Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 6

Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?

Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?

“Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny  zava-drehetra.”—1 KORINTIANINA 10:31.

1, 2. Inona no safidy ananantsika momba ny fialam-boly?

ALAO sary an-tsaina hoe hihinana paoma masaka tsara ianao. Hitanao anefa fa hay misy lo ilay izy! Inona no hataonao? Hohaninao ihany ve ilay paoma manontolo miaraka amin’ilay lo? Sa harianao izy manontolo? Sa kosa hesorinao ilay lo, dia hohaninao izay tsara?

2 Toa an’io voankazo io ny fialam-boly. Te hiala voly ianao indraindray, nefa hitanao fa tsy mendrika ny fialam-boly maro ankehitriny, na toy ny misy lo mihitsy. Inona àry no hataonao? Tsy mampaninona ny olona sasany ny zava-dratsy, ka ataony daholo ny fialam-boly eto amin’ity tontolo ity. Ny hafa kosa tsy miala voly mihitsy mba ho azony antoka fa tsy ho sendra fialam-boly tsy mahasoa izy. Misy indray miala voly tsindraindray, fa mitandrina mba tsy hanao fialam-boly tsy mahasoa. Ary ianao? Inona no safidy tokony hataonao mba hahatonga anao ho tian’Andriamanitra foana?

3. Inona no hodinihintsika izao?

3 Azo antoka fa ilay fahatelo no hofidin’ny ankamaroantsika. Ekentsika fa ilaina ny miala voly, nefa tsy te hanao afa-tsy fialam-boly mendrika isika. Tokony ho haintsika àry ny manavaka ny fialam-boly mahasoa sy ny tsy mahasoa. Andao aloha hodinihintsika ny vokatry ny fialam-boly eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah.

“ATAOVY HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA NY ZAVA-DREHETRA”

4. Fialam-boly manao ahoana no tokony hofidintsika, raha efa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika?

4 Hoy ny Vavolombelona zokiolona iray vita batisa tamin’ny 1946: “Ataoko izay hanatrehana ny lahatenin’ny batisa rehetra. Mihaino tsara aho amin’izay, ka toy ny hoe izaho mihitsy no hatao batisa.” Nahoana? Hoy izy: “Tena manampy ahy tsy hivadika ny fitadidiana tsara fa nanokan-tena ho an’i Jehovah aho.” Azo inoana fa ekenao izany. Vonona hiaritra koa ianao, rehefa mitadidy fa efa nampanantena an’i Jehovah hoe hanompo azy mandritra ny androm-piainanao. (Vakio ny Mpitoriteny 5:4.) Rehefa saintsaininao izany, dia hisy vokany eo amin’ny fiheveranao ny fanompoana sy ny zavatra hafa rehetra, anisan’izany ny fialam-boly. Nanamafy izany toy izao ny apostoly Paoly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”1 Korintianina 10:31.

5. Inona no fampitandremana hitantsika rehefa mampitaha ny Romanina 12:1 sy ny Levitikosy 22:18-20 isika?

5 Mifandray amin’ny fanompoanao an’i Jehovah izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainana. Tian’i Paoly hotadidin’ny mpiray finoana taminy tany Roma izany, ka nampirisika azy ireo izy hoe: ‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’ (Romanina 12:1) Anisan’ny tenanao ny sainao sy ny fonao ary ny herinao. Mampiasa azy ireo ianao mba hanompoana an’Andriamanitra. (Marka 12:30) Nantsoin’i Paoly hoe “sorona” izany fanompoana izany, ary misy fampitandremana ho antsika ao amin’io teny io. Nolavin’Andriamanitra mantsy ny sorona nisy kilema, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Levitikosy 22:18-20) Holaviny koa ny fanompoana ataon’ny Kristianina iray raha voaloto. Ahoana no mety hitrangan’izany?

6, 7. Inona no mety hahatonga ny Kristianina handoto ny tenany? Inona no mety ho vokany?

