Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Ny Loharanon’ilay Boky Tsy Manam-paharoa

Ny Loharanon’ilay Boky Tsy Manam-paharoa

NA DIA 96 isan-jato eo ho eo amin’ny Amerikanina aza no milaza ho mino an’Andriamanitra, dia vitsy lavitra noho izany no milaza ho mino an’Andriamanitra any Eoropa sy Azia. Any amin’ny tany sasany, dia tsy mino ny fisian’Andriamanitra velona iray ny ankamaroan’ny olona. Na any aza anefa, dia misy olona maro manaiky ilay hevitra hoe misy hery tsy fantatra iray nampisy izao rehetra izao hitan’ny maso. Nanoratra toy izao indray mandeha ilay mpanabe japoney fanta-daza atao hoe Yukichi Fukuzawa, izay hita eo amin’ny vola taratasy 10 000 yen ny sariny: “Voalaza fa tsy mamorona ny olona iray ho ambony na ambany noho ny olon-kafa iray ny lanitra.” Tamin’ilay teny hoe “lanitra”, i Fukuzawa dia niresaka ny amin’ny lalàna iray mifehy ny natiora sady nampisy ny olombelona, araka ny fiheverany. Olona maro no manaiky ilay hevitra ny amin’izany “lanitra” tsy manana ny maha izy azy izany, toa an’i Kenichi Fukui, izay nahazo ny loka Nobel. Nilaza ho mino ny fisian’ny rafitra lehibe iray eo amin’izao rehetra izao ny tenany, dia rafitra mifanitsy amin’ilay hoe “Andriamanitra” amin’ny voambolana ara-pivavahana, saingy nantsoiny hoe ny “lafin-javatra mampiavaka ny natiora” izy io.

Havia: Yukichi Fukuzawa; Havanana: Kenichi Fukui

2 Nino ireny avara-pianarana ireny fa nisy zavatra na olona maharitra mandrakizay nampandeha ny zava-drehetra eo amin’izao rehetra izao. Nahoana? Diniho izao: Kintana lehibe dia lehibe ny masoandro, hany ka omby planeta toy ny tanintsika miisa iray tapitrisa, kanefa teboka bitika kely fotsiny ao anatin’ny vahindanitra Voie lactée ny masoandro. Ny Voie lactée kosa dia iray monja amin’ireo vahindanitra an’arivo tapitrisany maro eo amin’izao rehetra izao. Ny fandinihana ataon’ireo mpahay siansa dia toa manondro fa mihamifanalavitra haingana dia haingana ireo vahindanitra ireo. Tsy maintsy ho nisy hery goavana nampandeha izao rehetra izao. Iza na inona no loharanon’izany hery izany? “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny?”, hoy ny fanontanian’ny Baiboly. “Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” (Isaia 40:25, 26). Asehon’io andinin-teny io fa nisy olona nampandeha izao rehetra izao, dia ilay Loharanon’ny ‘fahatanjahana lehibe’.

Sombrero Galaxy

3 Hevero koa ny fiainana eto an-tany. Moa ve ny fiainana tonga ho azy, araka ny filazan’ireo evolisionista? Hoy ilay biosimista atao hoe Michael Behe: “Nanao fandrosoana goavana ny siansa, ka nanjary nahatakatra ny fomba fiasan’ireo singa simika ao amin’ny zavamananaina; kanefa nandamòka ny fiezahan’ny siansa hanazava ny niandohan’ny rafitra tsotra sady be kojakojan’ny molekiolan’ny zavamananaina. (...) Mpahay siansa maro no nanizingizina fa efa manana fanazavana izy ireo, na hanana izany na ho ela na ho haingana, kanefa tsy misy porofo manohana izany fanizingizinana izany ao amin’ny boky nosoratan’ny mpahay siansa matihanina. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia misy antony mahery — miorina amin’ny firafitry ny [molekiolan’ny zavamananaina] mihitsy — mahatonga hihevitra fa ho saro-takarina mandrakizay ny fanazavan’i Darwin momba ny fiainana.”

“Ny fivalonan’ny proteinina iray (...) dia azo oharina amin’ny sary piozila mivohitra toa azo tsapain-tanana”, hoy i Michael Behe. Mety hisy ana hetsiny maro amin’ny proteinina toy izany anefa ao amin’ny vatan’olombelona. Eo am-piezahana hamantatra ny momba azy ireny ny mpahay siansa, nefa iza no nanao azy ireny?

4 Tena mahafa-po anao ve ilay teoria hoe nisy ho azy ny olombelona, fa tsy nisy saina kinga nampisy azy? Andeha isika handinika ilay “zavatra be kojakojany indrindra eo amin’izao rehetra izao”, araka ny fiheveran’ny olona sasany, dia ny atidohan’olombelona, ary hanao fanatsoahan-kevitra isika. “Ny zava-bitan’ny ordinatera faran’izay matanjaka indrindra momba ny selan-kozatra, dia tsinontsinona”, hoy ny Dr. Richard M. Restak, “raha oharina amin’ny zavatra hain’ny lalitra, izay tokotokony ho avo iray alina heny noho izany.” Ambony lavitra noho ny an’ny lalitra ny atidohan’olombelona. Toy ny milina voafahana hianatra fiteny izy io. Mahay manamboatra samirery izay simba ao aminy izy io, mamorona programa indray, ary manatsara ny fahaizany. Tsy isalasalana fa hanaiky ianao hoe na dia ny ordinatera faran’izay matanjaka aza, dia nataon’olona kinga saina, kanefa ‘tsinontsinona ny zavatra hain’ny ordinatera, raha oharina amin’ny an’ny lalitra, izay tokotokony ho avo iray alina heny noho izany’. Ahoana kosa ny amin’ny atidohan’olombelona? *

5 Tokotokony ho 3 000 taona lasa izay, tamin’ny fotoana mbola tsy nahatakaran-dRaolombelona tsara ireo zava-mahagaga momba ny firafitry ny vatany, dia nisaintsaina momba ny fomba nanaovana ny vatan’olombelona ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, ka nilaza hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” Tsy nahafantatra ny molekiolan’ny ADN akory izy, kanefa nanoratra hoe: “Ny masonao efa nahita [ny fanjary tsaikako, NW ]; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny [tapany rehetra aminy, NW ]”. (Salamo 139:14, 16). Iza no tiany holazaina? Iza no nampisy ny zava-drehetra eo amin’izao rehetra izao tamin’ny “haben’ny fahatanjahany”?

Iza no mahay zavatra kokoa: Ny ordinatera faran’izay matanjaka indrindra momba ny selan-kozatra, sa ny lalitra tsotra iray?

6 Hoy ny andininy voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Izy koa no Loharanon’ny Baiboly, Ilay nanome tsindrimandry an’ireo nanoratra ny zavatra raketiny. Mampahafantatra ny tenany ho Andriamanitra azontsika ifandraisana tsara izy.

^ feh. 4 Hahaliana anao ny hamaky tsipiriany fanampiny ao amin’ny toko faha-2 ka hatramin’ny faha-4 amin’ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.