Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahalahy tamin’ny fivoriana iray teto Tbilissi, 1992

GEORGIA | 1991-1997

‘Andriamanitra no Tsy Nitsahatra Nampitombo.’—1 Kor. 3:6.

‘Andriamanitra no Tsy Nitsahatra Nampitombo.’—1 Kor. 3:6.

Genadi Gudadze, mpiandraikitra ny faritra taoriana kelin’ny 1990

LASA nahaleo tena i Géorgie tamin’ny 1991, rehefa rava ny Firaisana Sovietika. Nihamafy anefa ny fiainana satria niova ny fitondrana ary nisy korontana. Efa ho iray andro naninjitra ny olona no nilahatra mofo, hoy i Genadi Gudadze, mpiandraikitra ny faritra tamin’izany.

Nanararaotra nitory tamin’izy ireny ny Vavolombelona. Hoy i Genadi: “Hoatran’ny hoe liana daholo ny olona, tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny. An-jatony ny taratasy kely azonay nisy ny adiresin’ny olona te hianatra Baiboly.”

Isaky ny tapitra ny fivoriana, dia novakin’ireo rahalahy manana andraikitra ny anarana sy adiresin’ny olona te hotsidihina. Nitsidika azy ireny tany an-tranony ny mpitory avy eo.

Mitory amin’ny olona milahatra mofo, taorian’ny 1990

Anti-panahy teto Tbilissi ny Rahalahy Levani Sabashvili. Tadidiny fa nangataka ny hotsidihina ny mpivady iray. Hoy izy: “Nalain’ireo mpitory ny adiresy rehetra saingy tsisy nanolo-tena hitsidika azy mivady. Lavitra be mantsy no nisy an-dry zareo, ary efa be fampianarana ny ankamaroanay.”

Nangataka ny hotsidihina indray io mpivady io, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nandefa fangatahana fanintelony indray izy ireo, sady nitalaholaho sao dia hivesatra trosan-dra ny Vavolombelona. (Asa. 20:26, 27) Hoy i Levani: “Taom-baovao tamin’izay. Matetika izahay no tsy mitsidika olona amin’io. Tsapanay anefa hoe tsy tokony hahemotra intsony ny fitsidihana an-dry zareo.”

Tsy iza ilay mpivady fa i Roini sy Nana Grigalashvili. Gaga be izy ireo nahita an’i Levani sy ny rahalahy iray tonga vao maraina teo am-baravarany, nefa ny andro nangatsiaka be. Tonga dia nianatra Baiboly ry zareo. Mpisava lalana maharitra izao izy ireo sy ny zanany mianadahy.

Ezaka mafy hitsidihana an’ireo liana

Nankasitraka ny fahamarinana ireo vaovao ka nahafoy ny fotoanany, ny heriny, ary ny fananany mba hitoriana ny vaovao tsara. Anisan’izany i Badri sy Marina Kopaliani, na dia nanana andraikitra ara-pianakaviana aza. Nazoto nankany amin’ireo tanàna mitokana izy ireo mba hanampy an’ireo tso-po.

Mbola zatovo i Gocha sy Levani zanak’izy ireo tamin’izany. Nentin’izy mivady nitory tany Douchéti, any avaratr’i Tbilissi, izy mirahalahy, rehefa faran’ny herinandro. Faritra tsara tarehy izy io sady be tendrombohitra. Indraindray ry zareo nandeha lalana niolakolaka nahatratra 150 kilaometatra teo ho eo, mba hankanesana any amin’ireo tanàna lavitra be.

Nasain’ny vehivavy iray ho any am-piasany izy mivady, indray andro. Hoy i Badri: “Nankao amin’ny efitra lehibe iray izahay ary efa niandry anay tao ny olona 50 teo ho eo. Tsy nampoiziko ilay izy. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa aho, dia avy eo niresaka an’ireo famantarana ny andro farany ao amin’ny Matio toko faha-24. Gaga ny olona iray ka niteny hoe: ‘Fa maninona àry ny pretranay no tsy mba miresaka an’izany?’”

Nahaliana ny olona ny Fahatsiarovana

Fotoana nahafahan’ireo tso-po nahalala ny fahamarinana koa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Nanitikitika ny sain’ny mpiara-monina, ohatra, ilay Fahatsiarovana natao tao amin-dry Ia Badridze teto Tbilissi, tamin’ny 1990.

Afaka nampiantrano olona 200 i Ia Badridze, rehefa natao tao an-tranony ny Fahatsiarovana

Tian’io anabavy io hatao ao an-tranony, tao amin’ny rihana faha-12, ny Fahatsiarovana. Nesorin’izy sy ny zanany àry ny entana rehetra tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Ahoana anefa no hahitany seza ampy ho an’ny vahiny? Fanao eto Géorgie ny manofa seza sy latabatra rehefa misy fivoriana lehibe hatao. Seza fotsiny anefa no nohofan’ny Anabavy Ia ka nanontany azy foana ny mpampanofa hoe: “Angaha ianao tsy mila latabatra? Aiza ianareo no hihinan-kanina?”

