Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 3

Ilay Boky Misy Tari-dalana Azo Ianteherana

Ilay Boky Misy Tari-dalana Azo Ianteherana

“FITAMBARAN’NY kolontsain-dRaolombelona sy ny zavatra niainany ny Baiboly, ary tsy manam-paharoa”, hoy ny gazety iray navoakan’ny Oniversiten’i Chung Shang any Canton, any Chine. Voalaza ho niteny toy izao i Emmanuel Kant, filozofa nalaza tamin’ny taonjato faha-18: “Ny fisian’ny Baiboly, izay boky ho an’ny vahoaka, no zava-tsoa lehibe indrindra azon’ny taranak’olombelona hatramin’izay. Heloka bevava ampiharina amin’ny taranak’olombelona ny fanandramana rehetra hanao tsinontsinona azy io.” Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy): “Tsy voafetra velively ho eo amin’ny Jiosy sy ny Kristianina ny herin’ny Baiboly. (...) Heverina ho harena ara-pitsipi-pitondran-tena sy ara-pivavahana izy io ankehitriny, dia harena mirakitra fampianarana tsy hita lany izay vao mainka ho sarobidy, arakaraka ny itomboan’ny fanantenana ny handrosoan’ny kolontsain’izao tontolo izao.”

2 Na inona na inona fivavahana misy anao, tsy hahaliana anao ve ny hahafanta-javatra momba ny boky toy izany? Tamin’ny faran’ny taonjato faha-20, dia voadika ho amin’ny fiteny maherin’ny 2 200 ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Afaka mahazo Baiboly amin’ny fiteny azony vakina ny ankamaroan’ny olona, ka afaka mahazo ny heviny. Tombanana ho efatra arivo tapitrisa ny isan’ny naely maneran-tany, taorian’ny namoronana ny milina fanontam-pirinty.

3 Sokafy àry izao ny Baibolinao, raha manana ianao, ary jereo ny lisitry ny boky. Ho hitanao eo ny anaran’ireo boky, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Fitambarana boky 66 nosoratan’ny olona 40 teo ho eo ny Baiboly, raha ny marina. Ny fizarana voalohany, misy boky 39 antsoin’ny olona maro hoe ny Testamenta Taloha, dia antsoina araka ny tokony ho izy hoe ny Soratra Hebreo, satria nosoratana indrindra indrindra tamin’ny teny hebreo. Ny fizarana faharoa, misy boky 27 antsoin’ny olona maro hoe ny Testamenta Vaovao, dia antsoina araka ny marina hoe ny Soratra Grika Kristianina, satria nosoratan’ny mpanoratra kristianina tamin’ny teny grika. Naharitra maherin’ny 1 600 taona, nanomboka tamin’ny 1513 al.f.i. ka hatramin’ny 98 am.f.i., ny nanoratana ny Baiboly manontolo. Tsy niara-nivory na oviana na oviana ireo mpanoratra, ary ny boky sasany dia nosoratana tao anatin’ny fotoana iray ihany, saingy tany amin’ny toerana samy hafa nifanelanelana an’arivony kilaometatra maro. Na izany aza, dia manana loha hevitra tokana ny Baiboly, ary mifandrindra, fa tsy mifanohitra. Voatery manontany tena isika hoe: ‘Ahoana no nahafahan’ny olona maherin’ny 40, izay velona tamin’ny fotoana samy hafa tao anatin’ny 1 600 taona, namoaka boky iray mirindra tsara toy izany?’

“Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka [Andriamanitra] ary manantona ny tany amin’ny tsy misy”

4 Efa maherin’ny 1 900 taona lasa izay no nanoratana ny Baiboly, kanefa mahaliana lehilahy sy vehivavy amin’ny andro ankehitriny ny zavatra raketiny. Ohatra, sokafy ny Baibolinao, ao amin’ny Joba 26:7. Tadidio fa nosoratana tamin’ny taonjato faha-15 al.f.i. io andinin-teny io. Izao no vakiny: “Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka [Andriamanitra] ary manantona ny tany amin’ny tsy misy.” (Izahay no manao sora-mandry.) Avy eo dia jereo ny Isaia 40:22, ka mariho fa nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. ny bokin’i Isaia. Izao no vakin’ilay andinin-teny: “Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany [“eo ambony faribolan’ny tany”, NW], ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana”. Inona no sary tonga ao an-tsainao eo am-pamakiana ireo filazalazana roa ireo? Zavatra boribory ‘mihantona’ eny amin’ny habakabaka. Azo inoana fa efa nahita sary toy izany, izay nalefa avy teny amin’ny sambon-danitra maoderina, ianao. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana no nahafahan’ny olona velona fahiny ela be, nilaza zavatra marina ara-tsiansa toy izany?’

5 Andeha isika handinika fanontaniana hafa iray mahakasika ny Baiboly. Marina ara-tantara ve ny Baiboly? Misy mihevitra fa fitambarana angano fotsiny ny Baiboly, fa tsy misy fototra ara-tantara. Hevero, ohatra, ny amin’ilay mpanjaka isiraelita fanta-daza atao hoe Davida. Hatramin’izay, dia tao amin’ny Baiboly ihany no nahafantarana fa nisy i Davida. Na dia eken’ny ankamaroan’ny mpahay tantara malaza aza fa tena nisy i Davida, dia misy olona be fisalasalana tsy mety manaiky izany, ka milaza fa olona ao amin’ny angano noforonin’ny mpanao fampielezan-kevitra jiosy fotsiny izy. Inona no asehon’ny zava-misy?

