Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 3

Tiavo ny Olona Tian’Andriamanitra

Tiavo ny Olona Tian’Andriamanitra

“Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—OHABOLANA 13:20.

1-3. a) Inona no zavatra tsy azo lavina voalazan’ny Baiboly? b) Ahoana no hahazoana namana mampirisika antsika hanao ny tsara?

MITROKA an’izay ranon-javatra manodidina azy ny spaonjy. Toy izany koa ny olona. Manahaka an’izay mifandray akaiky aminy izy, na tsy fanahy iniany aza. Mety hotahafiny daholo na ny toe-tsainy, na ny fitsipika arahiny, na ny toetrany.

2 Tsy azo lavina àry ny voalazan’ny Ohabolana 13:20 hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Tsy olona mihaona tsindraindray no resahina eo fa olona mifanerasera foana, raha jerena ilay teny hoe “miaraka.” Manazava ny boky iray momba ny Baiboly fa midika hoe “tia sy miraiki-po” izy io. Tsy ekenao ve fa mora manahaka ny olona tiantsika isika? Miraiki-po aminy isika, ka mety hisy heriny be eo amintsika izy ary hitarika antsika hanao ny tsara na ny ratsy.

3 Tena mila mitady namana mampirisika antsika hanao ny tsara àry isika, raha tiantsika ny ho tian’Andriamanitra foana. Ahoana no hahazoana namana toy izany? Raha tsorina, dia ny olona tian’Andriamanitra no tokony ho tiantsika, ary ny namany no hataontsika namana. Azontsika atao namana ireo manana toetra tian’i Jehovah hananan’ny namany, satria ny olona toy izany no namana tsara indrindra. Hodinihintsika àry hoe olona manao ahoana no tian’Andriamanitra. Hahay hifidy namana kokoa isika, rehefa mazava amintsika ny fomba fiheviny.

IZA NO TIAN’ANDRIAMANITRA?

4. Nahoana no rariny raha mifidy tsara ny namany i Jehovah? Nahoana i Abrahama no nantsoin’i Jehovah hoe “namako”?

4 Mifidy tsara ny namany i Jehovah, ary zony izany. Izy mantsy no Tompo Fara Tampony, ary tsy misy voninahitra lehibe noho ny hoe namany. Iza àry no fidin’i Jehovah ho namany? Mifandray akaiky amin’ny olona matoky azy sy mino azy tanteraka izy. Eritrereto i Abrahama. Nanana finoana tena niavaka izy. Nasain’i Jehovah nanao sorona ny zanany izy, ary izany angamba no fitsapam-pinoana mafy indrindra ho an’ny raim-pianakaviana iray! * “Tonga hatramin’ny fanolorana an’i Isaka” anefa i Abrahama, satria nino tanteraka fa ‘hain’Andriamanitra na dia ny manangana azy amin’ny maty aza.’ (Hebreo 11:17-19) Tena tian’i Jehovah i Abrahama ka nantsoiny hoe “namako”, noho izy nino sy nankatò azy.—Isaia 41:8; Jakoba 2:21-23.

5. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona mankatò azy sy tsy mivadika aminy?

5 Zava-dehibe amin’i Jehovah ny hoe mankatò foana. Tiany ny olona rehefa tsy mivadika aminy na inona na inona mitranga. (Vakio ny 2 Samoela 22:26.) Hitantsika tao amin’ny Toko 1 fa tena faly izy rehefa misy olona mifidy ny hankatò azy noho ny fitiavana. Hoy ny Ohabolana 3:32: ‘Ny olo-mahitsy no manana fifandraisana akaiky aminy.’ Tsara fanahy amin’izay olona tsy mivadika aminy sy manao izay takiny i Jehovah, ka manasa azy hivahiny ao ‘an-tranolainy.’ Midika izany fa avelany hanompo azy izy ireo, ary avelany hivavaka aminy na rahoviana na rahoviana.—Salamo 15:1-5.

