Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Baiboly Natao Hateza

Baiboly Natao Hateza

NY Baiboly no boky tiantsika Vavolombelon’i Jehovah indrindra. Ianarantsika foana izy io ary ampiasaintsika hampianarana ny hafa momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mat. 24:14) Tsy mahagaga raha niezaka mafy ireo rahalahintsika mba hamitana Baiboly mateza sy tsara tarehy, rehefa nanamboatra Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, fanontana 2013.

Nanatona ny talen’ny orinasa iray mpanakambana boky ny rahalahy vitsivitsy mpiasan’ny fanontam-pirintin’i Wallkill, any Etazonia, mba hiresaka ny zavatra kasain’izy ireo hatao. Hoy anefa ilay tale: “Tsy hahita Baiboly hoatr’izany mihitsy ianareo. Mampalahelo fa natao ho haingon-databatra na talantalana fotsiny ny ankamaroan’ny Baiboly, fa tsy natao hateza.”

Tsy tena nateza ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sasany natao tany aloha. Te hanamboatra Baiboly mahatanty toetrandro isan-karazany àry ireo rahalahy ao amin’ny fanontam-pirintin’i Wallkill. Nanao fikarohana momba ny akora fanamboarana fonona boky, lakaoly, ary ny fomba fanakambanam-boky aloha izy ireo. Ny valim-pikarohany, avy eo, no nentiny nanamboarana Baiboly andrana, izay nasaina nandraman’ny Vavolombelona any amin’ny tany faran’izay mafana sy faran’izay mangatsiaka.

Naverina ireo Baiboly rehefa afaka enim-bolana. Nasiana fanatsarana ireo Baiboly andrana natao tatỳ aoriana, ary avy eo nalefa indray. Baiboly 1 690 mahery no nanaovana fanandramana. Tsy fanahy iniana ny zavatra nihatra tamin’ny Baiboly sasany. Voahitsaky ny fiara, ohatra, ny iray. Ny iray indray hotsaky ny orana nandritra ny alina tontolo, ary ny iray difotry ny rano tamin’ny fotoana nisy rivo-doza.

Nividianana milina fanakambanam-boky haingam-pandeha ireo fanontam-pirinty any Wallkill sy Japon, tamin’ny 2011. Mbola tsy vita ilay fanandramana tamin’izay. Baiboly mitovy endrika no tiana hatao ao amin’ireo toerana fanontam-pirinty roa ireo. Nila namokatra Baiboly ampy tsara koa anefa izy ireo mba hozaraina amin’ilay fotoana hamoahana azy voalohany.

Tsy nety nipetraka tsara ny fonony

Nitsinganga be ny fonon’ilay Baiboly tamin’ny voalohany

Nanomboka nanao pirinty an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao natonta tamin’ny 1984 ireo fanontam-pirinty roa, teo am-piandohan’ny 2012. Ilay akora vaovao fanamboarana fonona boky no nampiasaina tamin’ilay izy. Lakaoly sy karazana taratasy tsy nanaovana fanandramana anefa no nampiasaina, ka tsy nety nipetraka tsara ny fonon’ireo Baiboly fa nitsinganga. Najanona kely àry aloha ny fanamboarana Baiboly.

Nilaza ny mpanamboatra ny iray amin’ireo akora fa tsy vaovao amin’ireo orinasa fanakambanam-boky izany fonona boky mitsinganga izany. Tsy misy vahaolana, hono, izany. Tsy nieritreritra ny hanova an’ilay izy ho fonony mafy anefa ireo rahalahy, fa naleony ihany namokatra Baiboly misy fonony malefaka sady tsara endrika no mateza. Nanao fanandramana nandritra ny efa-bolana izy ireo, mba hahitana hoe inona no karazana lakaoly sy taratasy tsara miaraka. Nahita ihany izy ireo nony farany, ka afaka namokatra Baiboly misy fonony malefaka nefa tsy mitsinganga.

Fanakambanam-boky ao amin’ny fanontam-pirintin’i Wallkill

Nokasaina havoaka tamin’ny 5 Oktobra 2013 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy nohavaozina, izany hoe tamin’ny fivoriana isan-taona fanaon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Ny zoma 9 Aogositra 2013 no voarain’ireo fanontam-pirinty ilay Baiboly vaovao amin’ny endrika elektronika. Natomboka ny asa fanontam-pirinty ny ampitson’io. Ny 15 Aogositra no vita ny Baiboly voalohany. Niasa andro aman’alina ny fanontam-pirinty tany Wallkill sy Japon, nandritra ny iray volana sy telo herinandro taorian’izay, mba hamokarana sy handefasana Baiboly 1 600 000 mahery. Afaka nahazo iray avy àry ny mpanatrika rehetra tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona.

Tsara tarehy ilay Baiboly vaovao sady mateza. Mbola sarobidy kokoa anefa ny hafatra mamonjy aina raketiny. Nanoratra toy izao ny vehivavy iray avy any Etazonia, ny ampitson’ny nahazoany ny Baiboliny: “Azoko kokoa izao izay lazain’ny Baiboly, noho ilay fanontana vaovao.”