Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 11

‘Notendreko ho Mpitily Ianao’

‘Notendreko ho Mpitily Ianao’

EZEKIELA 33:7

HEVITRA HODINIHINA: Naniraka mpitily i Jehovah dia nohazavainy hoe inona no andraikiny

1. Inona no nataon’ireo mpitily na mpaminany nirahin’i Jehovah ho any amin’ny Jiosy? Inona no nitranga taorian’izay?

 MISY mpitily mijoro eo ambonin’ny mandan’i Jerosalema. Efa mody ny masoandro, dia somary takonany ny masony mba hahitany an’izay mitranga eny lavitra eny. Tampoka eo dia raisiny ny anjombona, mifoka rivotra lalina izy, ary mitsoka an’ilay izy mafy be. Te hampitandrina izy hoe miala any ny tafika babylonianina! Efa tara loatra raha izao ny mponina ao vao hanao zavatra. Efa nandritra ny zato taona mahery i Jehovah no naniraka mpitily, izany hoe mpaminany, mba hampitandrina an-dry zareo hoe tsy maintsy ho tonga io andro io. Tsy nety nihaino anefa ry zareo. Tonga ihany ny Babylonianina dia nataony fahirano nandritra ny volana maro i Jerosalema. Nogorobahan’ny miaramila ny manda taorian’izay, noravany ny tempoly, ary novonoiny sy nosamboriny ny olona tao amin’ilay tanàna.

2, 3. a) Inona no hitranga atsy ho atsy? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

2 Efa miomana hiady amin’ny olombelona tsy manam-pinoana koa ny tafik’i Jehovah any an-danitra amin’izao. (Apok. 17:12-14) Io ady io no hamarana an’ilay fahoriana lehibe indrindra hahazo ny olombelona. (Mat. 24:21) Mbola tsy tara anefa izao, fa betsaka no mbola afaka miova ka manaraka ny fampitandreman’ireo notendren’i Jehovah ho mpitily.

3 Inona no nahatonga an’i Jehovah hanendry mpitily? Inona no karazana hafatra ampitain’ny mpitily? Iza avy no notendren’i Jehovah ho mpitily, ary ahoana no hanohanantsika ny mpitily notendreny amin’izao andro izao? Andao hojerentsika ny valin’ireo.

“Tsy maintsy mampitandrina azy ireo ianao”

4. Inona no nahatonga an’i Jehovah hanendry mpitily? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.)

4 Vakio ny Ezekiela 33:7. Matetika ny mpitily no nijoro teny ambonin’ny mandan’ny tanàna. Matoa nanana mpitily ny tanàna iray, dia midika izany hoe nikarakara tsara ny vahoakany ny mpitondra tao, satria nanampy tamin’ny fiarovana ny tanàna ny mpitily. Mety hoe efa natory ny iray tanàna no nitsoka anjombona ny mpitily, dia azo antoka hoe taitra be sady natahotra ny olona rehefa naheno an’ilay feo. Raha nanao zavatra anefa ry zareo tamin’izay, dia mety ho voavonjy ny ainy. Rehefa nanendry mpitily koa i Jehovah mba hampitandrina ny Israelita hoe hisy loza ho avy, dia tsy hoe te hampihorohoro an-dry zareo izy fa tiany ry zareo dia tiany hovonjena.

5, 6. Milazà porofo manamarina fa manao ny rariny i Jehovah.

5 Be dia be ny toetran’i Jehovah naharihariny rehefa nanendry an’i Ezekiela ho mpitily izy. Mampahery ny misaintsaina an’ireny toetrany ireny. Handinika roa amin’izany isika izao.

6 Manao ny rariny: Hita hoe manao ny rariny i Jehovah satria tsy mitovy ny fomba itondrany antsika rehetra fa dinihiny tsirairay isika. Na betsaka aza ny Israelita nanda ny hafatra nampitain’i Ezekiela, dia tsy tonga dia nieritreritra i Jehovah hoe ilay vahoaka manontolo mihitsy no mpikomy. Nojereny kosa hoe ahoana no nataon’ny Israelita tsirairay. Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Imbetsaka izy no nampiasa ny hoe “ratsy fanahy” sy hoe “olo-marina” rehefa naniraka an’i Ezekiela hampitandrina ny Israelita, ary manondro tokana ireo teny ireo raha jerena ny teny tany am-boalohany. Asehon’izany hoe mijery ny olona tsirairay i Jehovah, dia arakaraka izay ataon’ilay olona rehefa maheno an’ilay hafatra no itsarany azy.​—Ezek. 33:8, 18-20.

