Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 8

Inona no Hataoko fa Nisy Nanolana Aho?

Inona no Hataoko fa Nisy Nanolana Aho?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Olona an-tapitrisany isan-taona no misy manolana, ary ankizy sy tanora ny ankamaroany.

AHOANA NO HATAONAO?

Nitantara i Volana hoe nobatain’izay lehilahy iray izay izy, dia nazerany tamin’ny tany. Teo izy vao tonga saina fa hay hanolana azy ilay lehilahy. Hoy izy: “Nataoko daholo izay azoko natao. Niezaka nikiakiaka aho fa tsy nahavoaka feo. Natosiko izy, nodakako, nasiako totohondry, dia norangotiko. Notsindroniny tamin’ny antsy anefa aho, dia tsy nahahetsika intsony.”

Inona no ho nataonao raha ianao no Volana?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Angamba ianao efa mitandrina tsara, ohatra hoe rehefa mandeha eny an-dalana amin’ny alina. Tadidio anefa fa mety hisy foana ny zavatra tsy ampoizina. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.’—Mpitoriteny 9:11.

Olona tsy fantatr’ilay ankizy indraindray no manolana azy, toy ilay nahazo an’i Volana. Misy indray olom-pantany, na ny ao an-tranony ihany. Ny an’i Ony, ohatra, ankizilahy mpiray tanàna taminy no nanolana azy. Vao folo taona izy tamin’izany. Hoy izy taorian’izay: “Natahotra be aho sady menatra, dia tsy sahy niteniteny mihitsy.”

TSY DISO IANAO!

Mbola mieritreritra i Volana hatramin’izao hoe izy no diso. Hoy izy: “Mitamberina ato an-tsaiko foana ilay izy. Tahaka izay aho mba niady mafy kokoa! Tena tokony ho nanao an’izany aho, fa izaho tonga dia natahotra be vao notsindroniny tamin’ny antsy, dia tsy nahahetsika!”

Mieritreritra koa i Ony hoe izy no diso. Hoy izy: “Tsy mba mailomailo aho, dia izay no nahavoa ahy. Efa niteny ry dadanay hoe mila miaraka foana izahay sy zandrinay rehefa milalao, nefa izaho mbola nandeha irery ihany. Dia aiza moa aho no tsy ho voan’ilay ankizilahy! Tena tsy tantin-dry zareo tao an-trano ilay nahazo ahy, dia manenina be aho. Izay no tena tsy zakako!”

Izany koa ve no tsapanao? Tadidio hoe noterena ianao, fa tsy hoe sitraponao ilay izy. Tsy taitra anefa ny olona indraindray rehefa maheno hoe nisy olona voaolana. Misy miteny hoe: “Ny lehilahy ange efa vetaveta saina foana e!”, na hoe: “Ny hadalan’ilay ankizivavy matoa izy voa!” Aza mino an’izany! Maharikoriko ny fametavetana, ka tsy misy an’izany olona azo vetavetaina izany! Tsy ianao mihitsy àry no diso!

Tsy eken’ny sainao angamba izany. Mihevitra foana ianao hoe ianao no diso, ary mieritreritra zavatra mahakivy foana ianao. Afeninao koa ilay nahazo anao. Iza anefa no ho voa amin’izany? Ianao sa ilay nanolana anao? Aza mangina fotsiny àry fa zonao ny miteny sady hahasoa anao.

RESAHO IZAY NAHAZO ANAO

Tantarain’ny Baiboly fa nijaly be ilay olo-marina atao hoe Joba, ka nanapa-kevitra fa ‘hiteny ao anatin’ny fahoriam-pony.’ (Joba 10:1) Manaova àry hoatr’izany koa. Miresaha amin’ny olona atokisanao, dia tsy hijaly be intsony ianao rehefa mandeha ny fotoana, sady ho maivamaivana.

