TOKO 2
Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly
1, 2. Nahoana ny Baiboly no fanomezana tena tsara?
EFA nomen’ny namanao fanomezana ve ianao? Tsy andrinao erỳ angamba izay nahitana ny tao anatiny. Faly be koa ianao sady nisaotra azy, satria mba nahatsiaro anao izy.
2 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Milaza zavatra tsy hitantsika na aiza na aiza izy io, ohatra hoe Andriamanitra no nanao ny lanitra, ny tany, ary ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Raha manana olana isika, dia misy toro lalana manampy antsika ao. Lazainy ao koa fa tian’Andriamanitra hatao tsara be ny tany. Fanomezana tena tsara ny Baiboly!
3. Inona no ho tsapanao rehefa mianatra Baiboly ianao?
3 Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia ho tsapanao fa tian’Andriamanitra ho namany ianao. Vao mainka ianareo ho lasa mpinamana, rehefa mianatra momba azy foana ianao.
4. Inona no hitanao hoe mampiavaka ny Baiboly?
4 Misy amin’ny fiteny 2 600 eo ho eo izao ny Baiboly, ary an’arivony tapitrisa no natao pirinty. Manana Baiboly amin’ny fiteniny àry ny ankamaroan’ny olona eran-tany. Olona iray tapitrisa mahery koa isan-kerinandro no mahazo Baiboly. Tsy misy boky mitovy amin’izany mihitsy.
5. Nahoana no “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly?
5 “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” 2 Timoty 3:16.) Mety hisy hilaza hoe: ‘Olona ange no nanoratra ny Baiboly e! Koa maninona ilay izy no lazaina fa avy amin’Andriamanitra?’ Hoy anefa ny 2 Petera 1:21: ‘Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ Eritrereto hoe te hanoratra taratasy ny rangahy iray efa antitra, ary ny zanany no asainy manoratra azy. Taratasiny àry ilay izy fa tsy an’ilay zanany. Avy amin’Andriamanitra koa ny Baiboly fa tsy avy amin’ireo olona nasainy nanoratra azy. Nomeny fanahy masina izy ireo, mba ho fantany izay tokony hosoratana. “Tenin’Andriamanitra” tokoa ny Baiboly!—1 Tesalonianina 2:13; jereo ny Fanamarihana 2.
ny Baiboly. (Vakio nyMARINA IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
6, 7. Nahoana isika no milaza fa mifanaraka tsara ny zavatra lazain’ny Baiboly?
6 Efa 1 600 taona mahery vao vita ny Baiboly. Tsy mitovy ny fotoana niainan’ny olona nanoratra azy. Ny sasany koa nahita fianarana fa ny sasany tsy hoatr’izany. Dokotera, ohatra, ny iray fa nisy indray tantsaha, mpanjono, mpiandry ondry, mpaminany, mpitsara, ary mpanjaka. Mifanaraka tsara ny ao anatiny na dia samy hafa aza ny mpanoratra azy. Tsy hoe miteny zavatra iray izy ao amin’ny toko iray, dia mifanohitra amin’izay ny any amin’ny toko hafa. *
7 Hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no nahatonga ny zava-dratsy teto an-tany. Resahin’ny boky farany kosa fa hesorin’Andriamanitra ireny zava-dratsy ireny, ka hataony paradisa ny tany. Mitantara ny zava-nitranga teto an-tany nandritra ny 4 000 taona teo ho eo ny Baiboly, ary hita amin’ireny hoe tanteraka foana ny fikasan’Andriamanitra.