6 Nananatra ny Kristianina tany Roma i Paoly hoe: ‘Aza manolotra ny tenanareo ho amin’ny ota.’ Nilazany koa izy ireo mba ‘hamono ny asan’ny tena.’ (Romanina 6:12-14; 8:13, Fandikan-teny Protestanta) Nitanisa sasany amin’izany “asan’ny tena” izany izy talohan’izay. Hoy izy momba ny olona mpanota: ‘Feno ozona ny vavany.’ “Ny tongony [mailaka] handatsa-dra.” “Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony.” (Romanina 3:13-18, Prot.) Toy ny hoe misy kilema àry ny tenan’ny Kristianina iray raha hanaovany an’ireo zava-dratsy ireo ny ‘tenany’, na ny rantsambatany. Raha minia mijery zavatra mamoafady toy ny sary vetaveta, ohatra, izy na minia mijery herisetra mahatsiravina, dia ‘manolotra [ny masony] ho amin’ny ota’, ka mandoto ny tenany manontolo. Tsy eken’Andriamanitra ny fanompoany satria toy ny sorona tsy masina intsony. (Deoteronomia 15:21; 1 Petera 1:14-16; 2 Petera 3:11) Tena voa mafy izy satria nifidy fialam-boly tsy mahasoa!

7 Misy vokany lehibe tokoa ny fialam-boly fidin’ny Kristianina. Azo antoka àry fa fialam-boly manatsara ny sorona atolotsika ho an’Andriamanitra no tiantsika, fa tsy fialam-boly mandoto azy io. Hodinihintsika izao ny fomba hamantarana ny fialam-boly mahasoa sy ny tsy mahasoa.

“ANKAHALAO NY RATSY”

8, 9. a) Azo sokajina ho inona avy ny fialam-boly? b) Fialam-boly toy inona no tsy tokony hataontsika, ary nahoana?

8 Azo sokajina ho roa ny fialam-boly: Ireo tena tsy tokony hataon’ny Kristianina, ary ireo mety ho azony ekena satria miankina amin’ny tsirairay. Hodinihintsika aloha ny momba an’ireo fialam-boly tena tsy tokony hataon’ny Kristianina.

9 Hitantsika tao amin’ny Toko 1 fa misy fialam-boly manasongadina fanao voarara mazava tsara ao amin’ny Baiboly, toy ny habibiana, fifandraisana amin’ny demonia, sary vetaveta, ary fitondran-tena maloto sy maharikoriko. Ahitana an’izany ao amin’ny Internet, filma, tele, ary hira sy mozika. Fialam-boly tsy mendrika ireny! Aseho ao amin’izy ireny hoe tsy ratsy ny fanao mifanohitra amin’ny toro lalana sy ny lalàn’ny Baiboly. Tsy tokony hanao fialam-boly toy izany ny tena Kristianina. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 1 Korintianina 6:9, 10; Apokalypsy 21:8) Raha tsy manao an’ireny ianao, dia asehonao amin’i Jehovah fa tena ‘halanao ny ratsy’ ka ‘ialanao’ foana. Manana “finoana tsy mihatsaravelatsihy” koa ianao amin’izay.—Romanina 12:9; Salamo 34:14; 1 Timoty 1:5.

10. Inona no toe-tsaina mety hampidi-doza, ary nahoana?

10 Misy anefa mihevitra fa tsy mampaninona na misy fitondran-tena maloto aza ny filma na fandaharana jereny amin’ny tele. Mieritreritra izy hoe: ‘Mijery fotsiny aho fa tsy hanao an’izany mihitsy!’ Mamitaka sy mampidi-doza izany toe-tsaina izany. (Vakio ny Jeremia 17:9.) Tena ‘mankahala ny ratsy’ ve isika raha zavatra raran’i Jehovah no mampiala voly antsika? Ho donto ny feon’ny fieritreretantsika raha zavatra ratsy no jerentsika na vakintsika na henointsika matetika. (Salamo 119:70; 1 Timoty 4:1, 2) Mety hanao an’ilay izy isika amin’ny farany, na hanjary tsy hampaninona antsika ny mahita ny hafa manao ratsy.

