Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azerbaïdjan

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Eoropa

Eoropa
  • TANY 47

  • MPONINA 744 482 011

  • MPITORY 1 611 290

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 834 121

Tsara fanahy ilay rahalahy namaly azy

Nankeo amin’ny fampirantiana iray, any Géorgie, ny lehilahy iray dia nivazavaza hoe: “Tsy havelako hitory eto ianareo! Ortodoksa ny fivavahana eto Géor­gie.” Nanontany azy moramora ilay rahalahy raha efa namaky ny bokintsika izy. Namaly izy hoe: “Tsy tena mbola namaky aho aloha e!” Tsara fanahy ilay rahalahy niteny taminy hoe aleo aloha vakiny ny bokintsika. Lasa tony ilay lehilahy, dia naka gazety. Niverina izy rehefa afaka andro vitsivitsy, ary niala tsiny. Novakiny tamin’ny mamany, hono, ny gazetintsika. Jamba mantsy ny mamany. Tia be an’ilay izy izy mianaka, dia te haka zavatra hafa hovakina indray izy. Tonga eo amin’ny fampirantiana foana izao izy, mba haka ny gazety farany.

Nanoro azy vahaolana tsara kokoa ry zareo

Nahita ankizilahy nijoro teo anoloan’ny tranobe iray ny rahalahy roa tany Azerbaïdjan rehefa nanompo. Nitory taminy ry zareo, dia hoy izy: “Tsy afaka mihaino anareo aho fa manota aho raha mihaino anareo.” Namoaka antsy avy tany am-paosiny izy avy eo, dia nilaza hoe: “Niharan’ny tsy rariny aho, dia hampiasa an’ity aho izao mba hampiharana ny rariny.”

Taitra be ireo rahalahy, nefa niteny hoe: “Manota ange izay mamono olona e!”

Dia hoy ilay ankizilahy: “Ka inona àry no hataoko?” Novakin’izy ireo taminy ny Romanina 12:17-21. Nohazavain’izy ireo hoe Andriamanitra no hamaly ny ratsy, ary tsy tokony ‘hanaiky ho resin’ny ratsy’ isika fa hiezaka ‘handresy ny ratsy amin’ny tsara foana.’ Nilaza koa izy ireo hoe tena misy vokany tsara ny hoe malemy fanahy rehefa miresaka, fa hanenjika azy foana kosa ny eritreriny raha mandratra olona izy na mamono olona. Nampieritreritra an’ilay ankizilahy izany, dia lasa izy.

Nihaona tamin’ireo rahalahy indray izy, adiny iray teo ho eo taorian’izay. Hoy izy: “Vao avy tany amin’ilay olona saika hovonoiko aho. Tsy nikasi-tanana azy aho, ary efa milamina ilay olana. Misaotra anareo, fa raha tsy ianareo dia efa nahavanon-doza aho.” Nilaza ireo rahalahy hoe i Jehovah no tena nanampy azy.

Nahasarika anabavy tsy nitory intsony ilay fampirantiana

Tsy nivory sy tsy nitory nandritra ny taona maromaro ny anabavy iray any Norvezy. Lasa nisy fampirantiana teny amin’ny toerana fandehanany miantsena, rehefa lasa nampiasa azy ireny isika mba hitoriana eny amin’ny toerana be olona.

Mbola tsy nankeo amin’ilay fampirantiana mihitsy izy. Hitany anefa hoe mahafinaritra ilay soratra ngezabe eo amin’ilay izy sy ireo boky aseho eo. Voamariny koa hoe sariaka ireo Vavolombelona eo, sady maotina ny paoziny. Lasa te hiverina tamin’i Jehovah izy, ary te hiaraka tamin’ny mpanompony indray.

Hitany koa ilay soratra hoe jw.org, dia nojereny tao amin’ny Internet. Gaga izy hoe hay tsotra kely ny mitady ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana akaiky azy indrindra sy ny fotoana fivoriana. Naka boky vitsivitsy tao amin’ny jw.org izy, dia nandeha nivory na dia natahotahotra aza. Noraisina tsara izy tany, ary nisy anabavy nasain’ny anti-panahy nampianatra Baiboly azy. Tsy ela izy dia nahazo namana tao amin’ny fiangonana. Mivory foana izy izao sady mandray anjara, ary manompo foana koa. Faly izy fa mifandray tsara amin’i Jehovah indray.

Nitory tamin’ny mpiara-mianatra tao anaty bisy izy

Nandeha bisin’ny sekoly i Ronja, 15 taona, any Norvezy, ary tafaresaka tamin’ny ankizilahy telo mpiara-mianatra taminy. Niresaka momba ny evolisiona ry zareo. Nanambanimbany ny zavatra inoany anefa izy telo lahy, dia menatra i Ronja. Tsy tadidiny tsara intsony ny fanazavana momba ny evolisiona, dia niangavy ny mamany izy mba hanampy azy hikaroka porofo hoe nisy namorona izao rehetra izao.

