Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

“Ianareo no Mpiray Tanàna Mahafinaritra Indrindra”

“Ianareo no Mpiray Tanàna Mahafinaritra Indrindra”

NISY zavatra niavaka tao amin’ny foibe tao amin’ny 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York, tamin’ny 7 sy 8 Mey 2016. Tsy mivoha asabotsy sy alahady ny efitra fandraisana olona sy ny fampirantiana ao amin’ny Betela, amin’ny ankapobeny. Nasaina hitsidika ny fampirantiana Baiboly ao anefa ny mponina manodidina ny Betela tamin’ireo andro ireo.

Fitoriana tsara ho an’ny mponina manodidina teo ilay ezaka manokana hanasana azy ireo, ary tena faly izay mpitory nandray anjara tamin’ilay izy. Betsaka no nilaza zavatra tsara momba antsika ary tena mampahery izany.

Hoy ny lehilahy iray: “Efa nifindrafindra trano [teo akaikin’ny Betela] aho, nanomboka tamin’ny 1960 tany ho any, fa ianareo no mpiray tanàna tiako indrindra. Halahelo anareo izao izahay! Tianay raha tsy mifindra ianareo.”

Hoy ny ramatoa iray: “Tsy ho nandroso be hoatr’izao ny teto amintsika teto raha tsy teo ianareo. Tena faly izahay hoe niaraka taminay teto foana ianareo hatramin’izay fotoana ela be izay.”

Faly ny mpisava lalana maro nizara fanasana tao amin’ilay faritany satria sariaka sy nandray tsara ny olona. Nilaza, ohatra, ny rangahy iray ao amin’ny fikambanan’ny mpiray tanàna fa tena tiany ny fandaminantsika. Nalahelo koa izy nilaza hoe tsy ho eo izy mandritra ny fotoana hisokafan’ilay fampirantiana.

Nampahery be ny vokatr’ilay ezaka manokana. Nisy 48 ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah tonga nitsidika an’ilay fampirantiana Baiboly, nandritra an’ireo roa andro. Nisy Betelita maromaro teo amin’ny efitra fandraisana olona, ary niarahaba tonga soa sy nifampiresaka tamin’izay olona tonga nitsidika izy ireo.

Nijanona antsasak’adiny teo ho eo teo amin’ilay fampirantiana i Sally, vehivavy 30 taona latsaka. Sendra tao amin’ny efitra fandraisana olona ireo mpisava lalana nanome azy fanasana, tamin’izy tonga tao. Nilaza i Sally fa tsy nampoiziny mihitsy hoe hatao fampirantiana ao ny Baiboly. Nolazain’ireo mpisava lalana koa hoe mahafinaritra ny mahita tanora nahita fianarana nefa tia Baiboly. Namaly i Sally hoe: “Zava-dehibe ange ny Baiboly e! Io ihany no fomba ahafantarantsika ny tenin’Andriamanitra. Rakitry ny ela ilay izy nefa tena natao ho antsika.”

Notantarain’i Sally hoe tena tiany ny Baiboly, dia nianatra teny latinina sy grika izy. Mahaliana azy koa ny fandikan-teny. Tena tokony ho marina tsara ny fandikan-teny, hoy izy, fa sao dia lasa manaraka an’izay tian’ny olona sasany fotsiny. Gaga be izy rehefa notenenin’ireo mpisava lalana hoe misy zavatra ara-baiboly amin’ny fiteny 800 mahery ao amin’ny tranonkalantsika jw.org. Nohazavain’ireo mpisava lalana koa izay nataon’ny mpandika Baiboly sasany tamin’ny anaran’i Jehovah. Nalahelo be izy sady nanontany hoe: “Fa maninona no nesorina tao amin’ny Baiboly ny anaran’i Jehovah?” Rehefa handeha izy dia niteny hoe: “Teto foana aho no nipetraka, dia ianareo no mpiray tanàna mahafinaritra indrindra.”

Nitory teo amin’ny toerana be olona eo akaikin’ny Betela ny Betelita iray atao hoe John, ny alatsinainy taorian’ilay fampirantiana. Nanatona azy ny mpitondra fivavahana iray ary niteny taminy hoe tena tiany ny nitsidika an’ilay fampirantiana, ary tiany koa ny mahita antsika manaraka tsara an’izay lazain’ny Baiboly. Rehefa niresaka elaela teo anefa izy ireo dia niteny tampoka izy hoe: “Tsy tiako ianareo Vavolombelon’i Jehovah ka!” Gaga be i John ary nanontany azy hoe fa maninona. Hoy izy: “Ka ianareo handeha ko! MIJANÒNA ETO! Mividiana trano lehibe kokoa na aoreno izay tianareo haorina, fa mijanòna eto. Ianareo ange no mampilamina an’ity tanàna ity e! Tena tsy tiako hifindra any avaratra any ianareo.”

Fitoriana tsara ho an’ny olona ilay ezaka manokana nizarana fanasana sy ilay fampirantiana Baiboly. Nisongadina be tamin’ireo mpiray tanàna ireo koa ny anaran’Andriamanitra, ary mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy.