natao batisa ry zareo, herintaona sy roa volana taorian’izay.

“Tena ilaiko mihitsy ity!”

Nisy Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky tao an-drenivohitr’i Panama, tamin’ny 2012. Nanangana tranoheva hampirantiana boky sy gazety tao ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy ankizivavy roa mbola mpianatra nanatona an’ilay tranoheva. Hoy ny anankiray tamin’ilay anabavy nitory teo: ‘Kivy be aho fa mamo lava ny dadanay, nefa tsy hitako izay hatao.’ Nasehon’ilay anabavy azy àry ny toko 23 amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2 hoe “Inona no Hataoko fa Mamo Lava ny Dadanay?” Hoy ilay ankizivavy: “Tena ilaiko mihitsy ity!” Nofihininy ilay anabavy, ary mbola niverina nisaotra azy indray izy adiny iray taorian’izay. Boky 1 046 sy gazety 1 116 ary bokikely 449 no voapetraka, nandritra ny dimy andro nanaovana an’ilay foara. Olona 56 koa no nanome ny adiresiny mba hotsidihina.

Nitory irery izy nandritra ny efa-taona

Avy any Costa Rica i Fredy, ary tanàna mitokana any an-tendrombohitra no misy azy. Cabecar no fitenin-drazany. Niasa tao San José renivohitra izy, efa-taona lasa izay, ary nomen’ny mpitory boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? sy bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Nasain’ilay mpitory niverina tany an-tanànany izy mba hitory amin’ny olona any. Lasa tokoa izy ary nianatra samirery tamin’ilay boky Ampianarina. Nisora-panambadiana izy, ary nanao fiovana hafa koa. Nanao araka izay azony natao izy avy eo, mba hampianarana ny fahamarinana an’ireo olona miteny cabecar.

Nandamina kilasy enina fianarana Baiboly i Fredy. Nampanaoviny fanadinana ny mpianatra, ka arakaraka ny fahaizan’izy ireo no nametrahany azy tamin’izay kilasy tokony hisy azy. Nandamina fivoriana izy ary nanao Fahatsiarovana mihitsy aza. Izy ihany no nanao ny fanasana, ary nasiany soratra hoe: “Manasa anao izahay Vavolombelon’i Jehovah hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy miaraka aminay.” Efa-taona izy no nanao an’izany ary tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy tamin’izany mba hisy Vavolombelona hanampy azy.

Nivaly ny vavak’i Fredy, vao haingana. Nisy Vavolombelona vitsivitsy tonga tany, na dia sarotra aza ny lalana. Gaga be ry zareo nahita ny zavatra nataony, ka nanoratra hoe: “Hoatran’ny Vavolombelona efa vita batisa mihitsy i Fredy!” Lasa mpitory tsy vita batisa izy, telo volana monja taorian’izay. Tsy maintsy niala tany izy rehefa hanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hanaovana batisa azy. Io no fivoriambe voalohany natrehiny, ary nentiny koa ny mpianany 19. Misy antokon’olona telo hafa koa izao ampianariny. Miteny cabecar koa izy ireo ary mbola lavitra kokoa no misy azy.

Costa Rica: Mpisava lalana maharitra izao i Fredy, ary mandeha lavitra be izy mba hampianatra Baiboly

Niaro ny finoany izy tany am-pianarana

Mpianatry ny lise any Etazonia i Anna. Tsy maintsy niaro ny finoany izy, indray andro, satria tezitra be ny mpiara-mianatra taminy noho izy tsy nino hoe telo izay iray Andriamanitra. Hoy izy: “Nitambaran-dry zareo aho. Niezaka ny ho tony anefa aho satria tsy tiako hieritreri-dratsy momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona nanatrika teo.” Nivavaka tamin’i Jehovah izy ny alin’io mba hanana fahasahiana, ary nanao fikarohana momba ny Andriamanitra telo izay iray. Nitondra Baiboly tany am-pianarana izy ny ampitso. Nitangoronan’ny mpiara-mianatra taminy izy. Ny sasany amin’izany nihomehy naneso fotsiny. Sahy namaky sy nanazava andinin-teny maromaro anefa izy. Tsy nahateny intsony ry zareo tamin’ny farany. Na ilay tena mpanohitra, sady sefo ao an-dakilasy, aza nilaza fa manaja ny Vavolombelon’i Jehovah izy izao. Lasa nanontany an’i Anna zavatra be dia be momba ny finoany ilay ankizy nandritra an’ilay taom-pianarana.

Soa ihany fa simba ilay kiraro

Teny an-dalana handeha hiangona ny vehivavy iray tany Barbade, indray alahady maraina, no simba ny kirarony. Nankao amin’ny trano teo akaiky teo izy mba hangataka vy kely hanamboarana an’ilay izy. Hay tranona Vavolombelon’i Jehovah izy io ary anabavy iray sy ny zanany vavy no tao. Nanararaotra nanazava ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ilay anabavy, tamin’ilay vehivavy nanamboatra ny kirarony. Nasain’ny zanak’ilay anabavy izy avy eo mba hiara-hivory amin-dry zareo tamin’io maraina io. Efa tara be izy raha mbola handeha hiangona ka naleony niaraka tamin’izy mianaka. Narahiny tao amin’ilay Baiboliny izay andinin-teny novakina tany. Tena nahaliana azy ilay fandaharana. Efa mankaleo azy, hono, ny feon’amponga sy tabataba any am-piangonany, ary efa ela izy no te hianatra Baiboly amin’ny toerana milamina. Nandray boky Ampianarina izy ary nanaiky hianatra Baiboly. Manatrika ny fivoriana rehetra izy izao sady mandray anjara.

“Jehovah ihany no afaka misakana ahy tsy hitory”

Hoy ny rahalahy tanora iray any Guyana: “Tiako ny mitory any am-pianarana, nefa misy ankizilahy iray izay tena tsy tia mahita ahy mitory. Natosiny teo amin’ny rindrina aho, indray andro, sady hoy izy: ‘Efa hoe tsy ilaina mitoritory atỳ!’ Nilazako izy fa i Jehovah ihany no afaka misakana ahy tsy hitory. Notapahiny àry ny kitapoko satria mbola nitory aho. Nomeny ny totohondry koa aho dia vaky ny vavako. Nantsoina tany amin’ny birao izahay roa lahy avy eo. Nanontanian’ny tale aho hoe nataoko inona, hono, ilay ankizilahy no nanome totohondry ahy. Nolazaiko taminy fa novonoiny aho satria nitory ny vaovao tsara. Nilaza ilay tale hoe naninona, hono, aho no tsy namaly. Nanazava aho fa tsy mety raha ‘mamaly ratsy ny ratsy’ ny Kristianina, araka ny Romanina 12:17. Hitan’ilay tale hoe tsy izaho no diso ka nilaza izy fa hofaiziny ilay ankizilahy.”

Catamarca, any Arzantina