Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA FAHATELO

‘Hangoniko Ianareo’: Nampanantena i Jehovah hoe Haveriny Amin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio

‘Hangoniko Ianareo’: Nampanantena i Jehovah hoe Haveriny Amin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio

EZEKIELA 20:41

HEVITRA HODINIHINA: Asehon’ny faminanian’i Ezekiela fa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio

Nisara-bazana ny firenen’Israely satria nivadi-pinoana. Nandoto ny fivavahana madio ry zareo sady nanala baraka ny anaran’Andriamanitra, dia nizaka ny vokatry ny nataony. Nahakivy ny zava-nisy! Tamin’izay mihitsy i Jehovah no naniraka an’i Ezekiela hilaza faminaniana maromaro manome fanantenana. Nampiasa sarin-teny sy fahitana miavaka izy tao amin’ireo faminaniana ireo mba hampaherezana ny Israelita tany an-tsesitany sy izay rehetra te hahita ny hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 8

‘Hanendry Mpiandry Iray Aho’

Nasain’Andriamanitra nilaza faminaniana efatra momba ny Mesia i Ezekiela. Ho Mpiandry sy Mpitondra io Mesia io, ary hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio.

TOKO 9

“Homeko Fo Iray Izy Ireo”

Mahakasika antsika ve ny faminaniana noresahina tamin’ireo Jiosy tsy nivadika natao sesitany tany Babylona?

TOKO 10

“Ho Velona Indray Ianareo”

Nahita tany lemaka feno taolana maina novelomina indray i Ezekiela tao amin’ny fahitana iray. Inona no dikan’izany?

TOKO 11

‘Notendreko ho Mpitily Ianao’

Inona avy ny andraikitr’ilay mpitily notendren’i Jehovah? Mampitandrina ny olona momba ny inona izy?

TOKO 12

“Hataoko Lasa Firenena Iray Ihany Izy Ireo”

Mampanantena i Jehovah hoe hataony miray saina ny vahoakany.

TOKO 13

‘Hazavazavao ny Momba An’ilay Tempoly’

Inona no dikan’ilay tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana?

TOKO 14

“Izao no Lalàna Momba An’ilay Tempoly”

Inona ny lesona nianaran’ny Jiosy natao sesitany avy tamin’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly? Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin’io fahitana io?