Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 20

‘Zarao ho Lovanareo Ilay Tany’

‘Zarao ho Lovanareo Ilay Tany’

EZEKIELA 45:1

HEVITRA HODINIHINA: Ny fizarana an’ilay tany sy ny dikany

1, 2. a) Inona ny toromarika nomen’i Jehovah an’i Ezekiela? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

 NAHAZO fahitana hafa indray i Ezekiela. Azo antoka fa nampahatsiahy azy ny zava-nisy efa ho 900 taona talohan’izay ilay izy, izany hoe tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa. Nasehon’i Jehovah an’i Mosesy ny sisin-tany rehetra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia natorony an’i Josoa tatỳ aoriana hoe ahoana no hizarana an’izany amin’ny fokon’ny Israely. (Nom. 34:1-15; Jos. 13:7; 22:4, 9) Tamin’ny taona 593 T.K. indray anefa, dia nomen’i Jehovah toromarika i Ezekiela sy ireo niara-natao sesitany taminy mba hizara an’ilay Tany Nampanantenaina amin’ny fokon’ny Israely.​—Ezek. 45:1; 47:14; 48:29.

2 Inona no nianaran’i Ezekiela sy ireo niara-natao sesitany taminy avy tamin’ilay fahitana? Nahoana no mampahery ny vahoakan’i Jehovah amin’izao ilay izy? Ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa ve izy io amin’ny hoavy?

Fanomezan-toky efatra avy amin’ilay fahitana farany

3, 4. a) Inona ny fanomezan-toky efatra hitantsika avy amin’ilay fahitana farany azon’i Ezekiela? b) Inona ny fanomezan-toky hodinihintsika ato?

3 Toko sivy ao amin’ny bokin’i Ezekiela no miresaka momba an’ilay fahitana farany azony. (Ezek. 40:1–48:35) Asehon’izy io fa ho tafaverina any an-tanindrazany ny firenen’Israely, ary misy fanomezan-toky efatra mampahery momba an’izany ao. Voalohany, haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Faharoa, mpisorona sy mpiandry manao ny marina no hitarika an’ilay firenena rehefa tafaverina any amin’ny taniny ry zareo. Fahatelo, hahazo tany ho lovany izay rehetra hiverina any Israely. Ary fahefatra, ho eo amin-dry zareo i Jehovah, izany hoe hiara-mipetraka amin-dry zareo indray.

4 Efa hitantsika tao amin’ny Toko faha-13 sy faha-14 ny fanomezan-toky roa voalohany, izany hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio sy hoe mpiandry manao ny marina no hitarika ny vahoakan’i Jehovah. Hodinihintsika ato ilay fanomezan-toky fahatelo hoe hahazo anjara tany ho lovany ny rehetra. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka kosa ilay fampanantenana hoe ho eo amin’ny vahoakany i Jehovah.​—Ezek. 47:13-21; 48:1-7, 23-29.

‘Omena ho lovanareo ity tany ity’

5, 6. a) Inona ilay “faritra” hozaraina voaresaka ao amin’ny fahitan’i Ezekiela? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.) b) Nahoana i Jehovah no nanome an’ilay fahitana momba ny fizarana an’ilay tany?

5 Vakio ny Ezekiela 47:14. Nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela tao anaty fahitana ny tany iray ho lasa hoatran’ny “zaridainan’i Edena.” (Ezek. 36:35) Nilaza izy avy eo hoe: “Ity no faritra hatokanareo ho lovan’ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Ezek. 47:13) Tsy inona io “faritra” io fa ny tany hipetrahan’ny Jiosy avy any an-tsesitany, izany hoe ny tanin’ny Israely izay ho lasa tsara tarehy sy mamokatra be. Hitantsika ao amin’ny Ezekiela 47:15-21 fa nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny an-tsipiriany avy eo hoe aiza sy aiza avy no hisy ny sisin’ilay tany hozaraina.

6 Nahoana i Jehovah no nanome an’io fahitana io, sady nilaza mazava tsara hoe aiza sy aiza ny sisin’ilay tany hozaraina? Te hanome toky an’i Ezekiela sy ireo niara-natao sesitany taminy izy hoe tena haverina amin’ny laoniny ilay tany tsy foin-dry zareo. Eritrereto ange ny hafalian’ny Jiosy natao sesitany rehefa nahafantatra an’izany e! Tena nahazo tany ho lovany ve anefa ny Israelita tamin’izany? Izany mihitsy!

7. a) Inona ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny 537 T.K., ary inona no mitovy amin’izany amin’izao? b) Inona ny fanontaniana hodinihintsika izao?

7 Tamin’ny 537 T.K., izany hoe 56 taona teo ho eo taorian’ny nahazoan’i Ezekiela an’ilay fahitana, dia Jiosy an’arivony natao sesitany no nanomboka niverina tany Israely dia nipetraka tao. Misy zavatra mitovy amin’io zava-nitranga niavaka io koa amin’izao andro izao. Azo lazaina hoe nahazo anjara tany koa mantsy ny vahoakan’Andriamanitra, satria navelan’i Jehovah hiditra sy hipetraka ao amin’ny paradisa ara-panahy. Betsaka no azo ianarana momba an’io paradisa ara-panahy io, rehefa dinihina izay nitranga tao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny. Alohan’ny handinihantsika an’izany anefa, dia andao hovaliantsika ity fanontaniana ity: “Nahoana isika no milaza fa tena misy io paradisa ara-panahy io amin’izao?”