11. Inona no manaporofo fa marina ny voalazan’ny Galatianina 6:7, raha ny fialam-boly no resahina?

11 Tena efa nitranga izany. Nisy Kristianina nanjary naloto fitondran-tena satria zatra nijery zava-dratsy rehefa niala voly. Efa voa izy vao nahatsapa fa “izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Azo sorohina anefa izany loza izany. Ho faly ianao hijinja zava-tsoa, raha mitandrina ka zavatra tsara foana no afafinao ao an-tsainao.—Jereo ilay efajoro hoe “ Inona no Fialam-boly Tokony Hofidiko?

ARAHO NY TORO LALAN’NY BAIBOLY REHEFA HANAPA-KEVITRA

12. Ahoana no hampiharana ny Galatianina 6:5 amin’ny fialam-boly? Inona no afaka mitari-dalana antsika rehefa hanapa-kevitra isika?

12 Hodinihintsika indray izao ny momba ny fialam-boly tsy voalaza mazava ao amin’ny Baiboly hoe mety na tsy mety. Anjaran’ny Kristianina tsirairay amin’izay ny mamaritra hoe fialam-boly mahasoa ilay izy, sa tsia. (Vakio ny Galatianina 6:5.) Afaka mitari-dalana antsika anefa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra isika. Manampy antsika hahalala ny fomba fihevitr’i Jehovah izy ireny. Raha mandinika an’ireny toro lalana ireny isika, dia ho afaka hamantatra ny “sitrapon’i Jehovah” amin’ny zava-drehetra, anisan’izany ny fialam-boly.—Efesianina 5:17.

13. Inona no hanampy antsika tsy hanao fialam-boly mety tsy hankasitrahan’i Jehovah?

13 Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fahaizan’ny Kristianina manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Filipianina 1:9) Samy manana ny fialam-boly tiany koa ny tsirairay. Tsy tokony hanantena àry isika hoe hitovy tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Kristianina rehetra. Raha avelantsika hamolavola ny fo sy ny saintsika anefa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly, dia vao mainka isika ho tapa-kevitra hoe tsy hanao fialam-boly tsy ankasitrahan’i Jehovah mihitsy.—Salamo 119:11, 129; 1 Petera 2:16.

14. a) Inona no tokony hodinihintsika rehefa hifidy fialam-boly? b) Inona no azontsika atao mba ho loha laharana foana ny asan’ilay Fanjakana?

14 Misy zava-dehibe hafa tokony hodinihina rehefa hifidy fialam-boly. Tsy inona izany fa ny fotoana. Ny karazana fialam-boly ataonao no ahitana izay heverinao ho mendrika, fa ny habetsahan’ny fotoana laninao amin’izany kosa no ahitana izay zava-dehibe aminao. Mazava ho azy fa izay rehetra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amin’ny Kristianina. (Vakio ny Matio 6:33.) Inona àry no azonao atao mba ho loha laharana foana ny asan’ilay Fanjakana? Hoy i Paoly: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana.” (Efesianina 5:15, 16) Inona àry no ho vokany raha feranao tsara ny fotoana ialanao voly? Hanana fotoana hanaovana ny “zava-dehibe kokoa” ianao, izany hoe zavatra manatanjaka ny finoanao.—Filipianina 1:10.

15. Ahoana no ataon’ny Kristianina malina rehefa hifidy fialam-boly, ary nahoana?

15 Tokony ho malina koa ny Kristianina rehefa hifidy fialam-boly. Diniho indray ilay ohatra momba ny paoma. Rehefa manala an’ilay lo ianao, dia tsy ilay faritra misy lo ihany no hesorinao fa izay manakaiky azy io koa, mba tsy hisy lo ho voatelinao. Toy izany koa fa tsy ny fialam-boly mandika an-karihary ny toro lalan’ny Baiboly ihany no tsy ataon’ny Kristianina, fa ny fialam-boly mampiahiahy koa, na izay mety hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah. (Ohabolana 4:25-27) Ho vitanao izany raha manaraka akaiky izay lazain’ny Baiboly ianao.

