Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 6

Nahoana i Jehovah no Namorona Antsika?

Nahoana i Jehovah no Namorona Antsika?

Nandinika ilay fanontaniana mahakasika ny hevitry ny fiainana i Solomona Mpanjaka

HIDIKA ho inona ho anao ny fahazoana fahalalana an’i Jehovah? Ankoatra ny zavatra hafa, dia ho hitanao ny valin’ilay fanontaniana saro-baliana amin’ny olona an’arivo tapitrisany maro hoe: ‘Nahoana aho no eto an-tany?’ Mety ho efa nanontany tena toy izany ianao indraindray. Nandinika an’io fanontaniana mahakasika ny hevitry ny fiainana io ny mpanjaka hendry iray, izay ‘nanan-karena indrindra noho ny mpanjaka rehetra’ tamin’ny androny. (2 Tantara 9:22; Mpitoriteny 2:1-13). Nanana fahefana lehibe sy harem-be ary fahendrena tsy nisy toy izany io mpanjaka io, izay tsy iza fa i Solomona. Inona no vokatry ny fandinihany? “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13). Koa satria mihoatra noho ny an’ny ankamaroan’ny olona ny zavatra nananan’i Solomona, dia mendrika ny hodinihintsika ny fanatsoahan-keviny, fara faharatsiny. — Mpitoriteny 2:12.

2 Tsy hoe tahotra mampihorohoro, toy ny tahotra hery ara-panahy tsy fantatra, akory, ilay fahatahorana an’Andriamanitra noresahin’i Solomona. Tahotra mahasoa kosa izy io, tahotra sao tsy mampifaly olona iray tiana tokoa. Raha tena tianao tokoa ny olona iray, dia azo antoka fa irinao ny hampifaly an’io olona io amin’ny fotoana rehetra sy ny tsy hanao zavatra mety hahasosotra azy. Toy izany koa no ho tsapanao momba an’i Jehovah, rehefa manjary tia azy ianao.

3 Afaka mahafantatra momba izay tian’ny Mpamorona antsika sy izay tsy tiany, ary koa ny fikasany tamin’ny namoronany ny tany, ianao, rehefa mamaky ny Baiboly. Lazalazain’ny Baiboly ho ilay “namorona ny tany sy nahavita azy” i Jehovah, ary lazainy koa fa izy no “nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana”. (Isaia 45:18). Nomanin’i Jehovah ny tany mba honenan’ny olombelona, izay tokony hikarakara ny tany sy ny zavaboary rehetra eo aminy. (Genesisy 1:28). Izany ihany anefa ve no fikasan’i Jehovah tamin’ny namoronany ny olombelona, dia ny hikarakara ny tany?

Nanana fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva

4 Tsia, fa nanana fikasana ambony kokoa izy. Nanana fifandraisana tsara tamin’i Jehovah i Adama, ilay olombelona voalohany. Afaka nifampiresaka nivantana tamin’ny Mpamorona i Adama. Sady afaka nihaino izay nolazain’Andriamanitra taminy izy, no afaka naneho ny heviny tamin’i Jehovah. (Genesisy 1:28-30; 3:8-13, 16-19; Asan’ny Apostoly 17:26-28). Noho izany, dia nanana fahafahana lehibe hahalala tsara kokoa an’i Jehovah sy hanana fifandraisana akaiky kokoa taminy, i Adama sy i Eva vadiny. Ho nanjary nahafa-po ny fiainan’izy ireo, noho izy nahalala an’i Jehovah sy nanahaka azy, satria “Andriamanitra sambatra” izy. (1 Timoty 1:11, NW). Ilay Andriamanitra “Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika” i Jehovah, ka nametraka ny olombelona voalohany tao amin’ny paradisa iray, nantsoina hoe saha Edena, ary nanome azy fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. — 1 Timoty 6:17; Genesisy 2:8, 9, 16, 17.

Inona no asehon’ny vokatry ny fandinihana vao haingana momba ny selan’olombelona?

5 Mandrakizay hoe? Mety hilaza ianao fa hadalana ny fieritreretana izany hoe hiaina mandrakizay izany, kanefa izany tokoa ve? Inoan’ny mpahay siansa fa takany ankehitriny ny mahatonga ny sela hihantitra. Mihafohy ny telômera, ireo tendron’ny krômôzôma, isaky ny mizarazara ny sela. Rehefa avy nizara in-50 ka hatramin’ny in-100 ny sela, dia tsy afa-miasa intsony ny telômera, ka mitsahatra tsy mizara intsony ny ankamaroan’ny sela. Asehon’ny vokatry ny fandinihana ara-tsiansa vao haingana anefa fa, raha ampiana anzima antsoina hoe telômerazy ny selan’olombelona, dia afaka mitohy tsy an-kijanona ny fizarany. Tsy midika akory io vokatry ny fandinihana io hoe ataon’i Jehovah ho afaka hiaina mandrakizay amin’ny alalan’io anzima manokana io ny olombelona. Manondro zavatra iray kosa anefa izy io: Tsy hadalana ny fieritreretana izany hoe hiaina mandrakizay izany!

6 Eny, azo inoana ilay fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny hoe noforonina hiaina mandrakizay ny mpivady olombelona voalohany. Tokony ho nampitombo ny fifandraisany tamin’i Jehovah ho mandrakizay ny olombelona. Tokony ho namboly fifandraisana mafy tamin’ilay Rainy any an-danitra izy ireo, noho ny nahatakarany tsara ny fikasan’ilay Rainy ho an’ny olombelona eto an-tany, sy ny nanatanterahany izany. Tsy tokony ho dridralava ny fiainan’izy ireo. Nanana ny fahatsinjovana mahatalanjona hameno ny tany tamin’ny taranaka sambatra sy lavorary, i Adama sy i Eva. Ho nanana asa nahafa-po sy nisy zava-kendrena izy ireo, dia asa hataony mandrakizay. Ho tena fiainana nahafa-po tokoa izany! — Genesisy 1:28.