Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sasin-teny

Sasin-teny

Diniho izao zavatra mifanohitra izao: Ao amin’ny tany mandroso iray, dia maherin’ny 90 isan-jaton’ny olona no mihevi-tena ho tena sambatra na mahatsapa fahasambarana ihany. Ny telo ampahafolon’ny fanafody ampiasaina be indrindra ao amin’io tany io anefa dia omen’ny dokotera ho an’ny olona tratran’ny fahaketrahana. Ao amin’io tany io ihany, dia 91 isan-jaton’ny olona no mihevitra fa mahafa-po ny fiainam-pianakaviany. Efa ho ny antsasaky ny fanambadiana any anefa no miafara amin’ny fisarahana!

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny olona any amin’ny tany 18, izay efa ho ny antsasaky ny mponina eran-tany. Raha ny marina, dia tondroin’ilay fanadihadiana fa “toa miely patrana manerana ny ankamaroan’ireo firenena ny fiheverana fa manjombona ny hoavy”. Miharihary àry fa olona maro no tsy manana fiainana mahafa-po tanteraka. Ahoana ny aminao? Nomanina mba hanampiana anao hanana fiainana tena hahafa-po, ity bokikely ity.