HEVERO FOANA IZAY “MADIO”

Voaro isika raha manaraka ny toro lalan’i Jehovah rehefa miala voly

16. a) Ahoana no hampisehoantsika fa manahaka ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fitondran-tena isika? b) Inona no hanampy antsika ho zatra mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

16 Ny fomba fihevitr’i Jehovah no eritreretin’ny tena Kristianina voalohany indrindra, rehefa hifidy fialam-boly izy. Hita ao amin’ny Baiboly ny fomba fiheviny sy ny fitsipiny. Nitanisa zavatra halan’i Jehovah, ohatra, i Solomona Mpanjaka. Anisan’izany “ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy.” (Ohabolana 6:16-19) Ahoana àry no hanahafanao ny fomba fihevitr’i Jehovah? Hoy ny mpanao salamo: “Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy.” (Salamo 97:10) Tokony ho hita amin’ny fialam-boly fidinao fa tena halanao izay halan’i Jehovah. (Galatianina 5:19-21) Tadidio koa fa izay ataonao ao amin’ny takona no tena ahitana ny maha izy anao, fa tsy izay ataonao ampahibemaso ihany. (Salamo 11:4; 16:8) Hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana àry ianao rehefa hanao safidy, raha tena te hanahaka ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fitondran-tena eo amin’ny fiainanao manontolo. Ho lasa fahazaranao mihitsy izany.—2 Korintianina 3:18.

17. Inona avy no fanontaniana tsara hoeritreretina alohan’ny hifidianana fialam-boly?

17 Inona koa no azonao atao mba ho azo antoka fa hanaraka ny fomba fihevitr’i Jehovah ianao rehefa hifidy fialam-boly? Saintsaino izao: ‘Inona no ho vokatr’izany eo amiko sy eo amin’ny fifandraisako amin’Andriamanitra?’ Raha misy filma tianao hojerena, ohatra, dia eritrereto aloha hoe: ‘Hanao ahoana ny feon’ny fieritreretako rehefa avy mijery azy io aho?’ Andao hojerentsika ny toro lalana momba izany.

18, 19. a) Ahoana no hampiharana ny Filipianina 4:8 mba hamantarana raha mahasoa ny fialam-bolintsika, na tsia? b) Inona koa no toro lalana manampy anao hifidy fialam-boly mahasoa? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

18 Misy toro lalana lehibe iray ao amin’ny Filipianina 4:8 hoe: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.” Marina fa tsy fialam-boly no resahin’i Paoly eo fa ny zavatra saintsainina ao am-po, izay tokony hampifaly an’Andriamanitra foana. (Salamo 19:14) Azo ampiharina amin’ny fialam-boly anefa io tenin’i Paoly io. Ahoana izany?

19 Eritrereto izao: ‘Hahatonga ny saiko ho feno zavatra “madio” ve ny filma, na lalao video, na hira sy mozika, na fialam-boly hafa fidiko?’ Sary inona, ohatra, no miraikitra ao an-tsainao rehefa avy nijery filma ianao? Raha sary tsara sy madio ary mahafinaritra izany, dia fantatrao fa fialam-boly mahasoa ilay izy. Fialam-boly ratsy kosa ilay izy raha mahatonga anao hieritreritra zavatra maloto. Mety hisy vokany ratsy mihitsy aza izany. (Matio 12:33; Marka 7:20-23) Lasa tsy milamin-tsaina mantsy ianao rehefa mieritreritra zavatra maloto. Manjary donto koa ny feon’ny fieritreretanao voavolavolan’ny Baiboly, ary mety ho simba ny fifandraisanao amin’i Jehovah. (Efesianina 5:5; 1 Timoty 1:5, 19) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny tsy hanao fialam-boly toy izany. * (Romanina 12:2) Tahafo ilay mpanao salamo izay nivavaka tamin’i Jehovah hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.”—Salamo 119:37.