8. Milazà ohatra ahitana hoe marina ny Baiboly, amin’ny resaka fahasalamana na zavatra hafa.
8 Marina foana izay resahin’ny Baiboly, ary misy zavatra lazain’izy io aza tsy fantatry ny olona raha tsy ela be tatỳ aoriana. Amin’ny resaka fahasalamana, ohatra, dia efa nolazain’Andriamanitra tamin’ny Israelita ao amin’ny Levitikosy izay tokony hatao mba tsy hampifindra ny aretina. Tamin’izany anefa mbola tsy nisy nahafantatra hoe ny mikraoba no mahatonga ny aretina. Efa nolazain’ny Baiboly koa fa mitsingevana eny amin’ny habakabaka Joba 26:7) Ny Baiboly koa efa niteny hoe boribory ny tany, nefa ny olona tamin’izany nilaza fa fisaka izy io. Avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly!—Isaia 40:22.
ny tany, ary marina izany. (9. Tsy mandainga mihitsy ny mpanoratra ny Baiboly. Inona no hita avy amin’izany?
9 Marina tsara koa ny tantara ao amin’ny Baiboly. Tsy hoatr’izany ny boky sasany momba ny tantara, satria tsy milaza ny marina rehetra ny mpanoratra azy ireny. Tsy tantarainy, ohatra, rehefa niady ny fireneny ka resy. Ny mpanoratra Baiboly kosa nitantara ny marina foana, na dia rehefa resy aza ny Israelita. Nosoratany koa ny zavatra tsy nety nataony. Tantarain’i Mosesy ao amin’ny Nomery, ohatra, hoe nanao fahadisoana be izy ka nosazin’Andriamanitra. (Nomery 20:2-12) Tsy nandainga mihitsy ny mpanoratra Baiboly ka hita hoe tena avy amin’Andriamanitra izy io. Tsy atahorana hisy diso àry ao.
TENA TSARA NY TOROHEVITRA AO
10. Nahoana ny torohevitry ny Baiboly no mahasoa?
10 “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly, “ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16) Mahasoa antsika tokoa ny torohevitra omen’i Jehovah ao amin’ny Baiboly satria izy no nanao antsika. Fantany ny ao an-tsaintsika sy ny any am-pontsika. Izy aza mbola mahafantatra antsika kokoa noho isika. Izy no mahalala an’izay mahasoa antsika sy izay tsy mety amintsika. Tiany ho sambatra koa isika.
11, 12. a) Inona ny torohevitra nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 5-7? b) Inona koa no hitantsika ao amin’ny Baiboly?
11 Misy torohevitra tsara nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Lazainy ao, ohatra, hoe inona no hatao raha te ho sambatra na te hifandray tsara amin’ny olona, ary ahoana no hatao rehefa hivavaka. Nampianariny koa fa tsy tokony ho tia vola loatra isika. Efa tamin’ny 2 000 taona lasa i Jesosy no niteny an’ireo, nefa mbola mahasoa antsika foana izany.
12 Inona koa no hitantsika ao amin’ny Baiboly? Misy toro lalana maro avy amin’i Jehovah koa ao. Mahasoa ny olona rehetra izy ireny, ary azo ampiharina foana na aiza na aiza. Mahatonga antsika hifandray tsara amin’ny havantsika sy ny olon-kafa ireny toro lalana ireny, ary mampirisika antsika hanao tsara ny asantsika. Manampy antsika amin’ny olana rehetra mahazo antsika koa izy ireny.—Vakio ny Isaia 48:17; jereo ny Fanamarihana 3.
TANTERAKA FOANA NY FAMINANIAN’NY BAIBOLY
13. Ahoana no haharesy an’i Babylona, araka ny tenin’i Isaia?
13 Betsaka ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka. Nilaza mialoha, ohatra, i Isaia hoe hisy hanafika i Babylona ary ho resy. (Isaia 13:19) Nohazavainy tsara hoe ahoana no haharesy an’io tanàna io. Nisy renirano sy vavahady be niaro an’i Babylona, nefa nilaza i Isaia fa ho ritra ilay renirano ary tsy hikatona ilay vavahady. Tsy voatery hiady akory ny miaramila fa tonga dia handresy. Nolazain’i Isaia aza hoe Kyrosy no anaran’ilay handresy an’i Babylona.—Vakio ny Isaia 44:27–45:2; jereo ny Fanamarihana 4.
