Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

GÉORGIE

Satriny Foana Hamaky An’ilay Izy!

Marina Kopaliani

Satriny Foana Hamaky An’ilay Izy!
  • TERAKA 1957

  • BATISA 1990

  • TANTARANY Nazoto nitory i Marina sy Badri vadiny sady nitaiza ny zanany roa lahy. Lasa anisan’ny Komitin’ny Tany i Badri, ary tsy nivadika mandra-pahafatiny tamin’ny 2010.

TAMIN’NY 1989 izahay mivady no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelona. Nampianatra an’ilay lehilahy teo akaikinay mantsy ny Ranadahy Givi Barnadze. Tsy nanana Baiboly izy, satria tsy mora hita izy ireny tamin’izany.

Tianay ny zavatra henonay, ary te hahazo Baiboly koa izahay. Rehefa nihaona tamin’ny zokiny lahy i Badri, dia nilaza taminy fa nitady Baiboly izy. Tsy nampoiziny mihitsy ny valin-tenin’ny zokiny. Vao nividy Baiboly amin’ny teny géorgien, hono, izy, dia tiany homena an’i Badri ilay izy.

Vao tonga tao an-trano i Badri dia naka toerana, ary namaky an’ilay Baiboly mandra-pahalin’ny andro. Vao nifoha izy ny ampitso dia efa teo indray. Mbola hitako namaky Baiboly foana izy, rehefa nody avy niasa aho. Satriny foana hamaky an’ilay izy! Nampirisihiko haka andro vitsivitsy tsy hiasana àry izy mba hamitany an’ilay Baiboly manontolo. Vitany tokoa ilay izy, tsy ela taorian’izay.

Nanomboka nianatra tamin’ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izahay, tatỳ aoriana, ka faly erỳ fa efa nanana Baiboly. Nety be ilay izy, satria izahay tsy nanana boky Fahamarinana, moa Ranadahy Barnadze tsy nanana Baiboly. Natao batisa izahay mivady, rehefa afaka herintaona teo ho eo.