Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 4

Iza Ireo ‘Zavamananaina Manana Tarehy Efatra’?

Iza Ireo ‘Zavamananaina Manana Tarehy Efatra’?

EZEKIELA 1:15

HEVITRA HODINIHINA: Ireo zavamananaina hitan’i Ezekiela sy izay azontsika ianarana avy amin’izy ireo

1, 2. Nahoana i Jehovah no nampiasa fahitana sy nofy rehefa nisy hevitra sasany tiany hampitaina tamin’ny mpanompony?

 ALAO sary an-tsaina hoe misy fianakaviana miara-mianatra Baiboly. Misy hevitra momba an’i Jehovah tian’ilay dadany ho azon’ilay zanany kely, dia mampiseho sary tsotsotra izy hanazavana an’ilay izy. Mitsikitsiky be ilay ankizy sady mazoto be mamaly, dia hita hoe azony ilay izy. Nampiasa sary ilay dadany dia lasa mora azo ilay fanazavana, na dia sarotra amin’ny ankizy mitovy taona amin-dry zareo aza ny mahazo an’ilay izy.

2 Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah amintsika olombelona zanany. Fantany hoe tsy ho azontsika mihitsy ny zavatra sasany satria tsy hitan’ny masontsika, dia mampiasa fahitana sy nofy izy mba hanampiana antsika. Nisy fotoana, ohatra, izy te hanazava hevitra lalina momba azy, dia nomeny fahitana manaitra i Ezekiela. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha ny fahitana iray hitan’i Ezekiela. Hifantoka amin’ny ampahany iray amin’io fahitana io isika izao, dia hijery ny dikan’ilay izy sy hoe nahoana izany no manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah.

‘Nahita hoatran’ny zavamananaina efatra’ aho

3. a) Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana, araka ny Ezekiela 1:4, 5? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.) b) Inona no voamarikao rehefa mandinika ny fomba niresahan’i Ezekiela ny zavatra hitany ianao?

3 Vakio ny Ezekiela 1:4, 5. Nilaza i Ezekiela fa misy zavatra itovizany amin’ny anjely sy olona ary biby ireo “hoatran’ny zavamananaina” ireo. Mariho fa tsy niteny izy hoe nahita zavamananaina, fa “hoatran’ny” zavamananaina. Rehefa mamaky an’ilay fahitana manontolo ao amin’ny Ezekiela toko 1 ianao, dia ho hitanao fa matetika ilay mpaminany no nampiasa ny hoe “hoatran’ny” na “toy ny” na teny mitovy amin’izany. (Ezek. 1:13, 24, 26) Hita amin’izany fa niaiky izy hoe tsy tena ny zava-misy any an-danitra no hitany fa ny paozipaoziny fotsiny.

4. a) Inona no vokatr’ilay fahitana tamin’i Ezekiela? b) Inona no azo inoana hoe fantatr’i Ezekiela momba ny kerobima?

4 Azo antoka fa nahagaga be an’i Ezekiela ny zavatra hitany sy henony. Mitovy amin’ny “vainafo mirehitra” no fahitana an’ireo zavamananaina, ary nandeha haingana be hoatran’ny “tselatra” ry zareo. “Hoatran’ny feon’ny rano be misasasasa” ny feon’ny elany, dia hoatran’ny “feon’ny tafika ny fahenoana azy” rehefa mandeha. (Ezek. 1:13, 14, 24-28; jereo ilay efajoro hoe “‘Nijery An’ireo Zavamananaina Ireo’ Aho.”) Rehefa nahita fahitana hafa i Ezekiela tatỳ aoriana, dia hita tamin’ny teniny hoe “kerobima” na anjely mahery ireo zavamananaina ireo. (Ezek. 10:2) Avy amin’ny fianakaviana mpisorona i Ezekiela, dia azo inoana fa nahafantatra tsara momba ny kerobima izy. Tsy maintsy fantany hoe matoa misy kerobima eo, dia eo Andriamanitra ary mpanompony izy ireo.​—1 Tan. 28:18; Sal. 18:10.