7. Ahoana no fomba itsaran’i Jehovah ny olona?

7 Miharihary koa hoe manao ny rariny i Jehovah rehefa jerena ny fomba itsarany ny olona. Tsy ny zavatra nataon’ny olona iray taloha no itsarany azy, fa izay ataony rehefa maheno ny fampitandremana omeny. Nilaza tamin’i Ezekiela, ohatra, izy hoe: “Raha hoy aho amin’ny ratsy fanahy: ‘Tena ho faty ianao’, dia avy eo izy miala amin’ny fahotany ary manao ny rariny sy ny hitsiny ... dia azo antoka fa ho velona izy.” Nilaza zavatra tena mahavariana i Jehovah avy eo. Hoy izy: “Tsy hosazina izy na inona na inona fahotana nataony.” (Ezek. 33:14-16) Ahoana indray anefa raha misy olona nanao ny marina foana? Ho afa-tsiny ve izy raha mikomy amin’i Jehovah, satria hoe efa nankatò foana taloha? Tsia! Nilaza i Jehovah hoe raha misy olona “manao ratsy satria matoky hoe olo-marina izy, dia tsy hisy hotsaroana intsony ny zavatra tsara rehetra nataony, fa ho faty noho ny ratsy nataony izy.”​—Ezek. 33:13.

8. Nahoana koa isika no milaza hoe manao ny rariny i Jehovah?

8 Nahoana koa isika no milaza hoe manao ny rariny i Jehovah? Mampitandrina aloha be foana izy rehefa misy zavatra hataony. Enin-taona teo ho eo talohan’ny nandravan’ny tafika babylonianina an’i Jerosalema, ohatra, i Ezekiela no nanomboka naminany. Tsy izy anefa no voalohany nirahin’i Jehovah hampitandrina ny vahoakany hoe hosazina ry zareo. Efa naniraka mpaminany hafa i Jehovah, 100 taona mahery talohan’ilay fandravana, anisan’izany i Hosea, Isaia, Mika, Odeda, ary Jeremia. Nasainy nampahatsiahy ny Israelita, ohatra, i Jeremia hoe: “Nanendry mpitily aho hilaza aminareo hoe: ‘Henoy ny feon’ny anjombona!’” (Jer. 6:17) Tsy nisy azo nomena tsiny àry na i Jehovah na ireo mpitily, rehefa tonga hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah ny Babylonianina ka nahafaty olona be dia be.

9. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe be fitiavana sy tsy mivadika izy?

9 Be fitiavana: Nasehon’i Jehovah hoe be fitiavana sy tsy mivadika izy, satria tsy ny olo-marina ihany no nasainy nampitandreman’ireo mpitily, fa ny ratsy fanahy koa na dia nankarary ny fony sy nanimba ny lazany aza ry zareo. Eritrereto ange e! Vahoakan’i Jehovah no nahafantarana ny Israelita nefa imbetsaka ry zareo no niala taminy sy nanompo andriamani-diso. Noharin’i Jehovah tamin’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady io vahoaka io mba hampisehoana fa nalahelo be izy rehefa nivadika taminy ry zareo. (Ezek. 16:32) Tsy tonga dia nieritreritra izy hoe tsy misy antenaina intsony ny amin-dry zareo. Niezaka namitram-pihavanana aloha izy fa tsy nieritreritra ny hamaly faty na hoe tonga dia hampihatra didim-pitsarana. Efa afa-nenina izy vao nanasazy. Nahoana izy no nanao an’izany? Nilaza tamin’i Ezekiela izy hoe: “Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa tiako izy hiova dia ho velona foana.” (Ezek. 33:11) Mbola hoatr’izany foana i Jehovah hatramin’izao.​—Mal. 3:6.

10, 11. Inona avy ny lesona raisintsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jehovah ny vahoakany?

10 Inona avy no ianarantsika rehefa mahita hoe nanao ny rariny sy be fitiavana tamin’ny Israelita i Jehovah? Rehefa mitory isika, dia tsy tokony ho maika hitsara ny olona fa mila mieritreritra ny zavatra iainan’ny olona tsirairay. Ho diso isika raha mieritreritra hoe tsy mendrika hitoriana ny olona iray noho ny ratsy vitany taloha, na noho ny paoziny, ny fiaviany, ny fari-piainany, na ny fomba fiteniny. Nilaza tamin’ny apostoly Petera mantsy i Jehovah hoe: “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.” (Asa. 10:34, 35) Mbola ilaintsika amin’izao io lesona io.