TADIAVO IZAY HAHASOA NY HAFA

20, 21. Ahoana no hampiharana ny 1 Korintianina 10:23, 24 rehefa hifidy fialam-boly mahasoa?

20 Mila arahina izao toro lalana lehibe nolazain’i Paoly izao, rehefa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra: “Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mampahery. Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:23, 24) Ahoana no hampiharana izany? Eritrereto izao alohan’ny hifidiananao fialam-boly: ‘Inona no ho vokatr’ilay izy eo amin’ny hafa?’

21 Mety hisy fialam-boly hitanao hoe “azo atao”, ary tsy mampaninona ny feon’ny fieritreretanao. Fantatrao anefa hoe misy Kristianina mihevitra azy io ho ratsy, satria hentitra kokoa ny feon’ny fieritreretany. Azo inoana àry fa tsy hanao an’ilay izy ianao. Tsy te ‘hanota amin’ny rahalahinao’ mantsy ianao, na ‘hanota amin’i Kristy’ mihitsy, araka ny tenin’i Paoly. Izany no hitranga raha noho ny ataonao, dia lasa sarotra kokoa amin’ny rahalahinao ny tsy hivadika amin’Andriamanitra. Arahinao kosa ity torohevitra ity: “Aza manao izay hahatafintohina.” (1 Korintianina 8:12; 10:32) Mankatò an’izany ny tena Kristianina ka tsy manao fialam-boly tsy “mampahery” ny hafa, na dia “azo atao” aza ilay izy.—Romanina 14:1; 15:1.

22. Nahoana ny Kristianina no mamela ny hafa hanana ny heviny, rehefa misy safidy miankina amin’ny tsirairay?

22 Afaka mitady izay hahasoa ny hafa koa anefa ny Kristianina manana feon’ny fieritreretana hentitra kokoa. Tsy izay heveriny hoe fialam-boly tsara no tereny hoe tsy maintsy eken’ny rehetra. Raha manao izany izy, dia ho toy ny olona mandeha eny amin’ny arabe, ary tereny hanaraka ny hafainganam-pandehany ny olona rehetra. Tsy rariny izany. Ahoana àry no tokony hataon’ny olona manana feon’ny fieritreretana hentitra kokoa? Mety tsy hifanipaka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny hevitr’ireo mpiray finoana aminy momba ny fialam-boly, saingy tsy mitovy amin’ny azy fotsiny. Tia azy ireo anefa izy ka tokony hanaja azy. “Ho fantatry ny rehetra” amin’izay “fa mahay mandanjalanja” izy.—Filipianina 4:5; Mpitoriteny 7:16.

23. Ahoana no hahazoanao antoka fa fialam-boly mahasoa no fidinao?

23 Raha fintinina àry, ahoana no hahazoanao antoka fa fialam-boly mahasoa no fidinao? Aza manao fialam-boly mampiseho zavatra voarara mazava tsara ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe misy fitondran-tena maloto sy mamoafady. Raha tsy resahina mivantana ao kosa ilay izy, dia araho ny toro lalan’ny Baiboly. Aza manao fialam-boly mety hahatonga anao henjehin’ny eritreritrao. Mahaiza mandefitra, rehefa misy fialam-boly mety hanafintohina ny hafa, indrindra fa ny mpiray finoana. Enga anie ianao ho tapa-kevitra ny hanao izany, ka hanome voninahitra an’Andriamanitra! Ho tiany foana ianao sy ny ankohonanao amin’izay.

^ feh. 19 Misy toro lalana azo ampiharina amin’ny fialam-boly koa ao amin’ny Ohabolana 3:31; 13:20; Efesianina 5:3, 4; ary Kolosianina 3:5, 8, 20.