Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

EFAJORO 14A

Lesona avy Amin’ilay Fahitan’i Ezekiela Momba ny Tempoly

Lesona avy Amin’ilay Fahitan’i Ezekiela Momba ny Tempoly

Nasandratra sy narovana ny fivavahana madio

Nasandratra ho eo “an-tampon’ny tendrombohitra iray tena avo be” (1) ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Ataontsika amin’ny toerana ambony koa ve ny fivavahana madio, ka izy io no ataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika?

Nisy faritra midadasika be (3) teo anelanelan’ilay tempoly sy ilay manda nanodidina ny faritra nisy azy (2). Mampahatsiahy antsika izany hoe tsy misy tokony havelantsika handoto ny fanompoantsika an’i Jehovah mihitsy. Na ny toerana ‘azon’ny vahoaka naleha’ aza nosarahina tamin’ny faritra masina, na dia tsy nisy zavatra ratsy natao aza tao, tsy mainka ve fa ny zavatra maloto? (Ezek. 42:20) Asehon’izany fa tena tokony hanalavitra ny fitondran-tena maloto ny mpanompon’i Jehovah amin’izao.

Fitahiana mandrakizay

Nisy rano nikoriana avy teo amin’ny toerana masina ary lasa renirano ilay izy avy eo, ka namelona an’ilay tany sy nahatonga azy io hamokatra be (4). Horesahina ao amin’ny Toko faha-19 ireo fitahiana ireo.

Fitsipika mitovy ho an’ny rehetra

Mampahatsiahy antsika ireo vavahady ivelany avo be (5) sy ireo vavahady anatiny avo be (9) fa ambony ny fitsipik’i Jehovah ho an’izay rehetra manaraka ny fivavahana madio. Mariho fa mitovy daholo ny haben’ireo vavahady sy ny paoziny. Mety tsara izany satria mitovy ny zavatra takin’i Jehovah amin’ny mpanompony rehetra, na inona na inona andraikiny.

Sakafo eo amin’ny latabatr’i Jehovah

Mampahatsiahy antsika ireo efitra fisakafoana (8) fa afaka niara-nihinana tamin’ny sorona sasany nentiny tao amin’ny tempoly ny vahoakan’i Jehovah taloha, ka hoatran’ny hoe niara-nisakafo tamin’i Jehovah. Tsy manao sorona hoatr’izany ny Kristianina ao amin’ilay tempoly ara-panahy satria efa nisy “sorona anankiray” natao “indray mandeha” tao. (Heb. 10:12) Manao “sorona fiderana” kosa isika amin’izao.​—Heb. 13:15.

Antoka avy amin’i Jehovah

Mety hahafanina ireo refy be dia be sy be tsipiriany ao amin’ilay fahitana. Manome antoka anefa izy ireny fa tsy maintsy ho tanteraka amin’ny an-tsipiriany ny fikasan’i Jehovah hoe hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Na tsy niteny koa aza i Ezekiela hoe nahita olombelona tao amin’ilay fahitana, dia noresahiny hoe nanome torohevitra hentitra ho an’ny mpisorona sy ny mpiadidy ary ny vahoaka i Jehovah. Midika izany fa tokony hanaraka ny fitsipik’i Jehovah ny mpanompony rehetra.