Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 22

Inona no Efa Ataon’ilay Fanjakana sy Mbola Hataony?

Inona no Efa Ataon’ilay Fanjakana sy Mbola Hataony?

INONA NO HORESAHINA ATO?

Inona avy ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra, ka hotanterahin’ilay Fanjakana?

1, 2. a) Nahoana no sarotra be amintsika indraindray ny mino hoe tena hisy ny Paradisa? b) Inona no hanampy antsika hatoky fa tena hisy ny Paradisa?

 VIZANA sady sorena ny rahalahy iray. Sarotiny be mantsy ny mpampiasa azy, ka nila vaniny taminy. Miady saina be koa izy satria betsaka ny olana ao an-tranony. Ny vadiny etsy andaniny marary. Mbola tonga nivory ihany anefa izy, na teo aza izany rehetra izany. Vao mandeha ny hira fanokafana, dia maivamaivana izy ka misento kely. Faly izy fa tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana ihany. Momba ny Paradisa ilay hira, ary mampirisika azy hisaintsaina hoe hanao ahoana ny fiainany rehefa ao. Tsy kivy intsony àry izy. Tiany be io hira io, ka faly erỳ izy miara-mihira amin’ny vady aman-janany.

2 Falifaly hoatr’izany koa isika rehefa mieritreritra ny Paradisa. Mbola “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” anefa izao, ka mitady tsy hino isika indraindray hoe tena hisy izany. (2 Tim. 3:1) Inona àry no hanampy antsika hatoky fa kely sisa dia hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tena hisy io Paradisa io? Hojerentsika ny zavatra sasany nampanantenain’i Jehovah ny vahoakany fahiny, ka tena tanteraka taloha sady mbola tanteraka hatramin’izao. Hojerentsika avy eo hoe mbola ho tanteraka izy ireny amin’ny hoavy.

Efa nanatanteraka an’izay nolazainy i Jehovah taloha

3. Inona ny zavatra nampanantenain’i Jehovah ny Jiosy tany Babylona?

3 Eritrereto izay nanjo ny Jiosy babo tany Babylona, tamin’ny taonjato fahenina T.K. Maro no mbola zazakely tamin’izy lasa babo tany, ary nisy aza teraka tany mihitsy. Mafy ny fiainan-dry zareo. Tsy vitan’izay fa naneso azy ireo ny Babylonianina, noho izy ireo nanompo an’i Jehovah. (Sal. 137:1-3) Nisy zavatra nampanantenain’i Jehovah azy ireo anefa, ary notadidin’izy ireo foana izany. Nilaza i Jehovah hoe mbola hiverina any amin’ny taniny izy ireo, ary ho sambatra indray. Niteny mihitsy aza izy fa ho lasa paradisa toa an’ilay zaridaina tany Edena ilay tany. (Vakio ny Isaia 51:3.) Te hanome toky ny vahoakany mantsy izy hoe tsy tokony hiady saina be ry zareo. Hojerentsika ny zavatra sasany nolazain’i Jehovah.

4. Inona no nataon’i Jehovah mba hampilamina ny sain’ny Jiosy?

4 Tsy hisy hampahatahotra azy ireo. Marina aloha fa tsy Paradisa ilay tany hodian’ny Jiosy. Tsy nisy nipetraka mantsy tany nandritra ny 70 taona. Mbola tsy nahita an’ilay izy koa ny ankamaroan’izy ireo. Nisy bibidia koa tany, ohatra hoe liona sy leopara ary alikadia. Mety ho niady saina àry ny raim-pianakaviana hoe: ‘Dia ahoana no hiarovako ny vady aman-janako? Dia ahoana koa ny biby fiompinay?’ Rariny raha nieritreritra an’izany izy ireo. Nampanantena zavatra tena tsara àry i Jehovah, ary azo antoka fa nampahery azy ireo ilay izy. (Vakio ny Isaia 11:6-9.) Nilaza izy fa hihinana mololo ny liona, izany hoe tsy hihinana ny biby fiompin’izy ireo. Tsy hatahotra bibidia intsony koa ny olona. Nilaza mihitsy aza i Jehovah fa tsy hisy hampahatahotra, na dia any an-tany efitra sy any an’ala aza.—Ezek. 34:25.