8. a) Nosoloan’i Jehovah an’iza ny firenen’Israely? b) Inona ilay paradisa ara-panahy? d) Oviana izy io no nanomboka nisy, ary iza avy no ao?

8 Efa nasehon’i Jehovah tao amin’ny fahitana talohan’izay hoe ho lasa Mpanjaka i ‘Davida mpanompony’, izany hoe i Jesosy Kristy, dia aorian’izay no ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ny tanin’i Israely. (Ezek. 37:24) Tamin’ny 1914 i Jesosy no lasa Mpanjaka. Efa ela ny firenen’Israely tamin’izany no nosoloan’i Jehovah firenena ara-panahy, izany hoe ny Kristianina voahosotra. (Vakio ny Matio 21:43; 1 Petera 2:9.) Tsy ilay firenena ihany anefa no nosoloany, fa nosoloany paradisa ara-panahy koa ny tanin’i Israely. (Isaia 66:8) Efa hitantsika tao amin’ny Toko faha-17 fa tany an’ohatra misy ny vahoakan’i Jehovah io paradisa ara-panahy io, ary milamina sy voaro tsara ry zareo ao. Nanomboka tamin’ny 1919 ny sisa voahosotra no niara-nanompo an’i Jehovah tao. (Jereo ilay efajoro 9B hoe “Fa Maninona no hoe 1919?”) Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa nipetraka tao koa ny “ondry hafa”, izany hoe ny olona manantena hiaina eto an-tany. (Jaona 10:16) Marina fa mitatra ilay paradisa ara-panahy ary mihabetsaka ny fitahiana ao amin’izy io. Aorian’ny Aramagedona anefa isika vao hankafy an’ireny fitahiana ireny amin’ny fomba feno.

Nozaraina mitovy tsara ilay tany

9. Inona avy ny toromarika nomen’i Jehovah momba ny fizarana an’ilay tany?

9 Vakio ny Ezekiela 48:1, 28. Rehefa avy nasehon’i Jehovah hoe aiza sy aiza ny sisin’ilay tany, dia natorony tamin’ny an-tsipiriany ny fomba hizarana an’ilay izy amin’ireo foko 12. Nilaza izy hoe tokony hitovy refy ny anjara tany ho an’ny foko tsirairay manomboka eo amin’ny sisiny avaratra ka hatrany amin’ny sisiny atsimo. Ny anjaran’ny fokon’i Dana no any amin’ny farany avaratra, dia misesisesy manaraka azy ny an’ny foko hafa, ary ny anjaran’ny fokon’i Gada no any amin’ny farany atsimo. Samy hahazo ampahana tany mitsivalana ny foko tsirairay, manomboka any amin’ny sisin-tany any atsinanana ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe, izany hoe ny Ranomasina Mediterane, any andrefana.​—Ezek. 47:20; jereo ilay sarintany ao amin’ilay efajoro hoe “Ny Fizarana An’ilay Tany.”

10. Nahoana no nampahery an’ireo Jiosy natao sesitany io ampahany amin’ilay fahitana io?

10 Nahoana no nampahery an’ireo Jiosy natao sesitany io ampahany amin’ilay fahitana io? Nanome tsipiriany be dia be momba ny fizarana an’ilay tany i Ezekiela, dia azo antoka fa nanome toky an’ireo Jiosy ireo izany hoe ho voalamina tsara ilay izy. Nazava tsara koa ny fomba hizarana an’ilay tany amin’ny foko 12, ka lasa natoky ry zareo hoe tsy maintsy hahazo lova ao amin’ny Tany Nampanantenaina, rehefa tafaverina amin’ny laoniny izy io. Tsy hisy amin’izy ireo hoe ho tonga any an-tanindrazany nefa tsy hanana tany na trano.

11. Nahoana no mampahery antsika koa ilay fahitana momba ny fizarana an’ilay tany? (Jereo ilay efajoro hoe “Ny Fizarana An’ilay Tany.”)

11 Nahoana no mampahery antsika koa io fahitana io? Tadidio fa tsy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpiadidy ihany no nanana anjara tany tao amin’ny Tany Nampanantenaina rehefa naverina tamin’ny laoniny izy io, fa ny olona rehetra anisan’ny foko 12 koa. (Ezek. 45:4, 5, 7, 8) Hoatr’izany koa fa tsy ny sisa voahosotra sy ny mpiandraikitra anisan’ny “vahoaka be” ihany no mahazo toerana ao amin’ilay paradisa ara-panahy, fa ny olona rehetra anisan’ny vahoaka be koa. a (Apok. 7:9) Na hoatran’ny hoe tsy dia misongadina be aza ianao ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia matokia fa misy toerana ho anao ao amin’ilay paradisa ara-panahy ary manana andraikitra sarobidy ianao ao. Tsy mampahery anao ve izany?

