Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampirisika ny Fikomiana Amin’Andriamanitra Ireo Demonia

Mampirisika ny Fikomiana Amin’Andriamanitra Ireo Demonia

Ny fomba amam-panao sasany dia mifototra amin’ny lainga hoe afaka mahita antsika ireo maty

Nahoana anefa i Satana sy ireo demoniany no miezaka mafy erỳ ny hamitaka ny olona? Satria tiany hiaraka aminy amin’ny fikomiany isika. Tiany hanompo azy isika. Tiany ny hinoantsika ireo laingany sy hanaovantsika ireo zavatra tsy tian’i Jehovah. Mahafaoka fomba amam-panao mifandray amin’ny maty ny maro be amin’izany zavatra izany.

Zava-manjo mampijaly ara-pihetseham-po ny fahafatesan’ny olon-tiana iray, ary ara-dalàna sady mety ny hanehoana ny alahelon’ny tena. Taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy sakaizany, i Jesosy dia “latsa-dranomaso”. — Jaona 11:35, MN.

Misy fomba amam-panao maro be izay misy ifandraisana amin’ny fahafatesana, ary samy hafa dia samy hafa izy ireo arakaraka ny tany. Tsy mifanipaka amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny maro amin’izy ireny. Misy fanao sasany anefa izay mifototra amin’ny hevitra hoe velona sady afaka mahita ny velona ireo maty. Ny fiaretan-tory, ny fanehoana alahelo tsy voafehy ary ny fomba fandevenana voakaly tsara amin’ny antsipiriany dia samy manana ny fotony amin’ny fahatahorana ny tsy hahazo ny fankasitrahan’ny fanahy (esprits) an’ireo maty. Noho ireo maty tsy “mahalala na inona na inona” anefa, ireo izay manohana ny zavatra toy izany dia manohana ny laingan’i Satana. — Mpitoriteny 9:5.

Ny fomba amam-panao hafa dia mifototra amin’ny lainga hoe mila ny fanampiantsika ireo maty

Ny fomba amam-panao na fombafombam-pivavahana hafa dia mipoitra avy amin’ny finoana hoe mila ny fanampian’ny velona ireo maty ka hanisy ratsy azy raha tsy omena fahafahampo. Any amin’ny tany sasany, dia misy fankalazana sy fanaterana fanatitra atao mandritra ny 40 andro na herintaona aorian’ny nahafatesan’ny olona iray. Izany dia heverina fa hanampy ilay nody mandry ‘hiampita’ ho any amin’ny faritra ara-panahy. Ny fanao mahazatra hafa iray dia ny fanolorana hanina sy fisotro an’ilay maty.

Tsy mety izany zavatra izany satria manohana ireo laingan’i Satana momba ireo maty. Hankasitrahan’i Jehovah ve ny hananantsika fifandraisana amin’ny fomba amam-panao mifototra amin’ny fampianaran’ireo demonia? Na oviana na oviana! — 2 Korintiana 6:14-18.

Ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina dia tsy mandray anjara amin’ny fanao izay manohana ireo laingan’i Satana. Ny ataony kosa dia ny mifantoka amim-pitiavana amin’ny fanampiana ny velona sy ny fanomezana fampiononana azy ireo. Fantany fa raha vao nody mandry ny olona iray, dia i Jehovah ihany no afaka manampy azy. — Joba 14:14, 15.

Melohin’Andriamanitra ny spiritisma

Misy olona mifandray amin’ireo demonia mivantana na amin’ny alalan’ny olombelona iray mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty. Spiritisma no anaran’izany. Ny “vaudou” (karazana majika miharo fombafombam-pivavahana), ny fanaovana ody ratsy, ny majika, ny fanandroana ary ny fanontaniana ny maty dia samy karazana spiritisma avokoa.

Manohitra ireo zavatra ratsy ireo Andriamanitra. Mitaky fifikirana aminy irery ihany izy. — Eksodosy 20:5, MN

Melohin’ny Baiboly amin’izao teny izao izany zavatra izany: “Tsy tokony ho hita eo aminao izay (...) manao fankatovana, na ny mpanao majika na izay miantehitra amin’ny fambara na mpanao ody ratsy, na ny mamosavy ny hafa na izay manadina ireo mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty na ny mpilaza mialoha ny zavatra ho avy na izay manontany ny maty. Fa izay rehetra manao izany zavatra izany dia zavatra maharikoriko eo anatrehan’i Jehovah.” — Deoteronomia 18:10-12, MN.

Nahoana i Jehovah no mampitandrina antsika mafy toy izany amin’ireo fanao ireo?

Mampitandrina antsika amin’ny karazana spiritisma rehetra i Jehovah mba hahasoa antsika ihany. Tia ny vahoakany sady miahy ny vahoakany izy, ary fantany fa ireo izay mifandray amin’ny demonia dia tsy maintsy hijaly.

Olona iray toy izany i Nilda, vehivavy iray any Brezila izay nihambo ho nifandray tamin’ny maty. Nataon’ireo demonia ho fiainam-pahoriana ny fiainany. Hoy ny tantarainy: “Nofehezin’ireo demonia (...) aho, ka nampanaoviny izay rehetra tiany. Nifandimby safotra sy nahatsiaro tena aho, ary nampidirina tao amin’ny trano fitsaboana aretin-tsaina. Nanenjika ahy mafy aoka izany ireo demonia hany ka nanjary narary ara-pihetseham-po aho. Naka fanafody mampitony aho ary nanomboka nisotro toaka sy nifoka tsy an-kijanona. Naharitra aman-taonany izany.”

Matetika dia ratsy fiafara ireo izay manao spiritisma. Mety hamoy ny tranony, ny fahafahany ary na dia ny ainy mihitsy aza izy ireo

Tamin’ny farany, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny Vavolombelony eto an-tany, dia afaka tanteraka tamin’ny fitaoman’ireo demonia i Nilda ary manana fiainana feno sy salama. Hoy izy hoe: “Mampirisika ny rehetra aho mba tsy hifandray amin’ireo fanahy (esprits) [ratsy] na oviana na oviana, na dia fotoana kely fotsiny aza.”