5. Inona avy ny faminaniana nilaza fa hanana ny ampy ny Jiosy?

5 Hanana ny ampy izy ireo. Mety ho niady saina koa ny Jiosy hoe: ‘Ahoana no hamelomako ny vady aman-janako rehefa any?’ Efa fantatr’i Jehovah izany, ka nampanantena izy fa hisy orana foana ary hahavokatra be ilay tany. (Isaia 30:23) Mety ho nieritreritra koa anefa ry zareo hoe: ‘Dia ahoana ny trano hipetrahana? Dia ahoana koa ny asa? Sao dia mbola hiasa an-terivozona hoatran’ny atỳ Babylona ihany izahay?’ Nampanantena azy ireo koa àry i Jehovah fa hanana trano sy asa tsara izy ireo. Hoy izy: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.” (Isaia 65:21, 22) Ho sambatra àry izy ireo, fa tsy hijaly hoatran’ny tany Babylona. Mbola nisy olana lehibe lavitra nampiady saina azy ireo anefa, ary io olana io no tena nahatonga azy ireo ho lasa babo.

6. Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’izy ireo mbola tsy lasa babo? Ary inona no nampanantenain’i Jehovah azy ireo?

6 Hampianarin’i Jehovah izy ireo. Nivadika tamin’i Jehovah foana ny vahoakany, tamin’izy ireo mbola tsy lasa babo, ka nampitoviny tamin’ny olona marary. Hoy izy: “Marary ny loha manontolo, ary reraka ny fo manontolo.” (Isaia 1:5) Toy ny hoe jamba sy marenina koa ry zareo, satria tsy niraharaha ny torohevitr’i Jehovah sy ny zavatra nampianariny. (Isaia 6:10; Jer. 5:21; Ezek. 12:2) Mety ho lasa saina àry izy ireo hoe: ‘Dia ahoana raha misy manao an’izany indray rehefa tonga any an-tanindrazana? Tsy ho tezitra aminay indray ve i Jehovah?’ Efa nosazin’i Jehovah anefa izy ireo ka efa nibebaka. Nampanantena àry i Jehovah hoe: “Amin’izany andro izany dia handre ny teny ao amin’ny boky ny marenina, ary hahita ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito ny mason’ny jamba.” (Isaia 29:18) Toy ny hoe hanasitrana azy ireo i Jehovah, satria hanoro hevitra sy hampianatra azy, ka tsy ho ringana izy ireo. Mila mankatò azy foana anefa izy ireo.

7. a) Tanteraka tokoa ve ny zavatra nolazain’i Jehovah? Manomeza ohatra. b) Nahoana no mampahery antsika izany?

7 Tsy i Isaia irery no nasain’i Jehovah nilaza an’ireo faminaniana ireo, fa nisy mpaminany hafa koa, anisan’izany i Jeremia sy Ezekiela. Notanterahin’i Jehovah ve izay nasainy nolazain’izy ireo? Eny, raha jerena ny tantaran’ny vahoakany. Tsy natahotra sy nanana ny ampy tokoa izy ireo rehefa tonga tany amin’ny taniny, sady nampianarin’i Jehovah indray. Narovan’i Jehovah, ohatra, izy ireo ka tsy naharesy azy ny firenena hafa, na dia be dia be sy natanjaka aza. Tsy ripaky ny bibidia koa ny biby fiompiny. Marina fa mbola nisy tsy tanteraka ny zavatra nolazain’i Jehovah tamin’izany. Efa tena faly anefa ny Jiosy nahita hoe tanteraka ny sasany, sady tena araka izay nilainy mihitsy ny zavatra nataon’i Jehovah. Raha misaintsaina an’izany isika, dia vao mainka hatoky fa hisy ny Paradisa. Zavatra vitsivitsy monja aza mantsy no tanteraka dia efa tena nampahery, ka mainka fa raha izy rehetra? Hojerentsika izao hoe inona no ataon’i Jehovah ho antsika ankehitriny.

