Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 5

Ahoana Raha Misy Mampijaly Aho any Am-pianarana?

Ahoana Raha Misy Mampijaly Aho any Am-pianarana?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Mety tsy hampijaly anao intsony ilay ankizy, raha hainao hoe inona no tokony hataonao.

AHOANA NO HATAONAO?

Tsy te handeha hianatra intsony i Tahiry mandrakizay doria! Nanely tsaho momba azy mantsy ny mpiara-mianatra taminy, telo volana lasa izay. Nopetahan-dry zareo anarana koa izy avy eo. Ny sasany indray mandatsaka ny kahieny amin’ny tany, dia mody miteny hoe tsy fanahy iniany ilay izy. Misy koa manosika azy, dia vao mitodika izy dia mody fanina daholo izy rehetra. Vao mainka aza nampalahelo i Tahiry omaly, satria nisy niteny taminy tao amin’ny Internet hoe tsy amelan’ny ankizy, hono, izy raha tsy tratrany.

Inona no ho nataonao raha ianao no Tahiry?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Aza mieritreritra hoe tsy afa-manoatra ianao! Azonao resena tsara ilay ankizy nefa ianao tsy voatery hiady aminy. Ahoana izany?

  • AZA RAHARAHAINA ILAY IZY. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.” (Ohabolana 29:11) Ho reraka eo ihany ilay ankizy amin’ny farany, raha miezaka manindry fo ianao na mody tsy miraharaha an’izay ataony.

  • AZA MAMALY FATY. Hoy ny Baiboly: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” (Romanina 12:17) Vao mainka hitatra ilay olana raha mamaly faty ianao.

  • MITANDREMA TSARA. Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Raha mbola azo atao, dia aza mankany amin’izay toerana mety hisy ankizy hampijaly anao.

  • ZAVATRA TSY AMPOIZINY NO TENENO. Hoy ny Baiboly: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.” (Ohabolana 15:1) Afaka manao vazivazy kely mihitsy aza ianao. Raha miteny aminao, ohatra, ry zareo hoe matavy be ianao, dia aza taitra fa valio fotsiny hoe: “Anomezana kely ve e?”

  • MANDEHANA MANDEHA. Hoy i Nora, 19 taona: “Hita hoe matotra ianao sady mahery noho izy raha tsy mamaly. Ianao tsinona mahafehy tena fa tsy mba hoatran’azy.”—2 Timoty 2:24.

  • MIEZAHA TSY HATAHOTAHOTRA. Tonga dia ho voamariky ny ankizy ianao raha matahotahotra sy tsy matoky tena. Fantany hoe tsy ho sahy hamaly azy ianao, ka ampijaliny. Tsy ho sahy intsony anefa izy, raha hitany hoe tsy matahotra azy ianao.

  • ALAZAO AMIN’NY OLON-DEHIBE. Hoy ny vehivavy iray, mpampianatra taloha: “Ampirisihiko mihitsy izay ankizy misy mampijaly hoe mandehana alazao. Izay no vahaolana mety indrindra. Amin’izay koa ilay olona tsy mampijaly ankizy hafa intsony.”

Tadidio hoe mahery noho izy ianao raha matoky tena, fa tsy matahotahotra azy