Ampy tsara ho an’ireo nasaina ny seza voangon’ny Anabavy Ia. Nahavariana fa nisy 200 ny mpanatrika! Tsy nahagaga raha liana tamin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-monina taminy.

Fankalazana niavaka

Betsaka ny efitrano lehibe nohofana tany amin’ny faritra maro, tamin’ny 1992, mba hanaovana ny Fahatsiarovana. Nilaza i Davit Samkharadze, nipetraka tany Gori, fa nanontanian’ny mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo hoe aiza no hanao Fahatsiarovana.

Saika hatao tany an-tranon’olona ilay izy, ka hoy ilay mpiandraikitra: “Angaha tsisy efitrano lehibe eto? Maninona raha izay no hofana?” Mahazaka olona 1 000 mahery ilay efitrano. Zato mahery kely fotsiny anefa ny mpitory, ka tsy hitan’izy ireo ny antony hanofana efitrano lehibe.

Hoy ilay mpiandraikitra avy eo: “Raha mahavita manasa olona folo ny mpitory tsirairay, dia ho feno ilay toerana.” Toa sarotra tanterahina ilay soso-keviny, nefa niezaka be ireo mpitory mba hanaraka an’ilay izy. Gaga be izy ireo fa nisy 1 036 ny mpanatrika! *

Nomena faritany vaovao ireo mpisava lalana be zotom-po

Mbola betsaka ny faritra tsy nitoriana teto Géorgie, tamin’ny 1992. Ahoana no hamitana azy ireny nefa mafy ny fiainana?

Hoy i Tamazi Biblaia, nipetraka tany amin’ny faritra andrefan’i Géorgie: “Rahalahy vitsivitsy izahay no niresahan’ny mpiandraikitra mpitety faritany an’izay azo atao. Tsy tena nahalala momba ny fanendrena mpisava lalana manokana izahay, nefa fantatray hoe tokony hotorina tsy misy hataka andro ny vaovao tsara.” (2 Tim. 4:2) Mpisava lalana 16 àry no nofidina sy notendrena tany amin’ny toerana samihafa.—Jereo ny sarintany.

Toerana nanendrena an’ireo mpisava lalana nandritra ny dimy volana

Nisy fivoriana naharitra adiny telo teto Tbilissi tamin’ny Mey 1992. Natao izy io mba hampaherezana an’ireo mpisava lalana voatendry hiasa amin’ireny faritany ireny mandritra ny dimy volana. Nitsidika sy nampahery azy ireo isam-bolana ny anti-panahy, ary nanampy an’ireo sahirana.

Voatendry hanompo tany Ozourguéti ny Anabavy Manea Aduashvili sy Nazy Zhvania. Hoy i Manea, izay 60 taona tamin’izany: “Fantatray hoe nisy vehivavy liana nipetraka tany akaikin’i Ozourguéti. Nitsidika azy àry izahay raha vao tonga tany. Efa niandry anay tao an-tranony izy sy ireo olona nasainy niisa 30 teo ho eo. Nanomboka fampianarana Baiboly maromaro izahay tamin’io andro io.”

Nihamaro foana ny olona liana nandritra an’ireo volana nanaraka. Nisy 12 no nahafeno fepetra hatao batisa, dimy volana monja taorian’ny nahatongavan’izy ireo.

Tsy very maina ny ezaka nataony

Voatendry tany Tsageri ny mpisava lalana roa lahy atao hoe Pavle Abdushelishvili sy Paata Morbedadze. Nanjaka tany ny fomban-drazana, izay nifangaro tamin’ny fampianaran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.

Faritra manodidina an’i Tsageri

Efa akaiky ny ririnina, rehefa ho tapitra ny dimy volana niasan’izy ireo tany. Voantso handika teny tany an-toeran-kafa i Paata, ka nila nanapa-kevitra i Pavle na hijanona na tsia. Hoy izy: “Fantatro hoe tsy ho mora ny hiatrika ny ririnina tao Tsageri. Mbola nila nampiana anefa ireo mpianatra Baiboly, ka naleoko nijanona.”

Hoy ihany izy: “Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana iray teo an-toerana aho. Nitory foana aho nandritra ny andro. Ny hariva kosa aho niara-nitanina afo tamin’izy ireo tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Nankany ambony rihana aho rehefa hatory. Nanao satroka ba aho dia nisitrika tao anaty bodofotsy matevina.”

Afaka nitsidika an’i Pavle ny anti-panahy rehefa tapitra ilay ririnina namirifiry. Nisy 11 no nahafeno fepetra hitory tamin’izay, ary tsy ela izy ireo dia vita batisa.

^ feh. 20 Nisy 1869 ny mpitory teto Géorgie tamin’ny 1992, ary 10 332 no nanatrika ny Fahatsiarovana.