Mafy loatra aminao angamba ilay mahazo anao. Aza tazonina irery àry ilay izy fa resaho

Izany mihitsy no nataon’i Volana. Hoy izy: “Noresahiko tamin’ny namako ilay izy, dia nampirisihiny aho hiresaka tamin’ny anti-panahy. Soa ihany aho fa niresaka tamin-dry zareo. Nampahery ahy foana ry zareo sady naverimberiny tamiko hoe tsy diso mihitsy aho, na kely aza.”

I Ony indray niresaka tamin’ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Tena nanampy ahy ry zareo, sady nampirisika ahy hiresaka foana. Lasa tsy dia tezitra intsony aho sady tsy nalahelo be.”

Nivavaka koa i Ony, dia lasa tsy kivy be. Hoy izy: “Ny niresaka tamin’Andriamanitra no tena nanampy ahy, indrindra rehefa ilay izaho tsy te hiresaka tamin’olona iny. Mba afaka miresaka an’izay tena ao am-poko aho rehefa mivavaka, dia lasa milamina ny saiko.”

Aza matahotra fa mbola ho ‘sitrana’ ianao. (Mpitoriteny 3:3) Ataovy izay hahasalama anao dia amboary ny fo, ary aza manao vizana be. Aza hadinoina mihitsy koa ny mivavaka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra.—2 Korintianina 1:3, 4.

EFA LEHIBE VE IANAO KA EFA MAMPIARAKA?

Raha ankizivavy ianao, dia tsy diso ianao raha miteny amin’ilay ankizilahy miaraka aminao hoe: “Izaho aza atao an’izany!”, na hoe: “Esory any ny tananao!” Aza matahotra hoe hisarahany, fa mitenena foana! Raha misaraka aminao mantsy izy, dia tsy mety aminao izy izany! Tsy ankizilahy hoatr’azy no mety aminao, fa ankizilahy manaja anao sy ny fitsipika arahinao.

AHOANA NO ATAON’NY ANKIZILAHY MPANADALA?

“Nosintonin’ny ankizilahy mpiara-mianatra taminay foana ny tadin’ny soutien nanaovako sady niteny zavatra maharikoriko ry zareo, ohatra hoe ho sambatra be aho raha manao firaisana aminy.”—Coretta.

Inona no nataon’io ankizilahy io, araka ny hevitrao?

  1. Nisangisangy fotsiny

  2. Taratara taminy

  3. Vetaveta saina ka nanadala azy

“Nisy ankizilahy iray izay teny ambony bisy nitazontazona an’ahy sady niteny zavatra nahakamo be. Nesoriko ny tanany sady hozy aho hoe: ‘Mbay tany!’ Nojereny tsara aho avy eo, hoatran’ny hoe izaho indray no hafahafa.”—Candice.

Inona no nataon’ireo ankizilahy ireo, araka ny hevitrao?

  1. Nisangisangy fotsiny

  2. Taratara taminy

  3. Vetaveta saina ka nanadala azy

“Tamin’ny herintaona a, nisy an’izay ankizilahy izay niteny tamiko foana hoe tiany, hono, aho, dia te hiaraka amiko izy, nefa izaho efa miteny aminy foana hoe izaho tsy tia an’azy. Safosafoiny ny tanako indraindray, dia efa teneniko izy hoe izaho aza atao an’izany fa mbola ataony ihany. Indray mandeha izay aza nokapohiny ny fitombenako tamin’izaho namatotra tadin-kiraro.”—Bethany.

Inona no nataon’io ankizilahy io, araka ny hevitrao?

  1. Nisangisangy fotsiny

  2. Taratara taminy

  3. Vetaveta saina ka nanadala azy

Ilay fahatelo daholo no valin’ireo fanontaniana ireo.

Tsy mitovy amin’ny misangisangy na taratara ny hoe vetaveta saina ka manadala. Nahoana?

Mampijaly anao foana ilay mpanadala anao, na dia efa raranao aza.

Misy vokany ratsy be ilay izy, satria mety hametaveta anao izy amin’ny farany.