Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho anareo tia an’i Jehovah,

“Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo”, hoy i Jesosy. (Jaona 8:32) Tsy mampahery tokoa ve izany hoe afaka mahalala ny marina izany? Miely be mantsy ny lainga amin’izao “andro farany” misy fotoan-tsarotra izao. (2 Timoty 3:1) Tsaroanao ve tamin’ianao vao niaiky hoe nahita ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Faly be ianao tamin’izay!

Ilaina tokoa ny mahalala tsara ny marina sy miresaka momba azy io amin’ny olona foana. Tena ilaina koa anefa ny mampihatra ny fahamarinana eo amin’ny fiainantsika. Mila miezaka ny ho tian’Andriamanitra foana isika, mba hahavitana izany. Ahoana izany? Nanazava an’izany i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany. Hoy izy tamin’ny apostoliny tsy nivadika: “Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany.”—Jaona 15:10.

Mariho fa tsy niala tamin’ny fitiavan’Andriamanitra i Jesosy, izany hoe tian’Andriamanitra foana, satria nitandrina ny didiny. Mila mampihatra ny fahamarinana isan’andro koa isika, mba ho tian’Andriamanitra foana. Hoy koa i Jesosy tamin’io alina io: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.”—Jaona 13:17.

Antenainay àry fa hanampy anao hampihatra ny fahamarinana foana ity boky ity. Hitoetra “ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra” ianao amin’izay, sady “mitsinjo ny fiainana mandrakizay.”—Joda 21.

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah