Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 7

Fiainana Mahafa-po—Nahoana no Sarotra ny Mahita Izany?

Fiainana Mahafa-po—Nahoana no Sarotra ny Mahita Izany?

NAHOANA ny olona maro no tsy mety mahita izay tena hevitry ny fiainany, na dia eo aza ny ezaka mafy ataony? “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” (Joba 14:1, 2). Nisy zava-nitranga tamin’ny mpivady olombelona voalohany tao amin’ny Paradisa, ka nahatonga ny olombelona tsy hanana intsony ireo fahatsinjovana namirapiratra teo anoloany.

2 Raha tian’ny fianakavian’olombelona ny ho sambatra tokoa, dia tsy maintsy manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra izy ireo, dia fifandraisana an-tsitrapo fa tsy an-tery. (Deoteronomia 30:15-20; Josoa 24:15). Fankatoavana sy fanolorana fanompoam-pivavahana avy amin’ny fo, noho ny fitiavana, no irin’i Jehovah. (Deoteronomia 6:5). Koa nanisy fameperana àry i Jehovah tao amin’ny saha Edena, mba hahafahan’ny olombelona voalohany hanaporofo ny tsy fivadihany amim-pahatsorana. Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Fitsapana tsotra izany. Noraran’i Jehovah tsy hihinana ny voan’ny hazo iray monja tamin’ny hazo rehetra tao amin’ilay saha, i Adama. Io hazo io dia mariky ny zon’ilay Mpamorona feno fahendrena hanapaka ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy. Nampitain’ilay lehilahy voalohany tamin’ny vadiny, izay nomen’i Jehovah ho ‘famenony’, ilay didin’Andriamanitra. (Genesisy 2:18, NW). Samy afa-po tamin’io fandaharana ny ho eo ambanin’ny fanapahan’Andriamanitra io izy mivady, ka nanaiky tamim-pankasitrahana ny hanao ny sitrapony, ary nampiseho tamin’izany ny fitiavany an’ilay Mpamorona sy Mpanome Aina azy ireo.

3 Avy eo, indray andro, dia nisy menarana iray niresaka tamin’i Eva, ka nanontany hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Namaly i Eva hoe ny voan’ilay “hazo eo afovoan’ny saha”, ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, ihany, no nandrarana azy ireo, ‘fandrao maty’ izy ireo. — Genesisy 3:1-3.

4 Iza moa io menarana io? Lazain’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly fa ilay “atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao” no “ilay menarana ela”. (Apokalypsy 12:9). Moa ve Andriamanitra no namorona an’i Satana Devoly? Tsia, satria lavorary sady tsara ny asa tanan’i Jehovah. (Deoteronomia 32:4). Io zavaboary ara-panahy io dia nanao ny tenany ho Devoly, izay midika hoe “Mpanendrikendrika”, ary koa ho Satana, izay midika hoe “Mpanohitra”. ‘Nalaim-panahy izy ary notarihin’ny filany’, dia ny faniriany hahazo ny toeran’Andriamanitra, ka nanomboka nikomy tamin’ny Mpamorona. — Jakoba 1:14.

5 Nanohy ny teniny toy izao tamin’i Eva i Satana Devoly: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:4, 5). Nataon’i Satana ho toa manintona ny fihinanana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nandroso hevitra toy izao izy, raha ny marina: ‘Tsy avelan’Andriamanitra hahazo zavatra tsara ianareo. Hano fotsiny ny voan’ilay hazo, dia ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, ka ho afaka hanapaka samirery ny amin’izay atao hoe tsara sy ratsy.’ Mbola mampiasa io fanjohian-kevitra io ihany i Satana ankehitriny, mba hisakanana olona maro tsy hanompo an’Andriamanitra. ‘Ataovy izay tianareo hatao’, hoy izy. ‘Aza raharahaina tsotra izao izay adidinareo amin’Ilay nanome anareo ny fiainana.’ — Apokalypsy 4:11.

6 Tampoka teo, dia nanjary zavatra nampilendalenda, nanintona be, ny voan’ilay hazo! Nioty ilay voankazo i Eva, ka nihinana, ary nanome ny vadiny avy eo. Nahafantatra tsara ny ho vokatr’izany i Adama, kanefa nihaino ny feom-badiny ka nihinana ilay voankazo. Inona no vokany? Nilaza izao fanamelohana izao tamin-dravehivavy i Jehovah: “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” Ary tamin-dralehilahy? “Voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” Izao i Adama sy i Eva dia navela hitady samirery fahasambarana sy fahafaham-po. Hahomby ve ny fiezahan’ny olombelona hanana fiainana mahafa-po tsy araka ny nikasan’Andriamanitra azy? Tsy ilay asa nahafinaritra tamin’ny fikarakarana ilay saha Paradisa sy ny fanitarana azy io hatrany amin’ny faran’ny tany intsony no nataon’izy ireo, fa asa mafy sy dridralava mba hahavelomana fotsiny, ka tsy nanome voninahitra ny Mpamorona azy. — Genesisy 3:6-19.

7 Tamin’ny andro nihinanan’ilay mpivady olombelona voalohany ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia maty teo imason’Andriamanitra izy ireo, ka nihanikororosy fahana ho amin’ny fahafatesany. Inona no nitranga rehefa maty izy ireo tamin’ny farany? Ny Baiboly dia manampy antsika hahatakatra ny hoe manao ahoana ny maty. “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.” (Mpitoriteny 9:5; Salamo 146:4). Tsy misy izany “fanahy” tsy mety maty izany, aorian’ny fahafatesana. Fahafatesana no sazin’ny ota, fa tsy fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra. Ankoatra izany, dia tsy mitarika ho amin’ny fiainan-tsambatra mandrakizay any an-danitra ny fahafatesana. *

8 Ny lasitra iray misy pepo, dia tsy hanome afa-tsy mofo misy marika na pepo. Tsy nisy hafa tamin’izany ilay lehilahy sy ilay vehivavy nanjary tsy lavorary izao: Tsy afaka ny hiteraka afa-tsy zanaka tsy lavorary izy ireo. Hazavain’ny Baiboly toy izao izany: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Koa teraka tao anatin’ny ota àry isika rehetra, ka nanjary zava-poana. Nanjary dridralava sy mahakivy ny fiainan’ny taranak’i Adama. Kanefa, misy fanantenana ve?

^ feh. 7 Hahita tsipiriany mahaliana momba ny maty ianao, ao amin’ilay bokikely hoe Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.