14, 15. Tanteraka ve ilay faminanian’i Isaia? Tantarao.
14 Nisy miaramila nanafika an’i Babylona tokoa, 200 taona taorian’ny nanoratana an’ilay faminaniana. Iza no nitarika azy ireo? Marina ilay faminaniana
satria i Kyrosy mpanjakan’i Persa ilay izy. Haharesy an’i Babylona tokoa ve anefa ny miaramilan’i Kyrosy?15 Andro alina no nanafika ireo miaramila. Nanao fety ny Babylonianina tamin’izay, ary tsy natahotra mihitsy satria nisy manda be sy renirano nanodidina an’ilay tanàna. Ry Kyrosy anefa tao ivelany efa nangady tatatra
mba hampihena an’ilay rano. Afaka niampita àry izy ireo. Ary ahoana no nidiran’izy ireo tao Babylona, satria nisy manda be niaro azy? Nivoha ny vavahadin’ilay tanàna, ka tsy niady akory ny miaramila.16. a) Inona no nolazain’ny Isaia 13:20 momba an’i Babylona? b) Tanteraka ve izany? Hazavao.
16 Nilaza mialoha i Isaia fa “tsy honenana intsony” i Babylona. (Isaia 13:20) Izany tokoa no nitranga. Tsy misy olona mipetraka intsony any izao. Tanàna ravarava sisa no eo amin’ilay toerana nisy an’i Babylona, any atsimon’i Bagdad, any Irak. Toy ny hoe nofafan’i Jehovah tamin’ny “kifafa fandringanana” i Babylona.—Isaia 14:22, 23. *
17. Nahoana no azo antoka fa ho tanteraka daholo ny fampanantenan’Andriamanitra?
17 Be dia be ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka, Nomery 23:19.) Manantena tokoa isika fa hisy ny “fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be.”—Titosy 1:2. *
ka azo antoka fa ho tanteraka daholo izay lazainy. Matoky isika fa hotanterahin’i Jehovah ny fampanantenany hoe hataony paradisa ny tany. (Vakio nyAFAKA MANOVA ANAO NY BAIBOLY
18. Inona no nolazain’i Paoly momba “ny tenin’Andriamanitra”?
18 Hitantsika tato fa boky tena miavaka ny Baiboly. Marina foana ny zavatra lazainy na tantarainy, sady tsy misy mifanohitra. Misy torohevitra tsara koa ao ary misy faminaniana be dia be efa tanteraka. Tsy izay ihany anefa. Hoy ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” Inona no dikan’izany?—Vakio ny Hebreo 4:12.
19, 20. a) Manampy anao hanao inona ny Baiboly? b) Inona no tian’Andriamanitra hataonao?
19 Afaka manova anao ny Baiboly. Manampy anao hahafantatra tsara ny tenanao izy io, izany hoe izay tena ao an-tsainao sy ao am-ponao. Mety hieritreritra, ohatra, ianao hoe tia an’Andriamanitra. Raha tena tia azy anefa ianao, dia hampihatra an’izay lazain’ny Baiboly.
20 Tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Tiany hamaky sy hianatra Baiboly isika ary ho tia azy io. Tokony ho faly isika fa nahazo an’io fanomezana io. Ianaro foana àry ny Baiboly dia ho fantatrao tsara izay tian’Andriamanitra hatao ho an’ny olombelona. Hianatra an’izany isika ao amin’ny toko manaraka.
^ feh. 6 Misy milaza hoe tsy mifanaraka ny zavatra lazain’ny Baiboly, nefa tsy marina izany. Jereo ny toko 7 amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 16 Manazava kokoa momba ny faminanian’ny Baiboly ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, pejy 27-29, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 17 Be dia be ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka, fa tsy hoe ilay momba an’i Babylona ihany. Manazava ny faminaniana momba an’i Jesosy Kristy ny Fanamarihana 5.