Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 10

Fa Maninona Aho no Mila Mamaky Baiboly?

Fa Maninona Aho no Mila Mamaky Baiboly?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Milaza ny Baiboly fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Raha marina izany, dia misy torohevitra tena mahasoa anao ao amin’ny Baiboly.

AHOANA NO HATAONAO?

Nankany amin’ny tanàna kely iray i Tojo. Efa alina tamin’izay ka tsy hitany tsara intsony ny lalana. Gaga izy fa hoatran’ny lalana tsy mahazatra azy mihitsy ilay alehany. Tonga saina izy hoe hay diso lalana tany alohaloha tany!

Inona no ho nataonao raha ianao no Tojo?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Manana safidy maromaro ianao:

  1. Manontany olona.

  2. Mampiasa jiro fanao am-paosy.

  3. Mandeha foana sady manantena hoe mbola ho hitanao ilay toerana tianao haleha.

Ilay safidy fahatelo no tena tsy mety.

Ilay faharoa anefa mbola tsara noho ilay voalohany. Azonao entina eny foana mantsy ilay jiro, satria hanampy anao hahita ny lalana tokony haleha.

Mitovy amin’izany mihitsy ny Baiboly.

Io no boky be mpanana indrindra. Ilainao izy io satria...

  • manampy anao rehefa manana olana ianao

  • manampy anao hamantatra sy hanatsara ny toetranao

  • manoro anao hoe ahoana no hatao raha te ho sambatra

MISY FANONTANIANA MAMPIASA SAINA ANAO VE?

Vao mahay miteny isika, dia efa tia manontany, ohatra hoe...

  • Fa maninona ny biby no tsy miteny?

  • Maninona kay no maizina be rehefa amin’ny alina?

Rehefa mihalehibe indray isika, dia manontany momba ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, ohatra hoe...

Ahoana, hoy ianao, raha misy miteny aminao hoe ao amin’ny Baiboly daholo ny valin’ireo?

Be dia be no milaza fa efa lany andro ny Baiboly sady sarotra be. Angano fotsiny koa, hono, ny ao. Marina ve izany sa ny olona mihitsy no diso hevitra, na nilazana zavatra diso?

Misy, ohatra, milaza fa Andriamanitra no mpitondra an’izao tontolo izao. Izany, hono, no lazain’ny Baiboly. Tsy marina anefa izany. Tsy milamina mihitsy mantsy izao tontolo izao. Be dia be no mijaly, mahantra, marary, ary maty. Feno loza koa eran-tany. Andriamanitra ve dia hampijaly olona hoatr’izany, nefa izy be fitiavana?

Ny Baiboly ihany no mamaly an’izany. Ho gaga ianao raha mahalala fa tsy Andriamanitra no mpitondra an’izao tontolo izao fa hafa!

Voamarikao angamba fa avy ao amin’ny Baiboly daholo ny torohevitra ato. Resy lahatra ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly no tena manoro antsika an’izay tokony hatao. “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” mantsy izy io, “ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16, 17) Marina fa efa ela ny Baiboly nefa mbola ilaina foana. Vakio sy ianaro tsara àry izy io fa tena hahasoa anao!