Mbola tanteraka indray ny tenin’i Jehovah

8. Inona ilay “tany” misy ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny?

8 Tsy firenena iray hoatran’ny Israelita intsony izao ny vahoakan’i Jehovah, sady tsy any amin’ny tany iray monja no misy azy. Toy ny hoe firenena iray anefa ny voahosotra, ary “Israelin’Andriamanitra” no iantsoana azy. (Gal. 6:16) Toy ny hoe ao amin’ny “tany” iray koa izy ireo sy ny “ondry hafa.” Paradisa ara-panahy no iantsoana azy io. Mipetraka ao izy ireo, izany hoe miara-manompo an’i Jehovah sady miray saina. Mankatò azy koa izy ireo isan’andro. (Jaona 10:16; Isaia 66:8) Tanteraka indray àry ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 51:3 hoe ho toy ilay tany Edena ny fiainan’ny vahoakany.

9, 10. a) Inona ny porofo fa tanteraka ny Isaia 11:6-9? b) Inona ny porofo fa tia fihavanana ny vahoakan’Andriamanitra?

9 Tsy misy mampahatahotra antsika. Hitantsika ao amin’ny Isaia 11:6-9 fa tsy hiady na hifampihinana intsony ny biby samy biby, ary tsy hifamono intsony ny olona sy ny biby. Tanteraka ve izany izao? Eny. Resahin’ny andininy faha-9 fa “tsy handratra na hanimba” intsony ny biby, “satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Mahavita manova ny biby ve anefa ny “fahalalana an’i Jehovah”? Tsia. Olona àry no tiana holazaina eo. Misy olona ratsy toetra be hoatran’ny biby, nefa niova rehefa nahalala an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Nianarany, ohatra, hoe tia fihavanana i Jehovah, ka lasa te hanahaka azy izy. Tena mahita an’izany isika ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Miezaka ny tsy hasiaka na ho ratsy toetra ny vahoakan’ilay Fanjakana, ka lasa mihavana tsara sy miray saina.

10 Hitantsika tato amin’ity boky ity, ohatra, fa tsy manaiky hanao miaramila ny Kristianina, satria nianarany tao amin’ny Soratra Masina hoe tsy mety izany. Nampijalina àry izy ireo ary norahonana ho faty mihitsy aza. Tena mahavariana hoe misy olona tsy tia ady mihitsy eto amin’ity tontolo tia herisetra ity, sady tsy vitsivitsy fa be dia be! Porofo izany fa tanteraka ny Isaia 11:6-9. Tena tia fihavanana ny vahoakan’ilay Fanjakana. Efa nilaza rahateo i Jesosy fa hifankatia ny mpianany, ary izany no hahafantarana azy ireo. (Jaona 13:34, 35) Mbola asainy manampy antsika ho tia fihavanana sy ho tsara fanahy koa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” hatramin’izao.—Mat. 24:45-47.

11, 12. a) Manao ahoana ny olona eto amin’ity tontolo ity? b) Inona no omen’i Jehovah antsika?

11 Manana ny ampy isika. Mosarena ara-panahy ity tontolo ity. Hoy ny Amosa 8:11: “ ‘Ho avy ny andro handefasako mosary eo amin’ilay tany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘kanefa tsy ho mosary noho ny tsy fisian-kanina, na hetaheta noho ny tsy fisian-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.’ ” Ny vahoakan’ilay Fanjakana kosa tsy mosarena toy izany. Efa nilaza i Jehovah hoe: “Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho noana. Ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa hangetaheta. Ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra.” (Isaia 65:13) Tsy hitanao hoe tanteraka ve ireo izao?

