Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 5

Fahazoana Fahalalana An’Andriamanitra

Fahazoana Fahalalana An’Andriamanitra

REHEFA mila torohevitra ianao, moa ve ianao tsy hitodika any amin’ny olona iray mendri-pitokisana? Raha atokisanao ilay manome torohevitra, dia azo antoka fa hirona bebe kokoa hanaraka ny toroheviny ianao, na handray soa eo no ho eo avy amin’ilay izy ianao na tsia. Raha tianao tokoa ny handray soa avy amin’ny torohevitra azo ampiharina hita ao amin’ny Baiboly, dia tsy maintsy ataonao izay hahalalana tsara an’ilay Loharanony. Mety ho tonga ‘sakaizany’ mihitsy aza ianao! — Isaia 41:8.

Ilay anaran’Andriamanitra izay hita ao amin’ny soratra hebreo ao amin’ny bokin’i Isaia

2 Raha tianao ny ho naman’ny olona iray, dia tsy isalasalana fa ho tianao ny hahafantatra ny anarany. Manana anarana ve ilay Andriamanitry ny Baiboly? Hoy ny nambarany: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” (Isaia 42:8). “Jehovah” no anarany. Soratana hoe יהוה (vakina avy any ankavanana miankavia) amin’ny teny hebreo, izy io. Miseho efa ho im-7 000 ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Baiboly io anarana io. Araka ny fahazoana ny hevitry ny anaran’Andriamanitra, izy io dia midika hoe “Mahatonga Izy”, ka milaza tsy mivantana izany fa mahatonga ny tenany ho izay rehetra ilaina mba hanatanterahana ny fikasany, i Jehovah. Tsy ny tenany ihany anefa no afaka miova araka izay iriny, fa ny zavaboariny koa azony ampiasaina sy ovana amin’izay rehetra ilany azy mba ho tanteraka izay kasainy. Amin’ny teny hebreo, ny anarany dia amin’ny endriny manondro fanaovan-javatra eo an-dalam-pahatanterahana. Inona no hevitr’izany? Milaza amintsika izany fa efa nahatonga ary mbola mahatonga ny fikasany ho tanteraka izy. Andriamanitra velona izy, fa tsy hery fotsiny!

3 Tonga Mpamorona i Jehovah. (Genesisy 1:1). Izy no ilay “Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny”. (Asan’ny Apostoly 14:15). Namorona ny zava-drehetra i Jehovah, anisan’izany ny mpivady olombelona voalohany, i Adama sy i Eva. Koa Andriamanitra àry no “loharanon’aina”. (Salamo 36:9). Tonga ny Mpanohana ny aina koa izy. Koa “tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana”. (Asan’ny Apostoly 14:17). Olona maro atsy Afrika sy any Azia no mivavaka amin’ny razany, satria nahazo ny fiainany avy tamin’ny razany. Moa ve ireny olona ireny tsy tokony ho velom-pankasitrahana bebe kokoa an’ilay Mpamorona sy Mpanohana ny aina, Ilay nahary ny mpivady voalohany ka nanome azy ireo fahafaha-miteraka? Mety hanosika anao hihiaka toy izao ny fisaintsainana izany: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.

4 Afaka ny hahalala an’i Jehovah, Mpamorona anao, ianao, amin’ny fandinihana ny Baiboly, ka afaka ny hahalala hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana izy. Ahariharin’ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:16; Eksodosy 34:6, 7). Rehefa mamaky ny Baiboly manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy ianao, dia hahita fitantarana maro be mampiseho fa Andriamanitra be fitiavana tokoa izy. Nahoana raha atao ho fahazarana ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, mba hahafantaranao ny Mpamorona anao? Ianaro amim-pitandremana ny Baiboly, ka mangataha fanampiana amin’ireo efa mahafantatra tsara ny zavatra raketiny. (Asan’ny Apostoly 8:26-35). Ho hitanao amin’izany fa Andriamanitra tia ny rariny koa izy, ary tsy hamela ny faharatsiana hisy mandrakizay. (Deoteronomia 32:4). Tsy mora ho an’ny olombelona ny mampifandanja ny fitiavana sy ny rariny, kanefa mampifandanja azy ireo amin’ny fomba tonga lafatra i Jehovah, noho ny fahendreny. (Romana 11:33; 16:27). Andriamanitra Tsitoha izy, ka manana ny hery hoenti-manao izay rehetra tiany hatao, mba hanatanterahana ny fikasany. (Genesisy 17:1). Miezaha hampihatra ny torohevitra maneho fahendrena hitanao ao amin’ny Baiboly, ary dia hitombo ny fankasitrahanao ny Mpamorona anao, satria ho takatrao fa mahasoa antsika foana ny toroheviny.

Nahoana raha manatona an’i Jehovah ao amin’ny vavaka?

5 Mbola misy fomba iray hafa koa hoenti-manatona an’Andriamanitra. Izany dia amin’ny alalan’ny vavaka. “Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2). Afaka “manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza”, izy. (Efesiana 3:20). Ahoana anefa no fiheveranao ny “namana” iray izay tsy tonga manatona anao raha tsy rehefa misy zavatra tiany hangatahina aminao? Angamba tsy hoheverinao ho tena namana izy. Araka izany, dia tsy isalasalana fa irinao ny hampiasa ilay tombontsoa, dia ny vavaka — tsy hoe mba hangatahana amin’Andriamanitra izay ilainao fotsiny, fa mba hisaorana sy hiderana azy koa. — Filipiana 4:6, 7; 1 Tesaloniana 5:17, 18.