Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meksika: Niara-nianatra Braille ry zareo

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Ireo Tanin’i Amerika

Ireo Tanin’i Amerika
  • TANY 57

  • MPONINA 998 254 087

  • MPITORY 4 154 608

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 4 353 152

“Hiara-hianatra isika!”

Nanapa-kevitra hamaky ny Baiboly manontolo i Ismael, any Meksika, ary nahavita an’izany indroa izy tao anatin’ny herintaona. Lasa jamba anefa izy tatỳ aoriana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Ángel niresaka taminy momba ny fampanantenan’Andriamanitra, taona vitsivitsy taorian’izay. Tena te hahafantatra bebe kokoa momba an’izany i Ismael. Hoy anefa izy: “Jamba aho dia tsy afaka mamaky Baiboly.”

Nampahery azy i Ángel hoe: “Aza matahotra fa hampianariko Braille ianao.”

“Ianao angaha mahay Braille?”, hoy i Ismael.

Dia namaly i Ángel hoe: “Tsy mahay aho ka! Fa hiara-hianatra isika!” Tsy nino i Ismael hoe hanao an’izany izy. Nikaroka fomba famakiana soratra Braille anefa i Ángel rehefa nody, dia nanamboatra soratra mivohitra tamin’ny baoritra kely. Iny no nampianarany an’i Ismael. Tsy ela dia nahay ny abidy Braille i Ismael, namonjy fivoriana, ary namaky ny bokintsika amin’ny soratra Braille. Efatra izao ny jamba ampianarin’i Ángel. Tena tian-dry zareo ny miresaka momba ny Paradisa. Tsy ho jamba intsony mantsy ry zareo amin’izany.

Saika tsy fantany izy

Anabavy 14 taona any Etazonia i Viannei. Niresaka fivavahana ny ramose mpisolo ny mpampianatra azy, tamin’ny taranja momba ny fiaraha-monina. Hoy i Vian­nei: “Nasainy nilaza anarana fivavahana izahay, dia Vavolombelon’i Jehovah no noteneniko. Nihomehy ny iray kilasy, dia nilaza hoe mandany ny fotoanan-dry zareo fotsiny isika sady tsisy hatao. Ariany koa, hono, ny bokintsika. Na ilay ramose aza nanaratsy antsika.

“Nivavaka aho mba ho sahy hitory. Dia hozy aho tamin-dry zareo hoe tsy ny handany ny fotoanany no ankanesantsika any aminy, fa i Jehovah no naniraka antsika hampita torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly. Niangavy an-dry zareo aho mba tsy hanary ny bokintsika, satria mety hanova ny fiainany izy ireny sady mety hamonjy azy. Niala tsiny ilay ramose, sady nampanantena hoe rehefa misy Vavolombelona mitory any aminy, dia hihaino izy. Hamaky ny bokintsika koa, hono, izy. Fa izaho aloha tsy nino ny teniny e!

“Hitako anefa izy efa-bolana tatỳ aoriana, dia gaga be aho hoe mianatra Baiboly izy. Nitady ahy tany am-pianarana izy enim-bolana taorian’izay, mba hisaotra an’ahy noho izaho nitory taminy. Saika tsy fantatro izy, fa notapahiny ny volony, dia tsy be volombava intsony izy. Efa mpitory izy izao.”

Ezaka manokana tany Amazonia

Niezaka nitory bebe kokoa tany Amazonia ny mpanompon’i Jehovah any Brezila, tamin’ny herintaona. Be dia be mantsy ny olona mbola tsy naheno ny vaovao tsara any amin’io faritra midadasika be io. Nanaiky ny Filan-kevi-pitantanana hoe hisy ezaka manokana hatao mandritra ny herintaona, mba hitoriana any amin’ny faritra lavitra indrindra any Amazonia.

Brezila: Fitoriana any Amazonia

Nifidy tanàna 53 eny amoron’ny Reniranon’i Amazone ny biraon’ny sampana, mba hanaovana an’ilay ezaka manokana. Rahalahy sy anabavy 6 500 mahery no namaly ny antso, tao anatin’ny efa-bolana monja.

Nisy rahalahy sy anabavy folo nijanona 11 andro tao Anamã, tanàna tsy misy mpitory. Nizara zavatra vita pirinty 12 500 mahery izy ireo, ary nanomboka fampianarana Baiboly 200 teo ho eo. Amin’ny telefaonina izao no ampianaran’izy ireo an’ireo olona ireo. Nitarika fivoriana koa ireo rahalahy, ary tena faly satria 90 ny mpanatrika tamin’ny fivoriana farany natao talohan’ny nialan’izy ireo tany. Mbola ho hita eo ihany ny tena vokatr’ilay ezaka manokana.

Nasainy nijery jw.org izy

Enin-taona izao i Jehizel sy Mariana, any Venezoelà, no niray kilasy. Naneso an’i Jehizel i Mariana matetika satria Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy mahay mankafy fiainana, hono, i Jehizel. Nahita hevitra ilay anabavy kelintsika indray mandeha, rehefa naneso azy i Mariana. Hoy izy taminy: “Mba jereo akia ny tranonkalanay jw.org a! Tadiavo ao ilay hoe ‘Hikaroka Video’, dia midira ao amin’ilay hoe ‘Tanora.’”

Nitelefaonina i Mariana ny tolakandron’iny, dia niteny hoe: “Hay ve izany no mahatonga an-dry hanao an’ireny e?”

Tsy azon’i Jehizel ny tiany hotenenina, dia hoy izy: “Io indray in-dry fa maneso an’ahy!”

Dia hoy i Mariana: “An an an. Tsy haneso an-dry intsony aho. In-dry aza no nahatonga an’ahy hahafantatra hoe hay ilay eritreretiko hoe ‘mankafy fiainana’ no maha be olana an’ahy.” Mianatra Baiboly tsy tapaka izao i Mariana, ary manatrika ny fivoriana rehetra.

Nanontany an’ilay pasitera izy

Sekretera ao amin’ny fiangonany i Gérole, any Haïti. Gaga be izy fa voavalin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniany. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy sy ny zanany vavy. Tena nanohina ny fon’izy mianaka ilay izy, dia nangataka hianatra indroa isan-kerinandro izy ireo.

Rehefa afaka telo volana, dia nandeha nanontany ny pasiterany izy hoe: “Tamin’ny taona firy i Jesosy no lasa Mpanjaka? Mankaiza ny tsara fanahy rehefa maty? Ary ny ratsy fanahy? Maty teo amin’ny tsato-kazo ve i Jesosy sa teo amin’ny lakroa?” Nilaza ilay pasitera hoe ny valin’ny fanontaniana faharoa sy fahatelo ihany no hainy. Hoy izy: “Ny Vavolombelon’i Jehovah milaza hoe 144 000 no mankany an-danitra. Fa izaho indray miteny hoe izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no mankany. Ny ratsy fanahy kosa dorana mandrakizay any amin’ny afobe.” Nasain’i Gérole noporofoiny tao amin’ny Baiboly ilay izy, nefa tsy nahita andinin-teny izy. Diso fanantenana i Gérole, dia vao mainka nazoto nianatra Baiboly. Nametra-pialana tany amin’ny fiangonany izy. Telo volana, hono, izy izay no nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa betsaka kokoa ny zavatra fantany raha oharina amin’ny zavatra nianarany tany am-piangonana nandritra ny 30 taona mahery. Natao batisa izy mianaka vao haingana, ary nanomboka fampianarana Baiboly 23 tao an-tanànany.

Haïti: Manana fampianarana Baiboly be dia be i Gérole sy ny zanany