Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA VOALOHANY

“Nisokatra ny Lanitra”

“Nisokatra ny Lanitra”

EZEKIELA 1:1

HEVITRA HODINIHINA: Hoatran’ny ahoana ny any amin’ny lanitra misy an’i Jehovah?

Tsy misy olombelona afaka mahita an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, ka mbola ho velona. (Eks. 33:20) Nomen’i Jehovah fahitana anefa i Ezekiela, dia nahita ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany. Tsy vitan’ny hoe mampitolagaga antsika ireny fahitana ireny, fa vao mainka hahatonga antsika hiaiky hoe voninahitra lehibe ny manompo an’ilay tena Andriamanitra.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 3

“Nahita Fahitana avy Tamin’​Andriamanitra Aho”

Talanjona i Ezekiela rehefa nahazo an’ilay fahitana voalohany. Miana-javatra avy amin’izy io ny mpanompon’i Jehovah amin’izao.

TOKO 4

Iza Ireo ‘Zavamananaina Manana Tarehy Efatra’?

Nanome fahitana an’i Ezekiela i Jehovah mba hanampiana antsika hahatakatra zavatra sasany tsy ho azontsika mihitsy.