Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoavy Mahatalanjona

Hoavy Mahatalanjona

Tsy ho ela i Satana sy ireo demoniany dia tsy havela hanao na inona na inona intsony

Tsy hamitaka ny taranak’olombelona ela intsony i Satana sy ireo demoniany. Efa nandroaka azy ireo avy tany an-danitra i Jehovah. (Apokalypsy 12:9). Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hanao zavatra hamelezana an’i Satana sy ireo demoniany indray Andriamanitra. Tao amin’ny fahitana iray azony tamin’Andriamanitra ny apostoly Jaona dia nilaza hoe: “Ary hitako, fa indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandrapahatapitry ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:1-3). Any aoriana, dia horinganina mandrakizay ny Devoly sy ireo demoniany. — Apokalypsy 20:10.

Hofoanana koa ny olona ratsy eto an-tany. — Salamo 37:9, 10; Lioka 13:5.

Ho velona indray ireo maty!

Hiverina ho amin’ny fiainana eto an-tany indray ireo maty

Aorian’ny famonoana an’i Satana sy ireo demonia, dia hitondra fitahiana maro be ho an’ny taranak’olombelona i Jehovah. Tadidinao angamba fa ireo maty dia tsy misy aina, tsy misy. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny torimaso — torimaso lalina tsy misy nofy — ny fahafatesana. (Jaona 11:11-14). Nanao izany izy satria fantany fa ho avy ny andro hifohazan’ireo matory ao amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana indray. Hoy izy hoe: “Avy ny ora izay (...) hivoahan’izay rehetra any amin’ny fasam-pahatsiarovana.” — Jaona 5:28, 29, MN; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 24:15.

Haverina ho amin’ny fiainana eto an-tany indray izy ireo. Tsy fanambarana ny amin’ny nahafatesan’ny olona no ho re, fa tatitra feno hafaliana kosa momba ireo izay naverina ho amin’ny fiainana indray! Ho fifaliana toy inona moa ny fandraisana ireo olon-tiana hiverina avy any am-pasana!