Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

GÉORGIE

Tena Te Hiova Aho

Davit Samkharadze

Tena Te Hiova Aho
  • TERAKA 1967

  • BATISA 1989

  • TANTARANY Efa mpiandraikitra mpitety faritany. Mpampianatra amin’ny sekoly ara-baiboly nanomboka tamin’ny 2013.

VOANTSO hanao miaramila tao amin’ny tafika sovietika aho tamin’ny 1985, tamin’izaho 18 taona. Kivy ratsy aho nahita ny tsy rariny sy ny famoretana nataon’ny miaramila, ka hoy aho anakampo: ‘Tsy te hitovy amin-dry zalahy ireto aho!’ Tsapako anefa hoe tsy afa-nanoatra aho indraindray. Tena te hiova aho.

Nody aho rehefa avy nanao raharaha miaramila. Avy namonjy fety aho, indray alina izay, dia nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy ahy hiova. Nivily tao amin’ny nenitoako aho ny ampitson’iny, tamin’izaho handeha hiasa. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nisy mpiara-manompo nivory tao aminy tamin’izay. Noraisin’izy ireo tsara aho, ka nanapa-kevitra ny hanatrika an’ilay fivoriana.

Nanaiky hianatra Baiboly aho, ary natao batisa enim-bolana tatỳ aoriana. Vitako ihany ny niova noho ny fanampian’i Jehovah.