Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

EFAJORO 7B

Teny Miverimberina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela

Teny Miverimberina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela

“Zanak’olona”

MIVERINA IN-90 MAHERY

In-90 mahery i Ezekiela no antsoina hoe “zanak’olona” ao amin’ny bokiny. (Ezek. 2:1) Niantso azy hoatr’izany i Jehovah satria te hampahatsiahy azy hoe olombelona ihany izy, na dia nahazo tombontsoa miavaka aza. Im-80 eo ho eo koa i Jesosy no antsoina hoe “Zanak’olona” ao amin’ny Filazantsara. (Mat. 8:20) Midika izany fa tsy hoe anjely nitafy vatan’olombelona fotsiny izy fa tena lasa olombelona mihitsy.

“Tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah”

MIVERINA IN-60 MAHERY

In-60 mahery i Ezekiela no namerina an’ilay tenin’i Jehovah hoe: “Tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah”, na ny mitovitovy amin’izany. (Ezek. 6:7) Asongadin’izany hoe i Jehovah irery ihany no mendrika hivavahana.

“Jehovah Tompo Fara Tampony”

MIVERINA IN-213

Miverina in-213 ilay hoe “Jehovah Tompo Fara Tampony” ao amin’ny bokin’i Ezekiela. (Ezek. 2:4) Hita amin’izany fa tena zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. Manamafy koa izany fa eo ambany fahefan’i Jehovah ny zavaboary rehetra.