Sarobidy amin’i Jehovah izay ezaka ataonao, na inona na inona andraikitra anananao ao amin’ny fandaminany (Fehintsoratra 11)

Toromarika tsy mitovy sy izay azo ianarana avy amin’izany

12, 13. Inona ny toromarika mazava nomen’i Jehovah momba ny fizarana an’ilay tany amin’ny foko 12?

12 Nahagaga an’i Ezekiela angamba ny toromarika sasany nomen’i Jehovah momba ny fizarana an’ilay tany, satria tsy nitovy tamin’ny toromarika nomeny an’i Mosesy ilay izy. Handinika zavatra roa tsy mampitovy an’ireo toromarika ireo isika. Mifandray amin’ilay tany ny iray, dia ny iray indray momba ny mponina tao.

13 Voalohany, ilay tany. Nahazo toromarika i Mosesy hoe homena ampahana tany lehibe kokoa izay foko misy olona betsaka kokoa. (Nom. 26:52-54) Nilaza mazava anefa i Jehovah tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela hoe “anjara mitovy” no homena ny foko rehetra, “ka ny tsirairay ho toy ny rahalahiny.” (Ezek. 47:14, f.a.p.) Tsy maintsy hatao mitovy tanteraka àry ny haben’ny anjaran’ny foko tsirairay, manomboka eo amin’ny sisin-tany avaratra ka hatrany amin’ny sisin-tany atsimo. Samy ho afaka hankafy ny zavatra tsara vokatra ao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita rehetra amin’izay, na inona na inona foko nisy azy.

14. Inona no tsy mampitovy ny toromarika nomen’i Jehovah an’i Ezekiela momba ny vahiny sy izay voalazan’ny Lalàn’i Mosesy?

14 Faharoa, ny mponina tao amin’ilay tany. Na dia niaro ny vahiny aza ny Lalàn’i Mosesy sady namela an-dry zareo hanompo an’i Jehovah, dia voalaza tao fa tsy homena anjara tany ry zareo. (Lev. 19:33, 34) Anisan’ny tsy nampitovy ny “teratany israelita” sy ny vahiny tao amin’ilay tany izany. Nesorin’i Jehovah anefa io fahasamihafana lehibe io rehefa nanome toromarika an’i Ezekiela izy hoe ‘tokony homena lova ao amin’ny tanin’izay foko ipetrahany’ ny vahiny. (Ezek. 47:22, 23) Asehon’ilay fahitana àry fa hitovy ny fomba hitondrana ny mponina rehetra ao amin’ilay tany naverina tamin’ny laoniny, dia hiray saina ry zareo rehefa manompo an’i Jehovah.​—Lev. 25:23.

15. Rehefa jerena ny toromarika nomen’i Jehovah momba an’ilay tany sy ny olona mipetraka ao, dia inona no hamafisin’izany?

15 Azo antoka fa nampahery ny Jiosy natao sesitany ireo toromarika miavaka nomena an’i Ezekiela momba an’ilay tany sy ny mponina tao. Hitan’izy ireo hoe homen’i Jehovah anjara tany mitovy ry zareo, na teratany israelita na vahiny manompo an’i Jehovah. (Ezra 8:20; Neh. 3:26; 7:6, 25; Isaia 56:3, 8) Hamafisin’ireo toromarika ireo koa hoe sarobidy amin’i Jehovah daholo ny mpanompony, ary mampahery ny mieritreritra hoe tsy hiova mihitsy izany fiheverany antsika izany. (Vakio ny Hagay 2:7.) Tena tiantsika ny mitadidy an’izany, na manantena ho any an-danitra isika na manantena ho eto an-tany.

16, 17. a) Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny tsipiriany momba an’ilay tany sy ny mponina tao aminy? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

16 Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny tsipiriany momba an’ilay tany sy ny mponina tao aminy? Mampahatsiahy antsika izany fa tokony hiharihary hoe mitovy daholo ny olona anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany sady miray saina. Mila mieritreritra àry isika hoe: ‘Manahaka an’i Jehovah ve aho ka tsy manavakavaka? Hita amin’ny ataoko ve fa tena manaja ny mpiara-manompo rehetra aho, na inona na inona volon-kodiny na fari-piainany?’ (Rom. 12:10) Faly isika hoe tsy misy avahan’i Jehovah fa samy avelany ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy daholo. Afaka manompo an’io Raintsika any an-danitra io amin’ny fo manontolo isika ao sady mahazo ny fitahiany.​—Gal. 3:26-29; Apok. 7:9.

Manahaka an’i Jehovah ve ianao ka tsy manavakavaka sady tena manaja ny hafa? (Fehintsoratra 15, 16)

17 Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hiaraka amin’ireo Jiosy natao sesitany izy. Io ilay fanomezan-toky fahefatra ao amin’ny tapany farany amin’ilay fahitana farany hitan’i Ezekiela. Ho hitantsika koa hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izy io.

a Jereo ny Toko 14 raha tianao ho fantatra hoe inona no azon’izay rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy ianarana avy amin’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny mpisorona sy ny mpiadidy.