6. Ahoana no hampisehoantsika fa tia an’i Jesosy isika? Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona tia ny Zanany?

6 Tian’i Jehovah koa izay tia an’i Jesosy, Zanany lahitokana. Hoy i Jesosy: “Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ary ho tia azy ny Raiko, ary hankany aminy izahay ka hiara-mipetraka aminy.” (Jaona 14:23) Ahoana àry no hampisehoantsika fa tia an’i Jesosy isika? Tia azy isika raha mitandrina ny didiny, anisan’izany ny hoe mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. (Matio 28:19, 20; Jaona 14:15, 21) Tia azy koa isika raha ‘manaraka akaiky ny diany’, izany hoe manahaka azy amin’ny teny sy ny atao, araka izay vitantsika olombelona tsy lavorary. (1 Petera 2:21) Faly i Jehovah rehefa misy olona tia an’i Kristy ka manahaka azy.

7. Nahoana no hendry isika raha ny naman’i Jehovah no ataontsika namana?

7 Tian’i Jehovah àry ny namany raha manam-pinoana, tsy mivadika, mankatò, ary tia an’i Jesosy sy ny fomba fiainany. Mila mieritreritra isika hoe: ‘Manana an’ireo toetra ireo ve ny olona mifandray akaiky amiko? Ny naman’i Jehovah ve no ataoko namana?’ Hendry isika raha manao izany. Misy vokany tsara eo amintsika mantsy ny fiarahana amin’ny olona miezaka hanana toetra tsara sy mazoto mitory. Manampy antsika izany mba hanatanteraka ny faniriantsika hampifaly an’Andriamanitra.—Jereo ilay efajoro hoe “ Iza no Namana Tsara?

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY

8. Inona no hitanao hoe tena mahavariana amin’ny fifandraisan’i a) Naomy sy Rota? b) ireo Hebreo telo lahy? ary d) Paoly sy Timoty?

8 Tantarain’ny Baiboly fa nandray soa ny olona maro satria nifidy namana tsara. Azonao vakina, ohatra, ny tantaran’i Naomy sy Rota vinantovaviny, ny an’ireo Hebreo telo lahy izay tsy nifankafoy tany Babylona, ary ny an’i Paoly sy Timoty. (Rota 1:16; Daniela 3:17, 18; 1 Korintianina 4:17; Filipianina 2:20-22) Tena miavaka anefa ny tantaran’i Davida sy Jonatana, ary izany no hodinihintsika izao.

9, 10. Inona no tena nahatonga an’i Davida sy Jonatana ho mpinamana?

9 Milaza ny Baiboly fa “nanjary niraiki-po be tamin’i Davida i Jonatana, ka tia azy toy ny tenany mihitsy”, rehefa avy namono an’i Goliata i Davida. (1 Samoela 18:1) Lasa mpinamana tsy nifankafoy izy ireo, na dia nisy elanelany be aza ny taonany. Mpinamana foana izy ireo mandra-pahafatin’i Jonatana tany an’ady. * (2 Samoela 1:26) Inona no nahatonga azy ireo ho mpinamana be?

10 Lasa mpinamana be i Davida sy Jonatana, satria samy tia an’Andriamanitra sy tsy te hivadika aminy mihitsy. Tian’i Davida ny toetran’i Jonatana, ary nahafinaritra an’i Jonatana koa ny toetran’i Davida. Tsy natahotra niaro ny anaran’i Jehovah io tovolahy io, ka azo antoka fa nahavariana an’i Jonatana ny herim-pony sy ny hafanam-pony. Azo antoka koa fa nohajain’i Davida io zokiolona io. Nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah foana mantsy i Jonatana, ary niahy izay hahasoa an’i Davida alohan’izay hahasoa ny tenany. Kivy be, ohatra, i Davida indray mandeha. Tsy maintsy niafina tany an-tany efitra izy satria tezitra taminy i Saoly mpanjaka ratsy fanahy, izany hoe ny rain’i Jonatana. Nanao zavatra i Jonatana tamin’izay mba hanaporofoana fa tsy mivadika izy. “Nankany amin’i Davida” izy “mba hanamafy ny fatokisan’i Davida an’Andriamanitra.” (1 Samoela 23:16) Azo antoka fa nanohina ny fon’i Davida ny nahita an’ilay namana tsy foiny tonga nampahery azy! *

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Davida sy Jonatana?

