Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Zavatra Sarobidy Kokoa Noho ny Diamondra

Tamba Josiah

Zavatra Sarobidy Kokoa Noho ny Diamondra
  • TERAKA 1948

  • BATISA 1972

  • TANTARANY Niasa tamin’ny toerana fitrandrahana diamondra, talohan’ny nahitany ny fahamarinana. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Sierra Leone ankehitriny.

NIASA tamin’ny orinasa anglisy mpitrandraka vato tao Tongo, any avaratr’i Kenema, aho tamin’ny 1970. Nanan-karena diamondra io toerana io. Mba nitady diamondra ho ahy aho rehefa tsy niasa, ary namidiko tany Kenema izany. Nanararaotra nampifalifaly tena koa aho tany.

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1972, ary nianatra Baiboly. Nahafeno fepetra hatao batisa aho, dimy volana taorian’izay. Tsy nanana andro fialan-tsasatra intsony anefa aho. Niangaviako hanao ny asako àry ny mpiara-miasa tamiko, mba hahafahako mamonjy an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hanaovana batisa ahy. Nanaiky izy fa karama herinandro, hono, no takalony. Tsy nampaninona ahy izany, satria zava-dehibe tamiko ny batisako. Tsy noraisiny indray anefa ilay karama nony tonga aho, satria zavatra tsara, hono, izany manompo an’Andriamanitra izany. Niala tamin’ilay asa be karama aho, enim-bolana taorian’izay, ary nanao mpisava lalana manokana. Te hanangona harena any an-danitra mantsy aho.—Mat. 6:19, 20.

Mpisava lalana manokana aho sady nanao ny asan’ny faritra tany amin’ny toerana maro, nandritra ny 18 taona. Nanambady an’i Christiana koa aho. Tena nanohana ahy izy ary tsy nivadika. Niteraka vavikely atao hoe Lynette izahay tatỳ aoriana.

Nofinofiko erỳ, fahiny, ny hahita diamondra. Izao anefa aho nahita zava-tsarobidy kokoa, dia ny harena ara-panahy

Mpisava lalana tany Bo izahay mivady, nandritra ny ady an-trano teto Sierra Leone. Be diamondra koa tany. Nahita “diamondra” ara-panahy be dia be koa anefa izahay. Nitombo 60 isan-jato mahery ny mpitory teo anivon’ny fiangonana, tao anatin’ny efa-taona. Misy fiangonana telo mandroso tsara izao any Bo.

Nasaina ho anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Sierra Leone aho, tamin’ny 2002. Mipetraka tsy lavitra ny Betela izahay mivady. Mpisava lalana manokana i Christiana, fa izaho kosa Betelita kilasimody. Manompo ao amin’ny Betela koa i Lynette, zanakay vavy, ary anisan’ny mpandika teny amin’ny teny krio.

Nofinofiko erỳ, fahiny, ny hahita diamondra. Izao anefa aho nahita zava-tsarobidy kokoa, dia ny harena ara-panahy. Nahita “diamondra” ara-panahy 18 koa aho, izany hoe olona nampiako hahita ny fahamarinana. Nitahy ahy tokoa i Jehovah.