GÉORGIE | 1998-2006
Tsy Nahomby ny Fandrahonana
Tsy natahotra ny rahalahy sy anabavintsika fa mbola nivory foana. Nandray fepetra hiarovana an’ireo mpitory ny anti-panahy. Hoy ny Rahalahy André Carbonneau avy any Kanada, izay mpisolovava an’ireo rahalahintsika: “Mazàna no nasaina niandry teo akaikin’ny toeram-pivoriana ny rahalahy iray nitondra finday. Tonga dia nampandre an’ireo anti-panahy izy, raha vao nahita olona maromaro atahorana hanafika.”
Isaky ny avy nisy nanafika ireo rahalahy, dia tonga nampahery azy ireo ny solontena roa avy any amin’ny sampana. Hoy i André: “Mahavariana fa rahalahy sy anabavy maro be falifaly sy mitsikitsiky no hitan’ireo solontenan’ny sampana tany amin’ny toeram-pivoriana.”
Mbola tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah koa, na dia ireo tsy nisy nanafika aza, anisan’izany ny mpianatra Baiboly. Nilaza toy izao tamin’i André ny vehivavy iray te ho lasa mpitory: “Hitako hoe iza no Kristianina sandoka ary iza no tena izy, rehefa nijery an’ireny
fanafihana ireny tamin’ny tele aho. Te ho anisan’ny tena Kristianina aho.”Sahy niaro an’ireo mpiray finoana
Nazoto nitory foana ny mpitory nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny. Hita hoe be herim-po sy nanana finoana matanjaka izy ireo. Nanam-pinoana koa ireo niaro ny mpiara-manompo tany amin’ny fitsarana.
Matetika ny Vavolombelona no lazain’ny haino aman-jery fa mampisara-bazana fianakaviana, tsy manaiky hotsaboina, ary mikomy amin’ny fanjakana. Nety ho ratsy laza na noroahina tamin’ny asany àry izay mpisolovava niaro azy ireo.
Hoy i John Burns, mpisolovava avy any amin’ny sampan’i Kanada, izay nanampy an’ireo rahalahy teto: “Vonona hiara-miasa taminay ireo rahalahy sy anabavy mpisolovava teo an-toerana. Tsy natahotahotra ry zareo nankany amin’ny fitsarana sy nampahafantatra ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah, na dia mety ho namoizany ny asany aza izany.” Anisan’ny “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny Fil. 1:7.
lalàna” ireny Vavolombelona be herim-po ireny.—Tsy neken’ny mponina ny fampiasana herisetra
Mbola nitohy ihany ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelona. Nanomboka nanangona sonia àry izy ireo, tamin’ny 8 Janoary 2001. Notakin’izy ireo ny hiarovana azy amin’ny mpanafika, sy ny hanasaziana an’ireo nihetraketraka tamin’ny olona tsy manan-tsiny.
Nanazava ny anton’ilay fanangonan-tsonia ny Rahalahy Burns. Hoy izy: “Tianay haseho hoe tsy nankasitraka ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny mponin’i Géorgie. Mpivavaka vitsivitsy mahery fihetsika no tena tao ambadik’ilay izy.”
Sonian’olon-dehibe 133 375 no voangona eran’i Géorgie, tapa-bolana monja taorian’izay. Ortodoksa ny ankamaroan’izy ireo. Mbola nitohy ihany anefa ny hetraketraka natao tamin’ny Vavolombelona, na dia efa natolotra an’ny Filoha Chevardnadze aza ilay taratasy. Mbola notafihin’ny mpivavaka mahery fihetsika foana izy ireo.
Tsy nitsahatra nitahy ny vahoakany anefa i Jehovah. Nanampy olona tso-po maro hiala tamin’ny fivavahan-diso izy, raha mbola variana nanakorontana ny vahoakany ny mpivavaka mahery fihetsika.
Niala tamin’ny fivavahan-diso
Ortodoksa nafana fo i Babilina Kharatishvili. Nitety tanàna sy vohitra mihitsy izy tamin’izy 30 taona mahery, mba hampianatra olona momba ny olo-masina.
Te hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra anefa i Babilina. Nanatrika seminera nalamin’ny Eglizy Ortodoksa teto Géorgie àry izy. Nasehon’ny mpitondra fivavahana iray tamin’ny mpanatrika ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nampirisihiny izy ireo mba hangataka an’ilay boky tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Hiana-javatra betsaka momba ny Baiboly ianareo ato amin’ity boky ity.”
Taitra be i Babilina. Nitsoaka an’ireo Vavolombelona foana izy hatramin’izay, nefa ny mpitondra fivavahana indray ity no mampirisika azy hamaky ny bokin’izy ireo! Hoy izy anakampo: ‘Ka inona moa no ataoko eto raha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho no tokony hianatra momba an’Andriamanitra?’ Tonga dia nitady
an’ireo Vavolombelona tao Poti izy, ary nanomboka nianatra Baiboly.Nanao fiovana be i Babilina rehefa nandroso ny fianarany. Hoy izy: “Tsy nanompo sampy intsony aho, rehefa hitako tao amin’ny Baiboly hoe tsy mety ny mampiasa sary masina. Resy lahatra aho hoe izay no tokony hataoko.” Nanapa-kevitra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’izy 80 taona latsaka kely.