Mitovy amin’ny fahitan’i Jehovah ny olona ve ny fahitanao azy ireo? (Fehintsoratra 10)

11 Misy lesona lehibe hafa koa ianarantsika. Mila mandini-tena tsara foana isika. Tsy hoe satria nanao ny tsara isika taloha dia tsy maninona raha lasa manao ratsy amin’izao. Mila tadidintsika hoe mitovy ihany ny fanirian-dratsy ao amintsika sy ao amin’ny olona itoriantsika. Mihatra amintsika koa àry ilay torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonana tao Korinto hoe: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo. Tsy misy fakam-panahy mahazo anareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.” (1 Kor. 10:12, 13) Tsy tokony hatoky isika hoe olo-marina, dia hieritreritra hoe tsy ho voasazy raha manao ratsy satria hoe sady manao ny tsara koa. (Ezek. 33:13) Mila manetry tena isika ka mankatò foana, na firy taona isika na firy taona no nanompo an’i Jehovah.

12. Inona no tokony hotadidintsika raha nanao fahotana lehibe isika taloha?

12 Ahoana anefa raha nanao fahotana lehibe ianao taloha, dia mbola manamelo-tena hatramin’izao? Tadidio fa nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah hoe izay mpanota tsy mibebaka no hosaziny. Nianarantsika koa hoe Andriamanitra fitiavana izy fa tsy mpamaly faty. (1 Jaona 4:8) Raha efa nanao zavatra àry ianao mba hanaporofoana hoe mibebaka, dia aza mieritreritra mihitsy hoe ratsy loatra ny nataonao ka tsy mendrika ny hamindran’i Jehovah fo ianao. (Jak. 5:14, 15) Ny Israelita aza nanompo andriamani-diso nefa mbola vonona hamela ny helok’izy ireo ihany i Jehovah. Azo antoka àry fa vonona hamela ny helokao koa izy!​—Sal. 86:5.

“Miresaha amin’ny zanaky ny firenenao”

13, 14. a) Inona avy ny karazana hafatra nasaina nampitain’ny mpitily? b) Inona no hafatra nampitain’i Isaia?

13 Vakio ny Ezekiela 33:2, 3. Inona avy ny karazana hafatra nasain’i Jehovah nampitain’ny mpitily? Fampitandremana no tena nasainy nolazain-dry zareo. Nampita vaovao tsara koa anefa ry zareo. Handinika ohatra vitsivitsy isika.

14 Nampitandrina i Isaia hoe ho resin’ny Babylonianina i Jerosalema ary hataony sesitany ny mponina ao. (Isaia 39:5-7) Nasain’i Jehovah nanoratra koa anefa izy hoe: “Izany fa miantsoantso mafy ny mpitilinao! Miara-mihoby izy ireo, satria ho hitan’izy ireo tsara ny hamerenan’i Jehovah an’i Ziona amin’ny laoniny.” (Isaia 52:8) Vaovao faran’izay tsara izany! Midika mantsy izany fa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina.

15. Inona no hafatra nampitain’i Jeremia?

15 Hoatr’izany koa no nataon’i Jeremia. Matetika no nolazaina fa loza foana no ambaran’io mpaminany io. Marina fa nafana fo be i Jeremia rehefa nampitandrina ny Israelita nivadika hoe hataon’i Jehovah mahita loza ry zareo. a Nilaza vaovao tsara koa anefa izy. Naminany izy hoe mbola hody any amin’ny taniny ny vahoakan’Andriamanitra, ary haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio rehefa tonga any ry zareo.​—Jer. 29:10-14; 33:10, 11.

16. Nahoana no nahasoa an’ireo Jiosy natao sesitany ny hafatra nampitain’i Ezekiela tamin’izy ireo?

16 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 sy faha-6 fa nafana fo i Ezekiela nampitandrina ny Israelita hoe horinganina ry zareo, ka tsy tompon’andraikitra izy raha nisy maty vokatr’ilay fandringanana. Hitan’ny Jiosy natao sesitany avy tamin’ny fampitandreman’i Ezekiela hoe hosazin’i Jehovah ny mpivadi-pinoana any Jerosalema. Nampahatsiahy an-dry zareo koa izany hoe mila mifandray tsara amin’i Jehovah foana ry zareo mba ho vonona amin’izay asa miandry azy. Nilaza koa i Ezekiela hoe rehefa tapitra ny 70 taona nanaovana sesitany an-dry zareo, dia hisy Jiosy hoentin’i Jehovah hiverina any Israely. (Ezek. 36:7-11) Zanaka na zafikelin’ireo Jiosy nanaraka ny fampitandreman’i Ezekiela ny ankamaroan’ireo olona ireo. Mbola betsaka anefa ny vaovao tsara noresahin’i Ezekiela, ary nanome toky izy ireny hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio any Jerosalema. Hiresaka bebe kokoa momba an’izany ny toko hafa ao amin’ity Fizarana faha-3 ity.

