Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 8

Ho Azo Atao Indray ny Hanana Fiainana Mahafa-po

Ho Azo Atao Indray ny Hanana Fiainana Mahafa-po

NA DIA nanjary zava-poana aza ny fiainan’ny olombelona noho ny nikomiany tamin’ny fitsipik’Andriamanitra, dia tsy navelan’Andriamanitra tsy hanana fanantenana izy ireo. Manazava toy izao ny Baiboly: “Izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romana 8:20, 21). Eny, nanome fanantenana ho an’ny taranak’ilay mpivady olombelona voalohany Andriamanitra. Fanantenana ny hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovany izany, ary fanantenana azo antoka. Ho afaka hanana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra indray izy ireo. Amin’ny fomba ahoana?

Nanome fanantenana ho an’ny olombelona Andriamanitra, mba hanafahana azy ireo amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana

2 Rehefa nanota i Adama sy i Eva, dia nahatonga ny taranany tsy hanana intsony ilay fahatsinjovana ny hanana fiainana mahafa-po ka hiaina mandrakizay eto an-tany. Ho takalon’ny fahafahana hanapaka ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy ho an’ny tenany, dia namidiny ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana ireo ho anisan’ny fianakaviany. Teraka tao amin’io fianakaviana io ireo taranany, ka azo oharina amin’ny andevo napetraka teo amin’ny nosy mitokana iray misy mpanjaka lozabe. Ny fahafatesana dia nanapaka sady nanjaka tokoa teo amin’ny olombelona efa nandevozin’ny mpanjaka hafa iray, dia ny ota. (Romana 5:14, 21). Toa tsy hisy hamonjy izy ireo. Ny razambeny mihitsy mantsy no nivarotra azy ho andevo! Nisy lehilahy tsara fanahy iray anefa nandefa ny zanany lahy, mba hitondra ny vidiny manontolo notakina hanafahana an’ireo rehetra nandevozina. — Salamo 51:5; 146:4; Romana 8:2.

3 Mampiseho an’i Jehovah Andriamanitra ilay lehilahy namonjy ireo andevo ao amin’io fanoharana io. I Jesosy Kristy kosa no ilay zanakalahy nitondra ilay vidin’ny fahafahana. Zanaka lahitokan’Andriamanitra efa nisy tany an-danitra izy, talohan’ny naha olombelona azy. (Jaona 3:16). Izy no noforonin’i Jehovah voalohany indrindra, ary tamin’ny alalany no nampisy ny zavaboary hafa rehetra eo amin’izao rehetra izao. (Kolosiana 1:15, 16). Namindra tamin’ny fomba mahagaga ny ain’ilay Zanany ara-panahy tao an-kibon’ny virjiny iray i Jehovah, mba hahatonga ilay zaza ho teraka olombelona lavorary, dia ny vidin’ny avotra notakin’ny rariny araka an’Andriamanitra. — Lioka 1:26-31, 34, 35.

4 Rehefa tokony ho 30 taona i Jesosy, dia natao batisa tao amin’ny Ony Jordana. Nohosorana ny fanahy masina, na ny hery miasan’Andriamanitra, izy, tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy. Tamin’izany fomba izany no nahatongavany ho Kristy, izay midika hoe “Voahosotra”. (Lioka 3:21, 22). Naharitra telo taona sy tapany ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nandritra ireo taona ireo, dia nampianatra ny mpanara-dia azy momba “ny fanjakan’Andriamanitra” izy, dia ilay fanjakana any an-danitra hanapaka amin’ny olombelona izay hanana fifandraisana milamina amin’i Jehovah Andriamanitra indray. (Lioka 4:43; Matio 4:17). Fantatr’i Jesosy ny fomba hahazoan’ny olombelona fiainana feno fahasambarana, koa nomeny tari-dalana voafaritra tsara mahakasika ny fahasambarana ny mpanara-dia azy. Nahoana raha sokafanao ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 ny Baibolinao, ary vakinao ny fampianarany sasany ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra?

Moa ve ianao tsy ho velom-pankasitrahana lalina an’ilay nanafaka anao tamin’ny fanandevozana?

5 Tsy mba sahala amin’i Adama i Jesosy, fa nankatò an’Andriamanitra tamin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainany. “Tsy nanota akory”, izy. (1 Petera 2:22; Hebreo 7:26). Raha ny marina, dia nanan-jo hiaina mandrakizay teto an-tany izy, kanefa ‘nanolotra ny ainy’ mba handoavana tamin’Andriamanitra izay verin’i Adama. Nanolotra ny ain’olombelona lavorary nananany i Jesosy, teo amin’ny hazo fijaliana. (Jaona 10:17; 19:17, 18, 28-30; Romana 5:19, 21; Filipiana 2:8). Tamin’izany no nanomezan’i Jesosy ilay avotra, na nandoavany ilay vidiny nilaina mba hanavotana ny olombelona tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. (Matio 20:28). Alao sary an-tsaina ny tenanao miasa mafy toy ny andevo ara-bakiteny ao amin’ny orinasa iray. Moa ve ianao tsy ho velom-pankasitrahana lalina an’ilay olona nikarakara ny hanafahana anao tamin’ilay fanandevozana sy an’ilay olona nanolo-tena an-tsitrapo mba hanao sorona ny ainy ho anao? Tamin’ny alalan’ilay avotra, dia nisy lalana nisokatra ho anao mba hiverenana ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao sy mba hananana fiainana tena mahafa-po, ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. — 2 Korintiana 5:14, 15.

6 Vao mainka ianao manana antony tokony hampiharana eo amin’ny fiainanao ireo tenim-pahendrena ao amin’ny Baiboly, rehefa fantatrao sy ankasitrahanao izany hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory izany. Ohatra, hevero ny iray amin’ireo foto-pitsipika sarotra ampiharina indrindra, dia ny mamela ny heloky ny hafa izay nanafintohina anao. Tadidinao ve ireo teny ao amin’ny Kolosiana toko faha-3, andininy faha-12 ka hatramin’ny 14, izay nodinihintsika tao amin’ny Lesona faha-2? Nampirisika anao ireo andinin-teny ireo mba hamela ny heloky ny hafa, na dia mety hanananao alahelo aza izy ireny. Hazavain’ny teny manodidina ny anton’izany, manao hoe: “Tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” Rehefa mankasitraka lalina ny zavatra nataon’i Jehovah sy i Jesosy Kristy ho an’ny olombelona ianao, dia ho voatosika hamela ny heloky ny hafa, na inona na inona nety ho nataony ka nanafintohina anao, indrindra fa raha mibebaka sy miala tsiny izy.