Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 9

Fiainana Mahafa-po—Dieny Izao sy ho Mandrakizay!

Fiainana Mahafa-po—Dieny Izao sy ho Mandrakizay!

Afaka ny hanana fiainana mahafa-po ianao, raha miezaka ho tonga sakaizan’Andriamanitra

NANDAO fiainana nampiadana tao amin’ny tanànan’i Ora niroborobo ara-toe-karena i Abrahama, lehilahy nanam-pinoana niavaka voatantara ao amin’ny Baiboly. Nijanona kelikely tao Harana izy, ary avy eo dia nifindrafindra monina nandritra ny andro sisa niainany, nitoetra an-day, tsy mba nanana fonenana raikitra. (Genesisy 12:1-3; Asan’ny Apostoly 7:2-7; Hebreo 11:8-10). Izao anefa no voasoratra momba azy: “Niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra afa-pon’ny miaina”. (Genesisy 25:8, fanamarihana ambany pejy). Inona no nahatonga ny fiainany ho nahafa-po toy izany? Tsy hoe lahiantitra afa-po noho ny zava-bitany nandritra ny androm-piainany fotsiny izy, rehefa ho faty. Nantsoina hoe “Sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama tatỳ aoriana, noho ny finoany niavaka. (Jakoba 2:23; Isaia 41:8). Ilay fifandraisana tsara nananan’i Abrahama tamin’ny Mpamorona azy àry no nahatonga ny fiainany ho nahafa-po.

Mety hahafa-po kokoa noho ny an’i Abrahama ve ny fiainanao?

2 Tsy misy hafa amin’ny nataon’i Abrahama, tokotokony ho 4 000 taona lasa izay, dia azonao atao koa ankehitriny ny hanana fiainana misy heviny, mahafa-po, raha miezaka ho tonga sakaizan’Andriamanitra ianao. Mety hahasanganehana anao izany hoe ho tonga sakaizan’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao izany, kanefa azo atao izany. Amin’ny fomba ahoana? Ilainao ny mahalala azy sy ny ho tia azy. (1 Korintiana 8:3; Galatiana 4:9). Mahatonga ny fiainanao hisy heviny sy hahafa-po ny fanananao fifandraisana toy izany amin’ny Mpamorona anao.

3 Nanome tari-dalana mba hananana fiainana feno fahasambarana i Jehovah, ho an’ireo vonona hanaiky ilay sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Isaia 48:17). Tadidio fa nikomy tamin’Andriamanitra i Adama, rehefa nanapaka samirery ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy. Marina fa nividy ny fianakavian’ny olombelona tamin’ny sorom-panavotan’ny Zanany i Jehovah, ka nanome fomba hahafahan’izy ireo amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Na izany aza anefa, dia anjaran’ny tsirairay ny manaiky ilay avotra sy ny mitsahatra tsy mametra ny fari-pitsipiky ny tenany ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy. Tsy maintsy manaiky ireo lalàna sy foto-pitsipika omen’Andriamanitra ho an’ireo manaiky ny sorom-panavotan’i Jesosy isika.

‘Ampahafantaro ny lalanao aho’

4 Eo am-panohizanao mianatra ny Baiboly sy mampihatra ireo foto-pitsipika ao anatiny, dia tsy isalasalana fa hanjary hahatakatra ny hasarobidin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy ianao. (Salamo 19:7-9). Ho voatosika ianao hilaza toy izao amin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Mosesy mpaminanin’i Jehovah: “Ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao”. (Eksodosy 33:13; Salamo 25:4). Manome anao foto-pitsipika hitarika anao hiatrika ireo olana amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao, ny Baiboly. (2 Timoty 3:1, NW ). Hitombo ny fankasitrahanao, ka hahatonga anao hahalala an’i Jehovah tsara kokoa sy hanamafy ny fisakaizanao aminy.