Indrisy fa narary i Babilina tamin’ny 2001, ary maty nefa mbola tsy vita batisa akory. Nanana zafikely hoe Izabela izy. Natao batisa izy io tatỳ aoriana, ary mbola manompo tsara an’i Jehovah.
Te hanao masera izy
Nanapa-kevitra ny hanao masera i Eliso Dzidzishvili tamin’izy 28 taona. Tsy nisy tranon-drelijiozy anefa tao Tkibouli, tanàna niaviany, ka nanketo Tbilissi izy tamin’ny 2001. Nampianatra tapa-potoana izy, mandra-pivalin’
ny fangatahana nataony. Zanakavavin’ny anabavy iray atao hoe Nunu ny mpianany iray.Hoy i Eliso: “Niresaka matetika momba ny Baiboly izahay sy Nunu. Nafana fo erỳ aho niaro ny fivavahana ortodoksa. Tsy kivy anefa izy fa nampiseho andinin-teny samihafa. Indray andro, novakiny tamiko ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Takatro rehefa namaky an’ireo fehintsoratra sy nijery an’ireo andinin-teny izahay, fa mandika ny didin’Andriamanitra ny olona mivavaka amin’ny sary masina.”
Nankany am-piangonana i Eliso tatỳ aoriana, ary nametraka fanontaniana maromaro tamin’ny pretra iray. Hita tamin’ny valin-tenin’izy io fa tsy avy ao amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny Eglizy. (Marka 7:7, 8) Resy lahatra i Eliso hoe nahita ny fahamarinana, ka tonga dia nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa izy tsy ela taorian’izay.
Nanorina efitrano na teo aza ny mpanohitra
Nihamaro ny fiangonana nila trano mendrika hivoriana, tamin’ny 2001. Efitrano Fanjakana 70 teo ho eo no nilaina. Nisy fandaharana vaovao natao àry mba hanorenana efitrano, na teo aza ny fanoherana.—Ezra 3:3.
Tsy ela dia nohavaozina ny trano iray nivorian’ny fiangonana maromaro teto Tbilissi. Nisy tetikasa roa hafa taorian’izay: Ny iray teto Tbilissi ary ny iray tany Tchiatoura, any amin’ny faritra andrefan’i Géorgie.
Hoy i Tamazi Khutsishvili, rahalahy iray nanorina an’ilay efitrano tany Tchiatoura: “Nisy 15 izahay no niasa teo amin’ilay toerana isan’andro. Tsy ela dia nalaza tao an-tanàna hoe nanorina efitrano izahay. Nahare siosion-dresaka izahay indraindray hoe ho avy handrava an’ilay efitrano ny mpanohitra.”
Vita soa aman-tsara ihany ve ilay Efitrano Fanjakana? Hoy i Tamazi: “Notohizinay ny asa ka vita tao anatin’ny *
telo volana ilay efitrano. Fampitahorana no betsaka, fa tsy tonga akory ny mpanohitra.”Voasambotra ihany ny mpanohitra
Nisy Efitrano Fanjakana naorina tao Samtredia tamin’ny Oktobra 2003. Nandrahona indray ny mpivavaka mahery fihetsika. Noravan’izy ireo ny rindrina vao natsangana nefa mbola tsy maina akory ny rihitra simenitra teo aminy.
Niova anefa ny mpitondra an’i Géorgie tamin’ny Novambra 2003, ka mba afaka nisento kely ireo rahalahy sy anabavy. Lasa nalalaka kokoa ny fivavahana.
Nosamborina àry ireo Ortodoksa mahery fihetsika nanafika ny Vavolombelon’i Jehovah.Tondraka ny fitahiana
Nahazo fitahiana maro ny vahoakan’i Jehovah teto rehefa nitsahatra ny fanenjehana. Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2004, ohatra, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny géorgien.
Nanan-tantara koa ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana”, tamin’ny 2006. Tsindrian-daona ny rehetra naheno hoe hanao lahateny
ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Taitra be izy ireo rehefa navoaka tamin’ny teny géorgien Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo!Velom-pankasitrahana ny mpanatrika maro ka latsa-dranomaso mihitsy. Hoy ny anabavy iray: “Tsy hitako izay teny hilazana ny hafaliako, rehefa navoaka ilay Baiboly manontolo. ... Fotoan-dehibe tsy hay hadinoina ilay izy.” Olona 17 000 mahery no nanatrika an’io fotoana tena niavaka teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah teto Géorgie io.
^ feh. 29 Efitrano Fanjakana fito no voaorina teto Géorgie nanomboka tamin’ny 2001 ka hatramin’ny 2003.