Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

EFAJORO 10D

Afaka Manampy Antsika Hijoro Amin’ny Tongotsika i Jehovah

Afaka Manampy Antsika Hijoro Amin’ny Tongotsika i Jehovah

MISY hevitra mampahery azontsika saintsainina ao amin’ilay fahitana miavaka resahin’ny Ezekiela 37:1-14. Mety hahakasika ny fiainantsika ilay izy.

Tototry ny olana sy ny fitsapana isika indraindray, dia vizana tanteraka ka tsy manana hery hiadiana intsony. Hahazo hery anefa isika raha misaintsaina ny zavatra hitan’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana momba an’ireo taolana maina lasa velona indray. Nahoana? Ianarantsika avy amin’izy io fa tena mahery i Jehovah ka na taolam-paty aza vitany ny mamelona azy. Dia tsy ho vitany ve ny hanome anao hery mba hiatrehana ny olana mahazo anao, na dia hoatran’ny hoe tsy ho voavaha mihitsy aza ilay izy raha ny fijerin’ny olombelona?​—Vakio ny Salamo 18:29; Fil. 4:13.

Nilaza i Mosesy mpaminany, taonjato maro talohan’ny andron’i Ezekiela, fa tsy hoe manana hery hanampiana ny vahoakany fotsiny i Jehovah, fa tena te hanao an’izany koa. Izao no nosoratany: “Fialofana hatramin’ny taloha ela be Andriamanitra, ary hanohana anao ny sandriny maharitra mandrakizay.” (Deot. 33:27) Raha miantehitra amin’i Jehovah àry ianao rehefa miatrika ny mafy, dia tena afaka matoky fa hotohanany amin’ny sandriny ianao ka hareniny moramora ary hampiany mba ho tafajoro indray. ​—Ezek. 37:10.