5 Maty “lahy antitra afa-pon’ny miaina” i Abrahama, kanefa raha mbola tsy maintsy maty isika, dia mbola fohy loatra ihany ny fiainana. Raiki-tampisaka ao amintsika rehetra ny faniriana ho velona, na antitra toy inona aza isika. Izany no izy, satria “ny mandrakizay nataon’[Andriamanitra] ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany”. (Mpitoriteny 3:11, Kat.). Na dia hiaina mandrakizay aza isika, dia tsy ho afaka hahafantatra na oviana na oviana ireo zavaboarin’i Jehovah rehetra. Tsy misy farany ny zavatra ho azontsika dinihina, ianarana, ary ankafizina eo amin’ny asa mahatalanjon’i Jehovah! — Salamo 19:1-4; 104:24; 139:14.

6 Mety tsy hanintona anao ny hiaina mandrakizay, raha toa ny tany ka ho feno olana toy izao hitantsika ankehitriny izao. Tsy tokony hampanahy antsika anefa izany. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Ilay teny hoe “lanitra vaovao”, dia manondro ny fitondram-panjakana vaovao any an-danitra — ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanapaka amin’ny tany manontolo”. Ilay “tany vaovao” kosa dia fitambaran’olona vaovao voaforon’ireo mankatò ny fanapahan’io Fanjakana io. Mba hanatanterahana izany, tsy ho ela i Jehovah dia hamely an’ireo “manimba ny tany”. — Apokalypsy 11:18; 2 Petera 3:10.

7 Rahoviana izany? Anisan’ny ‘famantarana ny fifaranan’ny fandehan-javatra’ nolazain’i Jesosy Kristy ny adin’ireo firenena, ny “mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa”, ny “areti-mandringana”, ary ny “haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”. (Matio 24:3-13, NW; Lioka 21:10, 11; 2 Timoty 3:1-5). Naminany toy izao izy nony avy eo: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31). Eny tokoa, manatona haingana dia haingana ny fotoana handringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy. *

8 Aorian’ilay “andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, rehefa hanaisotra ny faharatsiana amin’ny tany i Jehovah, dia hovana ho paradisa ny tanintsika. (Apokalypsy 16:14, 16; Isaia 51:3). Amin’izay fotoana izay, “ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. (Salamo 37:29). Ahoana kosa ny amin’ireo efa nodimandry? “Aza gaga amin’izany”, hoy i Jesosy, “fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra [ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW] ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” (Jaona 5:28, 29). Maniry ny hamelona indray an’ireo matory ao amin’ny fahafatesana, i Jehovah, izay maneho fiheverana ny olona tsirairay. Mety hiezaka hanao kopia olona amin’ny alalan’ny fanovana fototarazo ny mpahay siansa, kanefa tsy voatery manao kopia olona ny Mpamorona. Afaka mitadidy ny tsipiriany rehetra momba ny olona tsirairay azo avotana sy mamelona indray izany olona izany, izy. Eny, manana fahatsinjovana ny hifankahita amin’ireo havan-tianao nodimandry ianao, ao amin’ny tany paradisa!

9 Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa? Lehilahy sy vehivavy sambatra miara-midera ny Mpamorona no hameno ny tany. “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24; 54:13). Tsy hisy ho tratran’ny fahaketrahana manimba ny fahasalamana, na harary fo, na ho azon’ny aretin-tsaina. Samy hanana sakafo tondraka sy hahita fahafinaretana amin’ny asa misy heviny izay mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra, ny rehetra. (Salamo 72:16; Isaia 65:23). Hiara-miaina amim-pilaminana amin’ny biby sy hiara-miaina amim-pihavanana amin’ny mpiara-belona aminy izy ireo, ary ambonin’ny zava-drehetra, dia hanana “fihavanana amin’Andriamanitra”. — Romana 5:1; Salamo 37:11; 72:7; Isaia 11:6-9.

10 Inona no tsy maintsy ataonao mba hahatongavana ao amin’ny Paradisa ka hananana fiainana mahafa-po tanteraka? Hoy i Jesosy Kristy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Koa manohiza àry mandray fahalalana momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ka ianaro izay takin’Andriamanitra aminao. Amin’izay ianao dia ho afaka ny hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra, ary hahatonga ny fiainanao ho faran’izay hahafa-po izany.

^ feh. 7 Azonao atao ny mahafantatra misimisy kokoa momba io faminaniana io, ao amin’ny toko faha-9 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.