11 Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Davida sy Jonatana? Hitantsika fa tokony ho samy tia an’i Jehovah ny mpinamana, ary izay no zava-dehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra mety hitovizany. Tsara rehefa mitovy ny zavatra inoan’ny mpinamana sy ny fitsipika arahiny, ary samy tsy te hivadika amin’Andriamanitra izy ireo. Afaka mifampahery mantsy izy ireo, rehefa mifanakalo hevitra sy mifamboraka fihetseham-po ary mifampitantara vaovao. (Vakio ny Romanina 1:11, 12.) Misy namana toy izany eo anivon’ny fiangonana. Tsy voatery ho namana tsara daholo anefa izay rehetra tonga mivory.

FIDIO IZAY HIFANDRAISANAO AKAIKY

12, 13. a) Nahoana isika no tsy maintsy mifidy tsara ny namantsika, na dia eo anivon’ny Kristianina aza? b) Inona no olana nisy teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no fampitandreman’i Paoly?

12 Mila mifidy tsara isika, na eo anivon’ny fiangonana aza, raha te hahazo namana mampirisika antsika hanao ny tsara. Tsy mahagaga izany. Elaela mantsy ny Kristianina sasany vao matotra, toy ny voankazo tsy miara-masaka na dia samy eo amin’ny hazo iray aza. Tsy mitovy àry ny fahamatoran’ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana, na aiza io na aiza. (Hebreo 5:12–6:3) Maneho fitiavana sy manam-paharetana amin’ireo vaovao sy malemy finoana kokoa anefa isika, satria te hanampy azy hihamatotra.—Romanina 14:1; 15:1.

13 Mila mitandrina amin’ny olona ifaneraserantsika eo anivon’ny fiangonana isika indraindray. Mety hisy hanao zavatra mampiahiahy mantsy, na hanakiana, na ho be taraina. Efa nisy olana toy izany teo anivon’ireo fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nivadika ny ankamaroany, nefa nisy ihany tsy nitondra tena tsara. Nisy tsy nankatò ny fampianarana sasany, ohatra, teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. Nampitandrina àry ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:12, 33) Nampitandrina an’i Timoty koa izy fa mety hisy Kristianina hanao zavatra tsy mety. Nilazany àry izy mba tsy hifandray akaiky amin’ny olona toy izany.—Vakio ny 2 Timoty 2:20-22.

14. Ahoana no azo ampiharana ny toro lalana nomen’i Paoly momba ny namana?

14 Ahoana no azo ampiharana ny toro lalana nomen’i Paoly? Tsy tokony hinamana amin’ny olona mety hitarika antsika hanao ratsy isika, na anisan’ny fiangonana izy na tsia. (2 Tesalonianina 3:6, 7, 14) Tsy maintsy miaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika. Tadidio fa manahaka ny fanaon’ny namantsika sy ny toe-tsainy isika, toy ny spaonjy mitroka ny ranon-javatra manodidina azy. Tsy ho feno rano madio mihitsy ilay spaonjy, raha atao ao anaty rano maloto. Tsy afaka manantena ny handray soa koa àry isika, raha naman-dratsy no iarahantsika.—1 Korintianina 5:6.

Afaka mahita namana tsara ianao eo anivon’ny fiangonana

15. Inona no azonao atao mba hahazoana namana tia an’i Jehovah, eo anivon’ny fiangonana?

15 Soa ihany fa be dia be namana tsara eo anivon’ny fiangonana. (Salamo 133:1) Ahoana àry no hahitana namana tena tia an’i Jehovah? Ianao mihitsy aloha no tokony hiezaka hanana ny toetra tian’i Jehovah, amin’izay ny olona manao toy izany te hinamana aminao. Mila manao zavatra hafa koa anefa ianao. (Jereo ilay efajoro hoe “ Ahoana no Nahazoanay Namana Tsara?”) Jereo izay olona manana ny toetra tianao hananana. Araho ilay torohevitry ny Baiboly hoe ‘halalaho ny fo’, ka miezaha hinamana amin’ny mpiara-manompo, na inona na inona firazanany, na fireneny, na kolontsainy. (2 Korintianina 6:13; vakio ny 1 Petera 2:17.) Tsy mety raha izay mitovitovy taona aminao ihany no iarahanao. Tadidio fa zokin’i Davida aman-taonany i Jonatana. Maro koa ny zokiolona azo atao namana, ka afaka mampita ny zavatra hainy sy ny fahendreny.

AHOANA NO HATAO REHEFA MISY OLANA?

16, 17. Nahoana isika no tsy tokony hiala amin’ny fiangonana, raha misy manao zavatra mampalahelo antsika?

16 Mety hisy olana indraindray, satria samy hafa be ny toetra sy ny zavatra niainan’ny olona eo anivon’ny fiangonana. Mety hampalahelo anao ny zavatra ataon’ny mpiray finoana na lazainy. (Ohabolana 12:18) Vao mainka mitombo ny olana indraindray noho ny toetra tsy mitovy, hevitra tsy mifankahazo, ary ny fomba fihevitra samy hafa. Ho tafintohina àry ve isika ka hiala amin’ny fiangonana, raha misy ny olana toy izany? Tsy hanao izany isika raha tena tia an’i Jehovah sy ny olona tiany.

17 Mpamorona sy Mpamelona antsika i Jehovah, ka mendrika ny hotiavintsika sy hotompointsika amin’ny fo manontolo. (Apokalypsy 4:11) Mampiasa ny fiangonana koa izy, ka tsy tokony hivadika amin’izy io isika fa hanohana azy io foana. (Hebreo 13:17) Ahoana àry raha misy manao zavatra mampalahelo antsika, na mandiso fanantenana antsika? Tsy hiala amin’ny fiangonana isika mba hampisehoana hoe tezitra. Tsy i Jehovah ange no nanafintohina antsika e! Tsy mahafoy azy sy ny vahoakany mihitsy isika, satria tena tia azy!—Vakio ny Salamo 119:165.

18. a) Inona no azontsika atao mba hitandroana ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana? b) Inona avy no soa horaisintsika raha mamela heloka isika?

18 Mitandro ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana isika, satria tia ny mpiray finoana amintsika. Tsy antenain’i Jehovah ho lavorary ny olona tiany, ary tsy tokony hanantena an’izany koa isika. Manampy antsika ny fitiavana mba hanadino ny fahadisoana kely vitan’ny hafa, ary hitadidy fa tsy lavorary isika rehetra ka manao fahadisoana. (Ohabolana 17:9; 1 Petera 4:8) Manampy antsika ‘hifamela heloka tanteraka’ foana koa ny fitiavana. (Kolosianina 3:13) Sarotra anefa ny manao an’izany indraindray. Mety ho tezitra, ohatra, isika dia mitana lolompo, satria mieritreritra isika hoe izay no fomba hanasaziana an’ilay nanao ratsy antsika. Isika anefa no hijaly raha mitana lolompo. Handray soa maro kosa isika raha mamela heloka. (Lioka 17:3, 4) Ho tony ny fo sy ny saintsika, tsy ho simba ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana, ary ny tena zava-dehibe, dia ho voaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.—Matio 6:14, 15; Romanina 14:19.

