Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Paradisa eto An-tany

Ilay Paradisa eto An-tany

Horavan’i Jehovah tanteraka ny ratsy rehetra nataon’i Satana teto an-tany. Nataon’i Jehovah ho ny Mpanjaka eo amin’ny tany manontolo i Jesosy. Eo ambany fanapahany, dia ho tonga paradisa ny tany. — Daniela 7:13, 14; Lioka 23:43, MN.

Mampanantena ireto zavatra manaraka ireto i Jehovah:

  • SAKAFO TONDRAKA: “Hanome ny vokany tokoa ny tany; hitahy antsika Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika.” “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” — Salamo 67:6, MN; 72:16.

  • TSY HISY ADY INTSONY: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy.” — Salamo 46:8, 9.

  • TSY HISY OLONA RATSY: “Fa ny mpanao ratsy hofongorana (...) Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenana hianao, fa tsy ho hita izy.” — Salamo 37:9, 10.

  • TSY HISY ARETINA, NA ALAHELO, NA FAHAFATESANA: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” — Isaia 35:5, 6.

    “Ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy mitovy amin’i Satana sy ireo demonia i Jehovah fa tsy mandainga na oviana na oviana. Ny zavatra rehetra ampanantenainy dia tsy maintsy tanteraka. (Lioka 1:36, 37). Tia anao i Jehovah ary tiany hiaina ao amin’ilay Paradisa hamboariny ianao. Koa tadiavo àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianaranao misimisy kokoa momba ireo fahamarinana mahatalanjona hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Raha mampihatra ny fahamarinana eo amin’ny fiainanao ianao, dia ho afaka amin’ny fanandevozana amin’ny lainga, ny finoanoam-poana ary ny tsy fahalalana. Amin’ny farany ianao dia ho afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana mihitsy aza. Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:32.