Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Svanétie Avaratra

GÉORGIE

Indray Mitopy Maso An’i Géorgie

Indray Mitopy Maso An’i Géorgie

Tena mahafaly ny mioty voaloboka

Ilay tany Be tendrombohitra mijoalajoala any, ary rakotra lanezy ny tampony. Misy aza mahatratra 4 500 metatra mahery. Mizara ho faritra atsinanana sy andrefana i Géorgie. Samy manana ny toetany, fombafomba, mozika, dihy, ary sakafo mampiavaka azy ny toerana maro any amin’ireo faritra roa ireo.

Mponina Misy 3,7 tapitrisa izy ireo, ary vahiny ny ampahadiminy latsaka kely.

Fivavahana Kristianina ortodoksa ny ankamaroan’ny mponina any. Silamo kosa ny 10 isan-jato eo ho eo.

Fiteny Tsy misy ifandraisany amin’ny fitenin’ireo firenena manodidina ny fiteny any Géorgie. Hafa mihitsy ny abidy fampiasa any, ary efa nisy talohan’i Kristy izy io, araka ny tantara.

Fivelomana Maro no mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Lasa nampidi-bola be koa tato ho ato ny fizahan-tany.

Toetany Antonony ny toetany any amin’ny faritra atsinanana. Mafana sy manorana kosa any andrefana, izany hoe manamorona ny Ranomasina Mainty. Be voasary maniry koa any.

Mioty voaloboka any amin’ny faritr’i Kakhétie

Sakafo Misy mofo foana isaky ny misakafo. Andrahoina amin’ny lafaoro tanimanga ny mofo fanaon’ny mponina any. Mahazatra ny olona any koa ny laoka ketsaketsa misy zava-manitra mampahatsiro sakafo. Efa ela izy ireo no nanao divay, ary aotrika ao anaty sinibe tanimanga izany matetika. Manana tanimboaloboka ny fianakaviana maro, ka izy ireo ihany no manao ny divainy. Miisa 500 eo ho eo ny karazana voaloboka zanatany, any Géorgie.

Manao mofo