Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy andrinao ve izay hanatanterahan’ilay Fanjakana ny fampanantenany?

FIZARANA 7

Ny Zavatra Hataon’ilay Fanjakana—Hovany ho Paradisa ity Tany Ity

Ny Zavatra Hataon’ilay Fanjakana—Hovany ho Paradisa ity Tany Ity

VOKATRA ny paoma ka mioty paoma ianao, ary nahazo be dia be. Mbola mahatazana paoma iray masaka be ianao, dia maka an’ilay izy. Mankafy kely ny fofony aloha ianao, vao mametraka an’ilay izy ao anaty harona. Efa elaela ihany ianao no nivezivezy teny, nefa tsy reraka mihitsy. Tazanao eo akaikikaiky eo ny mamanao. Falifaly erỳ izy mioty paoma sady miresadresaka amin’ny havanareo sy ny namanareo. Tsy mampino hoe lasa tanora indray izy, hoatran’ilay nahitanao azy tamin’ianao mbola kely. Mbola tadidinao mantsy hoe nihantitra izy, dia narary, dia lasa nahia kely. Nahita azy nanary aina tsikelikely koa ianao. Nitazona ny tanany ianao tamin’izay sady nitomany. Nitomany be koa ianao tamin’izy nalevina. Tantara anefa sisa izany, satria velona indray izy izao sady salama tsara. Ary tsy izy ihany fa olon-kafa be dia be koa.

Izany no ampanantenain’i Jehovah antsika, ary tena matoky isika fa hisy izany satria tanteraka foana izay lazainy. Ho hitantsika ato ny zavatra nolazainy fa hitranga alohan’ny Hara-magedona. Ho hitantsika koa hoe inona no hitranga aorian’izay. Hitondra eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hanova azy ity ho Paradisa. Ho faly be isika amin’izay!

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 21

Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana

Inona no tokony hataonao dieny izao, raha te ho tafavoaka velona ianao amin’ny Hara-magedona?

TOKO 22

Inona no Efa Ataon’ilay Fanjakana sy Mbola Hataony?

Nahoana isika no afaka matoky fa hanatanteraka an’izay rehetra nolazainy i Jehovah?