Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Nahazo fahitana miavaka i Ezekiela mpaminany, tamin’ny taona 600 Talohan’i Kristy tany ho any. Nahita kalesy goavam-be tany an-danitra izy, ary ilay Mpanjakan’izao rehetra izao no nitondra azy io. Mahavariana fa mandeha haingana be hoatran’ny tselatra ilay kalesy, sady tsy mila mandeha mora na mivily rehefa miova lalana.—Ezek. 1:4, 9, 12, 14, 16-27.

Mampahatsiahy antsika io fahitana io hoe mandroso foana ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ary ny ampahany eto an-tany? Ataon’i Jehovah mandroso be koa izy io, raha jerena ny zava-bita tamin’iny taom-panompoana lasa iny.

Mandroso foana ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah

Somokotra nifindra nankatỳ amin’ny foibe vaovao eto Warwick, New York, ny fianakavian’ny Betela tany Brooklyn. Ny sasany nifindra tany amin’ny trano hafa an’ny sampan’i Etazonia na lasa nankeny amin’ny saha. Maro koa ny Betelita eran-tany no manorina tranon’ny sampana, manavao azy ireny, mifindra toerana, na miova sampan’asa. Ary ianao? Azo antoka hoe be atao ianao na dia tsy nifindra aza.

Tena manohina ny fonay sady mampahery anay ny mahita hoe miasa mafy noho ny hatramin’izay ny vahoakan’i Jehovah eran-tany, sady miara-mandroso amin’ny fandaminana. Maro no manitatra faritany. Ny hafa indray manandrana endri-panompoana vaovao, ohatra hoe mitory amin’ny olona miteny vahiny. Betsaka koa no mampiasa fomba fitory vaovao na dia tsy nahazatra azy ireo aza ilay izy. Ny sasany indray mampitombo ny fanompoany amin’ny fomba hafa. Kristianina maro koa no manohy foana an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana, anisan’izany ny zokiolona sy ny osa. Mandroso foana izy ireo ka miharihary hoe mpandainga i Satana.—1 Kor. 9:24.

Matokia fa hitan’i Jehovah ny toe-tsaina asehonao. (Heb. 6:10) Mampahatsiahy anay ny toe-tsain’i Abrahama sy Saraha izany. Nifindra niala tao Ora, tanàna kaldeanina, i Abrahama tamin’izy 75 taona, ary nentiny niaraka taminy ny fianakaviany. Nandeha lavitra be nankany Kanana izy ireo. Nipetraka tao anaty lay mandra-pahafatiny i Abrahama, izany hoe nandritra ny 100 taona. Tena vonona hankatò izy sy ny vadiny!—Gen. 11:31; Asa. 7:2, 3.

Vonona hankatò koa ve ianao? Maro no tsy mivadika amin’izao fotoan-tsarotra izao, ka mankatò ny tenin’i Jesosy hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.”—Mat. 28:19.

Nampiasa an’ilay teny hoe “mandehana” i Jesosy. Midika izany fa tsy maintsy manao zavatra isika. Tena mahafaly ny mahita fa be dia be ny asa vitan’ireo mpianatr’i Kristy be zotom-po tamin’ny taon-dasa! Hita mihitsy hoe mahery ny tanan’i Jehovah, ary mitahy ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ny firenena rehetra izy.—Mar. 13:10.

Maro no mandray tsara an’io hafatra io. Nahatratra 8 340 847 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny herintaona, ary nisy 10 115 264 ny salanisan’ny fampianarana Baiboly isam-bolana. Mandroso tokoa ny kalesin’i Jehovah ary toy izany koa ianao! Tohizo foana ny asa tsara ataonao, fa efa kely sisa ny fotoana ahafahan’ny olona ho voavonjy.

Mety tsara àry raha ity ny andinin-teny ho an’ny taona 2017: “Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara.” (Sal. 37:3) Matoky an’i Jehovah ianao rehefa manao ny tsara, ka manao fanompoana masina ho azy. Tadidio foana anefa hoe tsy irery ianao. Hoy mantsy i Jesosy: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Mat. 28:20.

ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2017:

“Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara”

Matokia fa mbola hitahy ny fanompoanao i Jehovah raha tsy mivadika ianao. Ny tena zava-dehibe aminy dia hoe ny tsara indrindra no omenao azy ary antony tsara no anaovanao izany, na kely na be no vitanao. Mampifaly azy izany ary ankasitrahany. (2 Kor. 9:6, 7) Miezaha foana àry hanatona an’ilay Raintsika be fitiavana ka mivavaha foana, mazotoa mianatra Baiboly sy mivory, ary manaova fanompoana tsy tapaka.

Kely sisa ny fotoana ananan’ny Devoly ka manao izay ho afany izy mba hitaomana antsika hivadika amin’i Jehovah. (Apok. 12:12) Miezaha àry hifandray akaiky amin’i Jehovah foana, dia tsy hahomby ny Devoly. (Sal. 16:8) Tena tianay ianareo ary ankasitrahanay ny ezaka ataonareo hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana amin’izao andro farany izao.

Ireo rahalahinareo,

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah