Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niharihary tamin’ny fivoriambe iray niavaka tamin’ny 1919, fa afaka avy tao amin’i Babylona Lehibe ihany ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny farany

EFAJORO 9B

Fa Maninona no hoe 1919?

Fa Maninona no hoe 1919?

Nahoana isika no milaza hoe tamin’ny 1919 ny vahoakan’Andriamanitra no nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe? Manaporofo an’izany ny faminaniana maromaro ao amin’ny Baiboly sy ny zava-nitranga teo amin’ny tantara.

Asehon’ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-nitranga teo amin’ny tantara fa nanomboka nanjaka i Jesosy tamin’ny 1914. Nanomboka teo ny andro farany ary kely sisa dia ho foana ny tontolon’i Satana. Inona no nataon’i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka izy? Tonga ve dia nafahany avy tao amin’i Babylona Lehibe ny mpanompony? Tamin’ny 1914 koa ve izy no nanendry ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” sy nanomboka an’ilay asa fijinjana lehibe?​—Mat. 24:45.

Tsy izany no nitranga. Tadidio fa nilaza ny apostoly Petera hoe ny “ankohonan’Andriamanitra” no hotsaraina voalohany. (1 Pet. 4:17) Nilaza koa i Malakia mpaminany hoe ho tonga ao amin’ny tempoliny i Jehovah, dia hiaraka aminy “ilay iraky ny fifanekena”, izany hoe ny Zanany. (Mal. 3:1-5) Hoatran’ny hoe hodiovina ny mpanompon’i Jehovah amin’izay ary hiatrika fitsapana. Tanteraka ve io faminaniana io, raha ny tantara no jerena?

Izany mihitsy! Nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny fiandohan’ny 1919, dia hoatran’ny hoe nodiovina ny Mpianatra ny Baiboly (anarana niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany). Niatrika fitsapana mafy koa ry zareo. Betsaka no diso fanantenana tamin’ny 1914 satria nieritreritra hoe ho tonga amin’io taona io ny faran’izao tontolo izao. Vao mainka kivy ry zareo rehefa maty i Charles Russell tamin’ny 1916. Izy mantsy no nitarika ny vahoakan’i Jehovah tamin’izany, ary tena nazoto izy. Niraiki-po be loatra tamin’i Russell ny mpiara-manompo sasany, dia nanakantsakana ny asan’i Joseph Rutherford, izay nitarika ny vahoakan’i Jehovah taorian’i Russell. Lasa nisaratsaraka ry zareo, dia efa saika nizara roa mihitsy ny fandaminana tamin’ny 1917. Noho ny nataon’ny mpitondra fivavahana koa, dia niakatra fitsarana i Rutherford sy ny rahalahy fito hafa tamin’ny 1918, ka voaheloka tsy ara-drariny dia nogadraina. Nakatona koa ny foibe tany Brooklyn. Mazava àry fa mbola tsy afaka tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izay.

Nitsimbadika haingana be anefa ny tantara tamin’ny 1919! Nafahana mantsy ry Rutherford sy ny namany tamin’ny voalohandohan’io taona io ary tonga dia niverina niasa. Vao nafahana kelikely ry zareo, dia nandamina fivoriambe miavaka ary niomana hamoaka an’ilay gazety vaovao hoe Fotoam-pahasambarana (Mifohaza! amin’izao). Natao hampiasaina rehefa mitory io gazety io. Nisy mpiandraikitra koa notendrena isaky ny fiangonana mba handamina ny asa fitoriana sy hampirisika ny rahalahy sy anabavy hitory. Ankoatra an’izay, dia navoaka tamin’io taona io ilay hoe Gazety (anglisy, Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana amin’izao). Natao handaminana ny asa fitoriana izy io.

Voaporofo tamin’izay hoe nafahan’i Kristy avy tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakany, ary efa nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izy. Efa nanomboka koa ny asa fijinjana. Nandroso be ny asan’ny vahoakan’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1919!