12 Be dia be ny zavatra omen’i Jehovah mba hampianarana antsika. Eo, ohatra, ny boky sy gazety, zavatra noraisim-peo, video, ary ny zava-drehetra ao amin’ny tranonkala jw.org. Eo koa ny fivoriana sy fivoriambe. Toy ny renirano tondraka ireo rehetra ireo, sady misy foana. (Ezek. 47:1-12; Joela 3:18) Ampy sakafo tsara àry isika, fa tsy toy ny olona eto amin’ity tontolo ity. Azo inoana fa faly ianao satria tanteraka ny tenin’i Jehovah, sady ianao mihitsy no mahita izany eo amin’ny fiainanao andavanandro. Miezaka foana misakafo eo amin’ny latabatr’i Jehovah àry ve ianao?

Efa ao amin’ny paradisa ara-panahy isika izao

13. Inona ny porofo fa tanteraka ankehitriny ny Isaia 29:18?

13 Ampianarin’i Jehovah isika. Toy ny hoe jamba sy marenina ny olona ankehitriny. (2 Kor. 4:4) Manasitrana olona be dia be anefa i Kristy, ka lasa mahiratra sy mandre indray izy ireo. Ianao ve efa nahita olona toy izany? Mety hiteny ianao hoe mbola tsy nahita mihitsy. Tena misy anefa izany. Toy ny hoe mahita sy mandre indray ny olona rehefa avy mianatra izay tena ampianarin’ny Baiboly, ka tsy mino intsony ny lainga ampianarin’ny fivavahan-diso. Tanteraka aminy ilay Isaia 29:18 hoe: “Amin’izany andro izany dia handre ny teny ao amin’ny boky ny marenina, ary hahita ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito ny mason’ny jamba.” Olona ana hetsiny isan-taona no sitrana toy izany eran-tany. Niala tao amin’i Babylona Lehibe izy ireo, ka lasa miaraka amintsika ao amin’ny paradisa ara-panahy. Tena tanteraka tokoa ny tenin’i Jehovah.

14. Inona no hanampy antsika hatoky fa mbola hanatanteraka an’izay nolazainy i Jehovah?

14 Efa ao amin’ny paradisa ara-panahy àry isika amin’izao andro farany izao, ary i Kristy no nitarika antsika ho ao. Nahita porofo manamarina izany isika tao amin’ny toko tsirairay tamin’ity boky ity. Saintsaino foana àry hoe inona avy no efa azontsika ao amin’io paradisa io. Vao mainka isika amin’izay hatoky fa mbola hanatanteraka ny teniny i Jehovah.

“Ho tonga anie ny fanjakanao!”

15. Nahoana isika no matoky fa tsy maintsy ho lasa paradisa ny tany?

15 Efa hatrany am-boalohany ny tany manontolo no tian’i Jehovah hatao paradisa. Nataony tao amin’ny paradisa kely iray àry i Adama sy Eva. Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Manàna taranaka, ary mamenoa ny tany.’ Nasainy nikarakara ny zavaboary rehetra tao amin’ilay paradisa koa izy ireo. (Gen. 1:28) Mampalahelo fa niara-nikomy tamin’i Satana izy mivady, ka lasa tsy lavorary daholo ny taranany ary maty. Mbola tian’i Jehovah hatao paradisa anefa ny tany. Tanterahiny foana mantsy izay nampanantenainy. (Vakio ny Isaia 55:10, 11.) Tsy maintsy ho lasa paradisa àry ny tany. Ho feno taranak’i Adama sy Eva izy io, ary izy ireo no hikarakara ny zavaboary rehetra ao. Ho tanteraka daholo amin’izay ny faminaniana nolazain’i Jehovah tamin’ny Jiosy fahiny. Inona avy izany?

16. Hisy zavatra hampahatahotra antsika ve any amin’ny Paradisa? Hazavao.

16 Tsy hisy hampahatahotra antsika. Ela ny ela ka ho tanteraka ara-bakiteny ny Isaia 11:6-9. Tsy hatahotra isika na aiza na aiza halehantsika, na lehilahy isika na vehivavy na ankizy. Tsy hisy olona na biby haninona antsika intsony. Eritrereto ange e! Azonao aleha daholo na aiza na aiza. Azonao ilomanosana, ohatra, na renirano, na farihy, na ranomasina. Afaka mandehandeha any an-tendrombohitra koa ianao, ary afaka mikarenjy any anaty kirihitra rehetra any, nefa tsy hisy haninona anao. Tsy hatahotra ianao, na amin’ny alina aza. Ho tanteraka koa ny Ezekiela 34:25, ka tsy hanana ahiahy ianao na dia hipetraka “any an-tany efitra” sy “hatory any an’ala” aza.

17. Nahoana isika no matoky fa hanana ny ampy rehefa hitondra ny tany ilay Fanjakana?

17 Hanana ny ampy isika. Tsy hisy intsony ny mahantra, ny tsy ampy sakafo sy maty mosary, ary ny fikambanana manampy ny mahantra. Tsy ho ory sakafo mihitsy isika. Izao aza mantsy isika efa omen’i Kristy sakafo ara-panahy be dia be. Efa nasehony tamin’izy teto an-tany koa hoe vitany ny manome sakafo ny vahoakany. Nisy fotoana, ohatra, izy nanao fahagagana, ka mofo sy trondro vitsivitsy monja dia efa nataony nahavoky olona an’arivony. (Mat. 14:17, 18; 15:34-36; Mar. 8:19, 20) Ho tanteraka ara-bakiteny àry ity faminaniana ity, rehefa hitondra ny tany ilay Fanjakana: “Hanome ranonorana ho an’ny voa afafinao amin’ny tany Izy, ary sakafo matavy sy mahavoky no ho vokatry ny tany. Hiraoka ahitra eny amin’ny kijana malalaka tsara ny biby fiompinao, amin’izany andro izany.”—Isaia 30:23.

18, 19. a) Inona no tsapanao rehefa mamaky ny Isaia 65:20-22? b) Inona no dikan’ilay hoe “ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo” ny androm-piainantsika?

18 Sarotra amin’ny olona maro ny mino hoe hanana trano tsara tarehy sy misy izay ilaina rehetra izy indray andro any, sady hanana asa tsara. Miasa mafy mandritra ny ora maro mantsy izy ireo, nefa mikarama varimasaka, fa ny mpanankarena sy ny olona tia vola indray no mahazo tombony amin’ilay izy. Eritrereto anefa hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa tanteraka eran-tany ny Isaia 65:20-22 hoe: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko, ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”

19 Inona no dikan’ilay hoe “ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo” ny androm-piainantsika? Asa raha efa nitsangana teo am-pototry ny hazo be iray mijoalajoala ianao. Lasa saina angamba ianao tamin’izay hoe: ‘Ity hazo ity izao mety ho efa ela be mihitsy no teto! Angamba aza mbola tsy nisy akory ny dadan’i Dadabe dia efa teto ity.’ Nieritreritra mihitsy aza angamba ianao hoe: ‘Raha mbola tsy lavorary hoatr’izao foana moa izany aho, dia izaho indray no ho faty alohan’ity hazo ity, fa izy mbola ho eto foana sady mety tsy ho tapaka mihitsy.’ Soa ihany fa tsara fanahy i Jehovah ka manome toky antsika hoe ho ela velona sy hiadana koa isika, ao amin’ny Paradisa. (Sal. 37:11, 29) Hiaina mandrakizay isika, ka ny hazo indray amin’izay no ho toy ny hoe mandalo dia miserana.