Soratra miresaka ny amin’ilay “Taranak’i Davida”

6 Nisy soratra iray hita tamin’ny taona 1993, tao amin’ireo sisan-javatra rava tamin’ny tanànan’i Dana fahiny tany Isiraely. Niresaka ny amin’ny “Taranak’i Davida” io soratra io, izay silaka tsangambato potipotika iray tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i., fahatsiarovana ny nandresen’ny fahavalony an’ireo Isiraelita. Tampoka teo, dia nisy soratra tranainy niresaka ny amin’i Davida, hita tany ivelan’ny pejin’ny Baiboly! Zava-dehibe ve izany? Nanao izao fanamarihana izao i Israel Finkelstein, ao amin’ny Oniversiten’i Tel Aviv, mahakasika io soratra hita io: “Nirodana tampoka ny tsy finoana ny Baiboly, rehefa hita ilay soratra momba an’i Davida.” Nanao fihadian-tany nandritra ny am-polony taona maro tany Palestina ny Profesora William F. Albright, arkeology. Mahaliana ny teny nolazainy indray mandeha, nanao hoe: “Noporofoin’ireo zavatra hita mihamaro hatrany fa marina ireo tsipiriany tsy tambo isaina; vao mainka nampiaiky izany fa tena loharanon-tantara sarobidy tokoa ny Baiboly.” Eto indray, dia mety hanontany isika hoe: ‘Ahoana no nahatonga an’io boky tranainy io ho marina ara-tantara toy izany, fa tsy mba sahala amin’ireo tononkalo mitantara olona nahery fo sy ireo angano?’ Tsy izany ihany anefa.

Vola madinika mampiseho ny sarin’i Aleksandra Lehibe

7 Bokim-paminaniana koa ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21). Mety hieritreritra avy hatrany teny tsy tanteraka nambaran’ny olona nihambo ho mpaminany ianao, raha vao mandre ilay teny hoe “faminaniana”. Avelao any anefa izay mety ho fitsarana an-tendrony, ka sokafy ny Baibolinao, ao amin’ny Daniela toko faha-8. Ao i Daniela dia milazalaza fahitana iray mahakasika ondrilahy iray nanana tandroka roa, izay niady tamin’ny osilahy iray lava volo nanana “tandroka lehibe”. Naharesy ilay osilahy, kanefa tapaka ilay tandrony lehibe. Nisy tandroka efatra nipoitra ho solony. Inona no hevitr’ilay fahitana? Hoy ny tohin’ilay fitantaran’i Daniela: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.” — Daniela 8:3-22.

“Noporofoin’ireo zavatra hita mihamaro hatrany fa marina ireo tsipiriany tsy tambo isaina; vao mainka nampiaiky izany fa tena loharanon-tantara sarobidy tokoa ny Baiboly.” — Profesora William F. Albright

8 Tanteraka ve io faminaniana io? Vita tamin’ny taona 536 al.f.i. tany ho any ny fanoratana ny bokin’i Daniela. Teraka 180 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 356 al.f.i. i Aleksandra Lehibe, mpanjakan’i Makedonia, ary nandresy ny Empira Persanina izy. I Aleksandra no ilay “tandroka lehibe” teo anelanelan’ny mason’ilay “osilahy lava volo”. Araka ny voalazan’i Josèphe, mpahay tantara jiosy, dia naseho an’i Aleksandra ny bokin’i Daniela, rehefa niditra tao Jerosalema izy, talohan’ny nandreseny an’i Persia. Nanatsoaka hevitra i Aleksandra fa nanondro ny fanafihan’ny tafiny an’i Persia ireo teny ao amin’ny faminanian’i Daniela naseho azy. Ankoatra izany, dia azonao vakina ao amin’ny bokin’ny tantaran’izao tontolo izao ny amin’izay nanjo ny empiran’i Aleksandra, taorian’ny nahafatesany tamin’ny 323 al.f.i. Jeneraly efatra no nandray an-tanana ny fitondrana ny empirany tatỳ aoriana, koa tamin’ny 301 al.f.i., dia nizara ilay fanjakana ho efatra ireo ‘tandroka efatra’ nitsangana nandimby an’ilay “tandroka lehibe”. Eto indray koa, dia ara-drariny tokoa raha manontany tena isika hoe: ‘Ahoana no nahatonga ny boky iray ho afaka nilaza mialoha tamin’ny fomba mazava tsara sy marina toy izany, ny zavatra hitranga 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana?’

9 Ny Baiboly mihitsy no mamaly ireo fanontaniana etsy ambony: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. (2 Timoty 3:16, NW). Ilay teny grika nadika hoe “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”, dia midika ara-bakiteny hoe “nofofonin’Andriamanitra”. ‘Nofofonin’Andriamanitra’ tao an-tsain’ny mpanoratra 40 teo ho eo ny fanambarana hitantsika ankehitriny ao amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Hita mazava fa mahatonga antsika hanao fanatsoahan-kevitra tokana monja ireo ohatra vitsivitsy — ara-tsiansa sy ara-tantara ary ara-paminaniana — vao avy nodinihintsika teo. Tsy vokatry ny fahendren’olombelona io boky tsy manam-paharoa io, dia ny Baiboly, fa avy amin’Andriamanitra. Maro anefa ankehitriny ny olona misalasala momba ny fisian’ny Loharanon’izy io, dia Andriamanitra. Ahoana ny aminao?