Teny Fampidirana
“Nihabe tao amin’ny tanàna kely iray tany amin’ny faritany avaratra aho”, hoy ny tantarain’i Dauda avy any Sierra Leone. “Indray mandeha, fony aho mbola zazalahy kely, dia nisy ady momba ny tany iray teo amin’ny fianakaviako sy ny fianakaviana hafa iray. Samy nihambo ho tompon’ilay tany ny andaniny roa. Mba handaminana ilay raharaha, dia nantsoina ny mpanao fanafody iray. Nomeny fitaratra iray ny lehilahy hafa iray, avy eo dia nosaronany lamba fotsy. Tsy ela ilay lehilahy tao ambanin’ilay lamba dia nanomboka nangovitra sy tsemboka. Teo am-pijerena ilay fitaratra izy dia nihiaka hoe: ‘Mahita lehilahy antitra iray manatona aho! Manao fitafiana fotsy izy. Lava sady antitra izy, fotsy volo ary somary mamokoka rehefa mandeha.’
“I Dadabe izany nolazalazainy izany! Avy eo izy dia nanjary taitaitra be toy ny adala ka nikiakiaka hoe: ‘Raha tsy mino izay lazaiko ianareo, dia avia hijery!’ Mazava ho azy fa tsy nisy na dia iray taminay aza sahy nanao izany! Nampitony azy tamin’ny alalan’ny fifangaroan-javatra nisy ravinkazo sy rano, notahiriziny tao anaty sinibe, ilay mpanao fanafody.
“Niteny tamin’ny alalan’ilay lehilahy teo amin’ny fitaratra i ‘Dadabe’ ary nilaza fa ny fianakavianay no tompon’ilay tany. Nilaza tamin’ny renibeko izy fa tokony hiasa ilay tany tsy misy ahiahy izy. Nanaiky ilay fitsarana ilay fianakaviana iray. Voalamina ilay raharaha.”
Fahita matetika ny zava-mihatra toy izany atsy Afrika Andrefana. Ao, toy ny any amin’ny faritra hafa amin’ny tany, dia olona an-tapitrisany tsy tambo isaina no mino fa ireo maty dia mifindra mankany amin’ny tontolo ara-panahy, izay ahafahany mandinika sy manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona eto an-tany. Marina ve izany finoana izany? Tena velona tokoa ve ny maty? Raha tsy izany, iza ireo izay mihambo ho fanahy (esprits) an’ireo maty? Zava-dehibe dia lehibe tokoa ny fahafantarana ny valiny marina amin’ireo fanontaniana ireo. Raharaha iankinan’ny aina izany.