Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

EFAJORO 10B

Ireo “Taolana Maina” sy Ireo ‘Vavolombelona Roa’: Inona no Ifandraisan’ireo Faminaniana Roa Ireo?

Ireo “Taolana Maina” sy Ireo ‘Vavolombelona Roa’: Inona no Ifandraisan’ireo Faminaniana Roa Ireo?

MIFANDRAY ny faminaniana momba ny “taolana maina” sy ny faminaniana momba an’ireo ‘vavolombelona roa’, ary samy tanteraka tamin’ny 1919. Miresaka fotoana lava be (naharitra taonjato maro) ilay faminaniana momba ny “taolana maina”, ary misy vahoakan’Andriamanitra be dia be ho velona indray rehefa mifarana izy io. (Ezek. 37:2-4; Apok. 11:1-3, 7-13) Fotoana fohifohy (tanteraka tamin’ny faramparan’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919) kosa no resahin’ilay faminaniana momba ny ‘vavolombelona roa’, ary misy mpanompon’i Jehovah vitsivitsy ho velona indray rehefa mifarana izy io. Samy miresaka ireo faminaniana ireo hoe hisy olona ho velona indray. Samy tanteraka tamin’ny 1919 izy roa rehefa nataon’i Jehovah “nijoro tamin’ny tongony” ny voahosotra, nafahany avy tao amin’i Babylona Lehibe, ary nampiany mba hanaraka ny fivavahana madio.​—Ezek. 37:10.

Misy zava-dehibe tsy mampitovy ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo anefa. Mahakasika ny sisa voahosotra rehetra ilay faminaniana momba ny “taolana maina”, fa ilay faminaniana momba ny ‘vavolombelona roa’ kosa mahakasika ny sasany amin-dry zareo, izany hoe ireo nitarika ny fandaminana sy notendrena ho anisan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”​—Mat. 24:45; Apok. 11:6. a

“Tany lemaka feno taolam-paty”—Ezek. 37:1

  1. TAORIAN’NY TAONA 100

    Nanomboka tamin’ny taona 100: Hoatran’ny hoe novonoina ny Kristianina voahosotra, ka lasa feno “taolam-paty” ilay “tany lemaka”

  2. VOALOHANDOHAN’NY 1919

    1919: Velona indray ireo “taolana maina” rehefa nafahan’i Jehovah avy tao amin’i Babylona Lehibe ny voahosotra rehetra ary nampiany mba hanaraka ny fivavahana madio

‘Vavolombelona roa’—Apok. 11:3

  1. FARAMPARAN’NY 1914

    ‘nitafy gony’ rehefa nitory

    1914: ‘Nitafy gony’ ireo ‘vavolombelona roa’ rehefa nitory nandritra ny telo taona sy tapany. Rehefa tapitra io fotoana io, dia hoatran’ny hoe novonoina ry zareo

  2. hoatran’ny hoe maty

  3. VOALOHANDOHAN’NY 1919

    1919: Velona indray ireo ‘vavolombelona roa’ rehefa notendrena ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ireo rahalahy voahosotra vitsivitsy nitarika ny fandaminana

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2016, “Fanontanian’ny Mpamaky.”