Norvezy: Manazava ny zavatra inoany i Ronja

Niresaka an’ireo porofo hitany i Ronja ny ampitson’iny, rehefa tao anatin’ilay bisy. Nihomehezan’izy telo lahy fotsiny anefa izy satria hoe nino an’i Jehovah. Nisy anankiray aza niteny mafy be hoe: “Tsy misy mino an’i Jehovah ato amin’ity bisy ity! Ao hasiana tsangan-tanana. Iza no mino ny evolisiona, dia iza no mino an’i Jehovah?” Gaga be i Ronja fa nanangan-tanana ny ankizilahy iray teo akaiky teo, dia niteny hoe: “Izaho mino an’i Jehovah!” Nisy ankizy anankiroa koa niteny hoe: “Izaho koa!” Hay henon’ny ankizy hafa ilay resaka, dia resy lahatra ny sasany tamin’izy ireo.

Nahita boky izy saingy tsy nahay namaky teny

Nisy lehilahy roa avy any Syria tonga tao amin’ny Betelan’i Danemark, indray tolakandro. Miteny arabo ry zareo. Nilaza tamin’ireo anabavy tao amin’ny fandraisana olona ry zareo hoe mitady Vavolombelon’i Jehovah, dia faly be rehefa nahafantatra hoe tsy diso adiresy. Ahoana no nahitan’izy ireo an’ilay toerana? Nalainy sary tamin’ny telefaonina ny pejy voalohany amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? amin’ny teny arabo. Iny no nasehony an’ireo mpiasan’ny tranombokim-pirenena. Dia avy amin’iny no nahafahan’ireo mpiasa ireo nanome azy roa lahy ny adiresin’ny biraon’ny sampana.

Sahirana izy roa lahy niteny danoà, dia nisy rahalahy niteny arabo nasaina tonga tao amin’ny fandraisana olona. Rehefa nandeha ny resaka, dia hita hoe tena te hahafantatra misimisy kokoa momba ny Baiboly ny iray tamin’izy ireo. Nalain’ilay rahalahy àry ny adiresiny, ary nampanantena izy fa hitsidika azy tsy ho ela miaraka amin’ny rahalahy hafa miteny arabo.

Rehefa tonga tany aminy ireo rahalahy, dia nilaza izy hoe mbola tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika azy mihitsy. Hitany tao amin’ny boaty fanateran’ny paositra taratasy ho azy, hono, ilay boky amin’ny teny arabo. Tsy misy anarana hahafantarana akory anefa eo amin’ilay boaty hoe miteny arabo izy. Tsy mahay mamaky teny izy, dia ny namany no nasainy namaky an’ilay izy taminy. Voavakin-dry zareo tao anatin’ny telo andro ilay izy, ary resy lahatra izy hoe nahita ny fahamarinana.

Mpitsoa-ponenana izy, ary kivy be satria lavitra ny fianakaviany. Mampahery azy anefa ny Baiboly. Tamin’ireo rahalahy vao nitsidika azy, dia hoy izy: “Tena izany mihitsy no nilaiko. Fa naninona àry ianareo no izao vao tonga?” Mbola mianatra izy hatramin’izao, ary tena mahafinaritra azy ny zavatra ianarany.

Lasa mahalala an’Andriamanitra

Direkteran’ny orinasa iray mpanamboatra sigara i Dmitry, any Ukraine, ary be karama. Niala anefa izy rehefa azony tsara hoe mankarary ny sigara. Maty ny mamany sy ny rafozambaviny, tao anatin’ny telo volana taorian’izay, dia kivy be izy. Ortodoksa izy, ary nanantena hoe hampahery azy sy hamaly ny fanontaniany ny fiangonany. Tsy izany anefa no nitranga. Nisy namany niteny taminy hoe ny Ortodoksa “miambozona lakroa”, fa tsy mahay na inona na inona momba an’Andriamanitra akory. Izany mihitsy no tsapan’i Dmitry. Tonga saina izy hoe tsy mahalala na inona na inona momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Tena kivy izy dia nivavaka mba hisy hanampy azy. Tadidiny avy eo hoe efa naheno momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nahita ny tranonkalantsika tao amin’ny Internet koa izy, dia gaga be hoe hay ao misy fanazavana be dia be momba ny Baiboly. Notadiaviny tao hoe aiza ny Efitrano Fanjakana akaiky azy indrindra, dia nankany izy. Rehefa tonga tao amin’ny parking izy, dia nisy mpikarakara ny mpanatrika niarahaba azy sy nanontany azy raha mila fanampiana izy. Hoy i Dmitry: “Te hianatra Baiboly aho.” Efa enim-bolana izy izao no nianatra Baiboly. Mivory foana koa izy sady mandray anjara.