OLONA TSY TOKONY HIFANDRAISANA INTSONY

19. Iza no tsy tokony hifandraisantsika intsony?

19 Tsy avela hifandray intsony amin’ny olona sasany isika indraindray. Voaroaka angamba izy satria nandika ny lalàn’i Jehovah nefa tsy nibebaka. Na nanda ny finoana izy ka nampiely fampianaran-diso, na niala an-tsitrapo fa tsy te ho anisan’ny fiangonana intsony. Milaza mazava tsara ny Baiboly fa tsy tokony ‘hifanerasera intsony’ amin’ny olona toy izany isika. * (Vakio ny 1 Korintianina 5:11-13; 2 Jaona 9-11) Mety ho sarotra be amintsika izany raha namantsika ilay olona, na havantsika. Ho hentitra ve anefa isika, ka hampiseho fa zava-dehibe indrindra amintsika ny tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny lalàny? Tadidio fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny hoe tsy mivadika sy ny hoe mankatò.

20, 21. a) Nahoana ny fandroahana no porofon’ny fitiavana? b) Nahoana no tena ilaina ny mifidy tsara ny namana?

20 I Jehovah no nilaza fa tokony horoahina ny mpanota tsy mibebaka, ary porofon’ny fitiavana ilay izy. Hita amin’izany mantsy fa tia an’i Jehovah isika ary manaja ny anarany sy ny fitsipiny. (1 Petera 1:15, 16) Miaro ny fiangonana koa ny fandroahana. Voaro amin’ny fitaoman-dratsin’izay minia manota mantsy ireo tsy mivadika. Afaka manohy ny fanompoany izy ireo, satria matoky fa ny fiangonana no fialofana azo antoka eto amin’ity tontolo ratsy ity. (1 Korintianina 5:7; Hebreo 12:15, 16) Fitiavana an’ilay nanao ratsy koa no anomezana azy sazy hentitra toy izany. Mety ho izay fotsiny no ilainy dia ho tonga saina izy ka hiezaka hiverina amin’i Jehovah.—Hebreo 12:11.

21 Tena ilaina àry ny mifidy tsara ny namana, satria misy heriny eo amintsika sy mamolavola antsika ny olona ifandraisantsika akaiky. Hanana ny namana tsara indrindra isika, raha ny naman’i Jehovah no ataontsika namana, ary ny olona tiany no tiantsika. Hanahaka azy ireny isika, ka hanampy antsika hampifaly an’i Jehovah foana izany.

^ feh. 4 Nasain’i Jehovah nanao an’izany i Abrahama, satria tiany haseho fa hanao sorona ny Zanany lahitokana koa izy. (Jaona 3:16) Nosakanany tsy hamono an’i Isaka anefa i Abrahama, ary nomeny ondry hatao solony.—Genesisy 22:1, 2, 9-13.

^ feh. 9 “Mbola zaza”, na ankizilahy i Davida, tamin’izy nahafaty an’i Goliata, ary 30 taona teo ho eo izy tamin’i Jonatana maty. (1 Samoela 17:33; 31:2; 2 Samoela 5:4) Enimpolo taona teo ho eo i Jonatana, tamin’izy maty. Zokin’i Davida 30 taona teo ho eo àry izy.

^ feh. 10 Misy fomba dimy nampaherezan’i Jonatana an’i Davida ao amin’ny 1 Samoela 23:17: 1) Nilaza taminy izy mba tsy hatahotra. 2) Nanome toky izy fa tsy hahomby ny tetik’i Saoly. 3) Nampahatsiahy izy fa ho lasa mpanjaka i Davida, araka ny nampanantenain’i Jehovah. 4) Nampanantena izy fa tsy hivadika aminy. 5) Nilaza izy fa na i Saoly aza nahalala hoe tsy hivadika amin’i Davida izy.

^ feh. 19 Misy fanazavana bebe kokoa momba ny hoe ahoana no hatao amin’ny voaroaka sy ireo niala an-tsitrapo, ao amin’ny Fanazavana Fanampiny, “Ahoana no Atao Rehefa Misy Voaroaka?