Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

EFAJORO 16B

Misento sy Mitaraina, Manisy Marika, Manapotipotika: Rahoviana Izany no Hitranga ary Amin’ny Fomba Ahoana?

Misento sy Mitaraina, Manisy Marika, Manapotipotika: Rahoviana Izany no Hitranga ary Amin’ny Fomba Ahoana?

Tanteraka amin’ny androntsika ilay fahitana resahin’ny Ezekiela toko faha-​9. Ho vonona hiatrika ny faran’izao tontolo izao isika, rehefa azontsika tsara izay lazain’izy io hoe hitranga amin’ny hoavy sy hoe ahoana no hitrangan’izany

“Misento sy mitaraina”

RAHOVIANA: Mandritra ny andro farany, alohan’ny fahoriana lehibe

AMIN’NY FOMBA AHOANA: Mampiseho amin’izay ataony sy lazainy ny olona tso-po hoe mankahala ny zava-dratsy ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Manaiky ny hafatra torina aminy ry zareo, miezaka hanana ny toetran’i Kristy foana, manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa, ary manohana foana ny rahalahin’i Kristy

“Manisy marika”

RAHOVIANA: Mandritra ny fahoriana lehibe

AMIN’NY FOMBA AHOANA: Hitsara ny firenena rehetra ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra, izany hoe i Jesosy Kristy. Hambarany hoe ondry ny vahoaka be ka hoatran’ny hoe hasiany marika mba hahafantarana hoe ho tafavoaka velona amin’ny Aramagedona ry zareo

“Manapotipotika”

RAHOVIANA: Amin’ny Aramagedona

AMIN’NY FOMBA AHOANA: Hamotipotika tanteraka an’ity tontolo ratsy ity i Jesosy Kristy sy ny tafiny any an-danitra, izany hoe ny anjely sy ireo 144 000. Hovonjeny kosa izay manaraka ny fivavahana madio, dia hiaina ao amin’ny tontolo vaovao