Mamela taratasy kely ry zareo rehefa miverina mitsidika

Mipetraka any Grande-Bretagne i Paul sy Faith. Nitory tamin’ny vehivavy iray atao hoe Susan izy ireo, ary nifanaraka taminy fa mbola hiverina. Tsy tao anefa i Susan rehefa nitsidika azy ry zareo. Nanaraka ny torohevitra tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2014 àry i Paul sy Faith, dia nanoratra tamin’ny taratasy kely hoe hiverina ny ampitso. Gaga ry zareo fa nisy taratasy kely teo am-baravaran’i Susan ny ampitson’iny. Nosoratan’i Susan tao hoe tsy maintsy niantsena izy fa hatao mariazy ny zanany vavy. Namela taratasy indray àry i Paul sy Faith nilaza hoe amin’ny herinandro ry zareo mandalo. Niandry azy ireo i Susan tamin’izay, ary natomboka ny fianarana tamin’ny boky Ampianarina.

Grande-Bretagne: Paul sy Faith mamela taratasy kely

Nilaza i Susan hoe aleo ahemotra ny fitsidihan’izy ireo manaraka, fa efa akaiky ny raharahan-janany. Rehefa tonga tany aminy anefa i Paul sy Faith taorian’izay, dia tsy nisy nanokatra ny trano. Namela taratasy indray àry ry zareo, ary nosoratany tao ny nomeraon-telefaoniny. Faly erỳ ry zareo fa nandefa SMS i Susan. Niala tsiny izy satria varian-dresaka tamin’ny mpifanila-bodirindrina tao an-jaridaina, dia tsy nahita an-dry zareo. Nianatra Baiboly foana izy taorian’izay, ary nivory izy vao haingana.

Tena tian’i Paul sy Faith ny mamela taratasy kely mba hanohizana ny resaka amin’ny olona nitoriany. Hoy i Paul: “Efa maromaro izao ny olona notsidihinay namaky ny taratasy napetrakay. Tena mety ilay izy!”

Nanohina ny fon’ilay mpitsabo mpanampy ny finoany

Niditra hopitaly ny rahalahy iray tany Hongria, tamin’ny Aogositra 2014. Tsentsina mantsy ny lalan-dra tao amin’ny havokavony. Maty izy taoriana kelin’izay. Nikarakara be an’azy ny mpitsabo mpanampy iray atao hoe Tünde. Hoy ny vadin’ilay rahalahy:

“Niaraka tamin’ny zanako lahy aho tamin’ny 2015, nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe ‘Tahafo i Jesosy.’ Rehefa nirava izahay tamin’ny andro fahatelo, dia nisy vehivavy nankeo anoloako. Teny amin’ny parking izahay tamin’izay fa efa hody. Nalatsany ny kitapony, dia nofihininy aho sady nitomany izy. Izy ilay mpitsabo mpanampy nikarakara ny vadiko tamin’izy narary mafy, herintaona teo ho eo talohan’izay. Nitantara izy hoe isaky ny niditra niasa ry zareo, dia samy nanankinana marary iray. Nivavaka foana, hono, izy hoe enga anie mba ho ny vadiko no hasaina hokarakarainy. Dia izay foana no nitranga!

“Nilaza koa i Tünde fa tena nanam-pinoana sy tsara toetra ny vadiko ary niresaka momba ny fanantenany foana. Izay, hono, no nahatonga azy hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Mbola mianatra Baiboly i Tünde izao, ary efa tsy andriny ny hitsenana ny vadiko rehefa hatsangana amin’ny maty izy. Tiany holazaina aminy, hono, fa ny toetrany sy ny finoana matanjaka nananany no nahatonga azy hahafantatra an’i Jehovah sy ny fampanantenany.”

Nitety fiara ry zareo nitory

Boligaria: Fitoriana amin’ny saoferana kamiao eny amin’ny sisin-tany

Nikatona indraindray ny toerana fisavana sasany tany amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Boligaria sy Gresy, satria nisy nitokona sady nisy barazy. Lasa nisy fiara be dia be nilahatra niandry teo, ary nahatratra kilaometatra maromaro ilay filaharana. Nanararaotra nizara boky tamin’ireo olona tao anaty fiara àry ny fiangonana iray tao Boligaria. Tamin’ny fiteny 12 ny boky nentin-dry zareo. Maro ny saoferana kamiao vizana sady leo be, nefa nazoto niresaka ihany. Nihaino tsara azy ireo ireo rahalahy ary nampahery sy nanome fanantenana azy ireo. Nisy anankiray nanontany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ianareo?” Rehefa namaly ireo rahalahy hoe “eny”, dia hoy izy: “Efa fantatro! Raha tsy Vavolombelon’i Jehovah, tsy mitory hoatr’izao.” Nananihany kely ny saoferana kamiao iray avy any Aotrisy hoe: “Dia tsisy tany handosirana anareo ireto mihitsy izany an! Miaiky anareo aho ka! Mampahery ny olona ny ataonareo sady manome fanantenana, fa tohizo.” Nisy anankiray koa niteny hoe: “Tsy nieritreritra ny hamaky ny bokinareo mihitsy aho hatramin’izay, fa hamaky aho izao.” Fa nisy anankiray indray nilatsaka ny ranomasony rehefa nisy rahalahy nitory taminy. Vavolombelon’i Jehovah mantsy, hono, izy fa efa taona maro no tsy nitory intsony. Nampirisika azy hamaky an’ilay boky nomeny azy àry ilay rahalahy, sady nampirisika azy hitady fiangonana.