17. Amin’ny fotoana hoatran’ny ahoana i Jehovah no manendry mpitily?

17 Nanodidididina ny taona 607 T.K., izany hoe ny taona nandravana an’i Jerosalema, no naminany ireo lehilahy noresahintsika teo. Tamin’izay ihany ve i Jehovah no nampiasa mpitily? Tsia. Isaky ny misy zava-dehibe hitranga mifandray amin’ny fikasany, dia manendry mpitily izy mba hampitandrina ny ratsy fanahy sy hilaza vaovao tsara.

Mpitily tamin’ny taonjato voalohany

18. Inona no asa nataon’i Jaona Mpanao Batisa? Hazavao.

18 Nanao ny asan’ny mpitily i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny taonjato voalohany. Nampitandrina ny firenen’Israely izy hoe kely sisa ry zareo dia holavin’Andriamanitra. (Mat. 3:1, 2, 9-11) Nilaza koa i Jesosy fa i Jaona ilay ‘iraka’ hanomana ny olona mba handray ny Mesia. (Mal. 3:1; Mat. 11:7-10) Nampita vaovao tsara i Jaona rehefa nanao an’io asa io, satria nilaza izy hoe efa tonga i Jesosy, “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra”, ary ‘hanala ny fahotan’izao tontolo izao.’​—Jaona 1:29, 30.

19, 20. Nahoana i Jesosy sy ny mpianany no azo oharina amin’ny mpitily?

19 I Jesosy no mpitily niavaka indrindra. Nirahin’i Jehovah hampitandrina ny “taranak’Israely” izy, hoatran’i Ezekiela ihany. (Ezek. 3:17; Mat. 15:24) Nampitandrina an-dry zareo izy hoe kely sisa dia holavin’i Jehovah ny firenen-dry zareo sy hoe horavana i Jerosalema. (Mat. 23:37, 38; 24:1, 2; Lioka 21:20-24) Nilaza vaovao tsara anefa no tena asany.​—Lioka 4:17-21.

20 Nandidy ny mpianany mba hanao ny asan’ny mpitily i Jesosy, rehefa nilaza tamin-dry zareo hoe: “Miambena foana.” (Mat. 24:42) Nankatò ry zareo, dia nilaza tamin’ny olona hoe efa nolavin’i Jehovah ny firenen’Israely sy ny tanànan’i Jerosalema. (Rom. 9:6-8; Gal. 4:25, 26) Nampita vaovao tsara koa anefa ry zareo, anisan’izany ilay hoe afaka ny ho anisan’ny Israely ara-panahy, izany hoe ho voahosotra, ny olona tsy Jiosy. Hanana tombontsoa hanampy an’i Kristy ry zareo, rehefa hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio eto an-tany izy.​—Asa. 15:14; Gal. 6:15, 16; Apok. 5:9, 10.

21. Nahoana i Paoly no modely ho antsika?

21 Anisan’ny niavaka tamin’ireo mpitily tamin’ny taonjato voalohany i Paoly. Nazoto nanao an’io andraikiny io izy. Hoatran’i Ezekiela, dia fantany hoe raha tsy manao tsara ny asany izy, dia ho tompon’andraikitra rehefa misy olona ringana. (Asa. 20:26, 27) Nilaza vaovao tsara koa izy fa tsy hoe nampitandrina ny olona fotsiny, hoatran’ny mpitily hafa ihany. (Asa. 15:35; Rom. 1:1-4) Ankoatra an’izay dia nahazo fanahy masina izy ka namerina ny faminanian’i Isaia hoe: “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara mandeha eny an-tendrombohitra.” (Isaia 52:7, 8; Rom. 10:13-15) Te hiresaka ny asa ataon’ny mpanara-dia an’i Kristy izy tamin’izay, izany hoe ny fitoriana momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

22. Inona no nitranga rehefa maty ny apostoly?

22 Araka ny efa voalazan’ny faminaniana, dia lasa nisy mpivadi-pinoana be dia be tao amin’ny fiangonana rehefa maty ny apostoly. (Asa. 20:29, 30; 2 Tes. 2:3-8) Niara-naniry nandritra ny fotoana ela be ny vary sy ny tsimparifary. (Mat. 13:36-43) Lasa betsaka kokoa noho ny Kristianina tsy mivadika ny Kristianina sandoka, ary takon’ny fampianaran-diso ny fampianarana mazava tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa hitan’i Jehovah anefa hoe tokony hiditra an-tsehatra amin’izay izy, dia nampiseho fitiavana sy nanao ny rariny indray izy ka nanendry mpitily mba hilaza fampitandremana mazava sy hampita vaovao tsara. Iza no notendreny ho mpitily?

