Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

EFAJORO 13A

Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa

Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa

Ilay tempoly hitan’i Ezekiela:

  • Nohazavain’i Ezekiela tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona

  • Be dia be ny sorona natao teo amin’ny alitara

  • Manasongadina ny fitsipika tian’i Jehovah harahin’izay manompo azy

  • Manasongadina hoe naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio nanomboka tamin’ny 1919

Ilay tempoly ara-panahy lehibe:

  • Nohazavain’i Paoly tamin’ny Kristianina Hebreo

  • Iray ihany ny sorona natao teo amin’ny alitara ary “indray mandeha fotsiny” (Heb. 10:10)

  • Manampy antsika hahazo hoe ny tranolay masina sy ireo tempoly teto an-tany dia mampiseho ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona hanaraka ny fivavahana madio, miorina amin’ny soron’i Kristy

  • Manasongadina ny zavatra nataon’i Kristy tamin’ny taona 29 ka hatramin’ny taona 33 amin’ny maha Mpisoronabe azy