20. Inona ny fitahiana ho azon’ny vahoakan’ilay Fanjakana?

20 Tsy harary intsony isika. Tsy maintsy marary sy maty isika satria mpanota daholo. Ny vidim-panavotan’i Kristy ihany no mahasitrana antsika. (Rom. 3:23; 6:23) Ho sitrana isika amin’ny Fanjakana Arivo Taona, noho io vidim-panavotana io. Hanala tsikelikely ny ota ao anatintsika mantsy amin’izay i Kristy sy ireo olona hiara-manjaka aminy. Ho tanteraka ny Isaia 33:24 hoe: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ Ho voavela heloka ny olona monina ao amin’ilay tany.” Tsy hisy intsony koa ny jamba sy ny marenina ary ny kilemaina. (Vakio ny Isaia 35:5, 6.) Tsy hisy aretina tsy ho sitran’i Jesosy, na aretin-tsaina na aretim-po na aretina hafa. Ho salama tsara daholo ny vahoakan’ilay Fanjakana.

21. Hatao ahoana ny fahafatesana, ary nahoana no mampahery anao izany?

21 Ary hatao ahoana ny fahafatesana? Mbola tsy nisy olona tsy lavorary naharesy azy io mihitsy. Izy io no fahavalontsika farany. Mety ho faty daholo isika, na ho ela na ho haingana. (1 Kor. 15:26) I Jehovah kosa anefa maharesy azy io. Hoy ny Isaia 25:8: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.” Tsy hisy intsony àry ny fasana, tsy hisy handevina intsony, ary tsy hisy hitomany intsony satria hoe mana-manjo. Zavatra hafa mihitsy no hampitomany antsika amin’izay. Ho faly be mantsy isika, satria hatsangan’i Jehovah ny maty, araka ny nampanantenainy. (Vakio ny Isaia 26:19.) Ho hadinontsika hatreo ny fahoriantsika.

22. Inona no mbola hataon’i Kristy, rehefa tapitra ny 1 000 taona?

22 Ho vitan’ilay Fanjakana ny zava-drehetra noresahintsika tato, rehefa tapitra ny 1 000 taona. Haverin’i Kristy amin’ny Rainy ny fitondrana amin’izay. (1 Kor. 15:25-28) Efa lasa lavorary ny olombelona, ka havela haka fanahy azy ireo farany i Satana. Hotorotoroin’i Kristy avy eo io menarana ratsy fanahy io sy izay manaiky ho voataonany. (Gen. 3:15; Apok. 20:3, 7-10) Hahazo valisoa tsara be kosa izay tsy mivadika amin’i Jehovah. Mahalaza tsara an’izany ilay teny ao amin’ny Soratra Masina hoe “hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo.—Rom. 8:21.

Hanatanteraka ny fampanantenan’i Jehovah momba ny olona sy ny tany ilay Fanjakana

23, 24. a) Nahoana isika no matoky fa ho tanteraka daholo izay nampanantenain’i Jehovah? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

23 Tsy nofinofy fotsiny izany rehetra izany, fa tena hisy. Nahoana isika no matoky an’izany? Efa hitantsika tany amin’ny Toko 1 fa nasain’i Jesosy hivavaka ny mpanara-dia azy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mat. 6:9, 10) Tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy angano fotsiny. Efa manjaka any an-danitra izy io izao. Efa betsaka ny fampanantenan’i Jehovah notanterahiny tato anatin’ny 100 taona, ary iarahantsika mahita izany. Ho tanteraka daholo àry izay rehetra nampanantenain’i Jehovah, rehefa hitondra ny tany ilay Fanjakana.

24 Matoky isika fa ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Matoky koa isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah rehetra. Nahoana? Satria EFA MITONDRA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA! Mieritrereta àry hoe: ‘Manohana an’io Fanjakana io ve aho?’ Tsy hahita fitondrana tonga lafatra sy manao ny rariny hoatran’io ianao. Tohano foana àry izy io, dia ho vahoakany mandrakizay ianao!