Nanendry mpitily indray i Jehovah mba hampitandrina ny ratsy fanahy

23. Inona no asa nataon’i Charles Russell sy ny namany?

23 Nandritra ny taona maromaro talohan’ny 1914, dia i Charles Russell sy ny namany no nanao ny asan’ilay ‘iraka’ izay “hanomana ny lalana”, alohan’ny hananganana ny Fanjakan’ny Mesia. b (Mal. 3:1) Nanao ny asan’ny mpitily koa ry zareo. Nampiasa Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy) ry zareo, mba hampitandremana ny olona momba ny didim-pitsaran’i Jehovah sy hitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

24. a) Nahoana isika no milaza fa manao ny asan’ny mpitily koa ny mpanompo mendri-pitokisana? b) Inona no ianaranao avy amin’ireo mpitily taloha? (Jereo ilay tabilao hoe “Mpitily Modely.”)

24 Nanendry lehilahy vitsivitsy mba ho mpanompo mendri-pitokisana i Jesosy, rehefa tafatsangana ilay Fanjakana. (Mat. 24:45-47) Filan-kevi-pitantanana no iantsoana an’io mpanompo io amin’izao. Manao ny asan’ny mpitily koa izy io, satria mampitandrina hoe ho avy “ny andro famalian’ilay Andriamanitsika”, sady mampahafantatra ny olona hoe izao no “taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.”​—Isaia 61:2; jereo koa ny 2 Korintianina 6:1, 2.

25, 26. a) Inona no tsy maintsy ataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy rehetra, ary ahoana no anaovany an’izany? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

25 Na dia ny mpanompo mendri-pitokisana aza no asaina manao ny asan’ny mpitily, dia ny mpanara-dia an’i Jesosy “rehetra” no nasainy ‘niambina foana.’ (Mar. 13:33-37) Mankatò an’izany isika raha miezaka mba hifoha ara-panahy foana sy hanohana ny mpanompo mendri-pitokisana. Mifoha ara-panahy isika raha mazoto mitory. (2 Tim. 4:2) Betsaka ny antony mandrisika antsika hitory, anisan’izany ny hoe te hamonjy ny ain’ny olona isika. (1 Tim. 4:16) Tsy ho ela mantsy dia be dia be no ho faty satria tsy niraharaha ny fampitandreman’ilay mpitily. (Ezek. 3:19) Ny tena mahatonga antsika hitory anefa dia hoe te hampahafantatra amin’ny olona isika fa naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Tsy misy vaovao tsara noho izany! Betsaka ny olona mbola afaka miova ka hanompo an’ilay Andriamanitsika tia rariny sy be fitiavana, amin’izao ‘taona fanehoany fankasitrahana’ izao. Tsy ho ela dia ho ringana ity tontolo ratsy ity, ary i Kristy Jesosy no hitondra ny olombelona. Mpanjaka mahay mangoraka izy, ary handray soa avy amin’ny fitondrany izay rehetra tafavoaka velona. Tsy hitanao ve hoe tena tokony hampiana ilay mpitily mba hampahafantatra an’izany vaovao tena tsara izany?​—Mat. 24:14.

Manampy an’ilay mpitily isika rehefa mitory ny vaovao tsara, ary faly isika manao an’izany (Fehintsoratra 25)

26 Vitan’i Jehovah ny nampiray saina ny vahoakany, na dia mbola tsy nifarana aza ity tontolo ratsy ity. Miresaka momba an’io zavatra miavaka io ny faminaniana iray momba ny tapa-kazo roa, ary izany no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka.

a Miverina im-80 mahery ao amin’ny bokin’i Jeremia ilay teny hoe “loza.”

b Manazava an’io faminaniana io sy ny fahatanterahany ilay boky hoe Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, toko 2, mitondra ny lohateny hoe “Efa Manjaka any An-danitra Ilay Fanjakana.”