Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy avy Niaina sy Maty Teto An-tany Akory Ireo Fanahy (Esprits)

Tsy avy Niaina sy Maty Teto An-tany Akory Ireo Fanahy (Esprits)

Misy ny fanahy (esprits)! Any amin’ny faritra ara-panahy tsy hita maso, dia misy fanahy (esprits) ratsy sy fanahy (esprits) tsara. Moa ve izy ireo olona avy niaina sy maty teto an-tany?

Tsia. Rehefa maty ny olona iray, dia tsy mifindra mankany amin’ny tontolo ara-panahy, araka ny heverin’ny olona maro, izy akory. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria izany no lazain’ny Baiboly. Ny Baiboly dia bokim-pahamarinana avy amin’ilay hany Andriamanitra marina, izay hoe Jehovah no anarany. Namorona ny olombelona i Jehovah; fantany tsara izay manjo azy ireo rehefa maty izy ireo. — Salamo 83:18; 2 Timoty 3:16.

Avy tamin’ny vovoka i Adama, ary niverina ho amin’ny vovoka

Milaza ny Baiboly fa nanao an’i Adama, ilay lehilahy voalohany, “avy tamin’ny vovoka avy amin’ny tany” Andriamanitra. (Genesisy 2:7, MN ). Nametraka azy tao amin’ny Paradisa, tao amin’ny Saha Edena, izy. Raha nankatò ny lalàn’i Jehovah i Adama, dia tsy ho maty; mbola ho velona teto an-tany izy amin’izao andro izao. Kanefa, rehefa ninia nandika ny lalàn’Andriamanitra i Adama, dia hoy Andriamanitra taminy: “[Hiverina] any amin’ny tany ianao, fa avy tamin’ny tany no nanalana anao. Fa vovoka ianao ary ho amin’ny vovoka no hiverenanao.” — Genesisy 3:19, MN.

Inona no dikan’izany? Mieritrereta ange: Taiza moa i Adama talohan’ny namoronan’i Jehovah azy avy tamin’ny vovoka? Tsy taiza tsy taiza izy. Tsy fanahy (esprit) mbola tsy teraka tany an-danitra izy akory. Tsy nisy izy. Koa, rehefa nilaza àry i Jehovah fa ‘hiverina any amin’ny tany’ i Adama, ny tiany holazaina dia hoe ho faty i Adama. Tsy nandeha niampita ho any amin’ny faritra ara-panahy izy. Rehefa maty i Adama, dia nanjary tsy nisy aina indray izy, nanjary tsy nisy indray. Ny fahafatesana dia ny tsy fisian’ny aina.

Ahoana anefa ny amin’ireo olon-kafa maty? Tsy misy koa ve izy ireo? Mamaly toy izao ny Baiboly:

  • “Izy rehetra [ny olombelona sy ny biby] samy mankany amin’ny fitoerana iray. Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary samy miverina ho amin’ny vovoka.” — Mpitoriteny 3:20, MN.

  • “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona.” — Mpitoriteny 9:5.

  • “Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela.” — Mpitoriteny 9:6.

  • “Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny Sheola [ny fasana] alehanao.” — Mpitoriteny 9:10, fanamarihana ambany pejy sy MN.

  • “Miverina ho amin’ny taniny [ny olona]; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:4.

Ireo velona ihany no afaka manao ireo zavatra ireo

Hitanao ho sarotra ekena ve ireo andinin-teny ireo? Raha izany no izy, dia eritrereto izao manaraka izao: Ao amin’ny fianakaviana maro, dia ny lehilahy no mikarama mba hiveloman’ny ankohonany. Rehefa maty izy, mazàna dia mijaly noho ny fahasahiranana ny fianakaviany. Indraindray dia tsy manam-bola hividianana sakafo akory ny vady aman-janany. Mety hanararaotra amin’ny fomba ratsy ny toe-javatra misy azy ireo ny fahavalon’ilay lehilahy. Manontania àry tena hoe: ‘Raha velona any amin’ny tontolo ara-panahy izany lehilahy izany, nahoana izy no tsy manohy mikarakara ny fianakaviany? Nahoana izy no tsy miaro ny fianakaviany amin’ny olon-dratsy?’ Satria marina ny lazain’ireo andinin-teny ireo. Tsy misy aina ao amin’izany lehilahy izany, ka tsy afaka manao na inona na inona izy. — Salamo 115:17.

Tsy afaka manampy ny noana na miaro ireo niharan-doza noho ny fanararaotan’ny hafa ireo maty

Milaza ve izany fa tsy ho velona intsony mihitsy ireo maty? Tsia. Hiresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty isika aoriana. Fa tena milaza kosa izany fa tsy mahalala izay ataonao ireo olona maty. Tsy afaka mahita anao izy ireo, na mahare anao, na miresaka aminao. Tsy mila ny matahotra azy ireo ianao. Tsy afaka manampy anao izy ireo, nefa tsy afaka manisy ratsy anao koa. — Mpitoriteny 9:4; Isaia 26:14, MN.