‘Samy nanana tarehy efatra izy ireo’

5. a) Asehon’ireo kerobima sy ny tarehiny efatra hoe tena mahery sy be voninahitra i Jehovah. Fa maninona isika no milaza an’izany? b) Nahoana io ampahany amin’ilay fahitana io no mampahatsiahy antsika ny dikan’ny anaran’Andriamanitra? (Jereo ny fanamarihana.)

5 Vakio ny Ezekiela 1:6, 10. Nilaza koa i Ezekiela hoe samy nanana tarehy efatra ireo kerobima ireo, izany hoe tarehin’olona, tarehina liona, tarehin’omby, ary tarehina voromahery. Rehefa nahita an’ireo tarehy ireo angamba i Ezekiela, dia vao mainka niaiky hoe faran’izay mahery sy be voninahitra i Jehovah. Mampiseho fahamboniana na tanjaka na hery mantsy ny tsirairay amin’ireo tarehy ireo. Bibidia tsara tarehy sady manan-kaja ny liona, biby fiompy matanjaka ny omby, ary vorona tena matanjaka ny voromahery. Ary ny olona? Ny olona no tsara indrindra amin’ny zavaboary nataon’i Jehovah teto an-tany, ary manana fahefana amin’ny zavaboary rehetra eto an-tany izy. (Sal. 8:4-6) Hitantsika amin’izany àry fa matanjaka be ny zavaboary asehon’ireo tarehy efatra. Na izany aza, dia teo ambany seza fiandrianan’i Jehovah, ilay Mpanjaka Fara Tampony, no nahitan’i Ezekiela azy ireo. Mety tsara izany mba hampisehoana hoe azon’i Jehovah ampiasaina ny zavaboariny mba hanatanterahana ny fikasany. a Marina mihitsy ilay nolazain’ny mpanao salamo momba an’i Jehovah hoe: “Ambony noho ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.”​—Sal. 148:13.

Inona no ianarantsika momba ny herin’i Jehovah sy ny voninahiny ary ny toetrany, rehefa mandinika an’ireo zavamananaina efatra sy ny tarehiny efatra isika? (Fehintsoratra 5, 13)

6. Inona no mety ho nanampy an’i Ezekiela hahatakatra hoe misy zavatra tiana haseho amin’ireo tarehy efatra ireo?

6 Mety ho nisaintsaina ny zavatra hitany i Ezekiela rehefa nandeha ny fotoana. Tadidiny angamba hoe nisy mpanompon’Andriamanitra koa nampitaha olona tamin’ny biby. Nampitahain’i Jakoba tamin’ny liona, ohatra, i Joda zanany lahy, dia i Benjamina indray tamin’ny amboadia. (Gen. 49:9, 27) Fa maninona? Satria hanana ny toetra sasany mampiavaka an’ireo biby ireo izy roa lahy sy ny taranany. Rehefa nieritreritra an’ireo ohatra avy ao amin’ny Soratra Masina ireo i Ezekiela, dia mety ho nanatsoaka hevitra fa ny tarehin’ireo kerobima ireo dia mampiseho toetra miavaka samihafa. Inona avy izany?

Toetran’i Jehovah sy ny fianakaviany any an-danitra

7, 8. Inona matetika ny toetra ampifandraisina amin’ireo tarehy efatra?

7 Efa niresaka momba ny liona sy ny voromahery ary ny omby ny mpanoratra Baiboly sasany niaina talohan’i Ezekiela. Inona ny toetra noresahin-dry zareo hoe mampiavaka an’ireo biby ireo? Misy andinin-teny, ohatra, miresaka momba ny “olona be herim-po izay manana fo toy ny an’ny liona.” (2 Sam. 17:10; Ohab. 28:1) Misy andininy hafa indray miresaka momba ny ‘voromahery manidina ambony’, dia “mahatazan-davitra ny masony.” (Joba 39:27, 29) Milaza koa ny Baiboly hoe ‘be dia be ny vokatra rehefa matanjaka ny omby.’ (Ohab. 14:4) Hitantsika amin’ireo andininy ireo fa mampiseho fanaovana ny rariny ilay tarehina liona be herim-po, mampiseho fahendrena sy fitsinjovana lavitra ilay tarehina voromahery, ary mampiseho hery tsy misy mahatohitra mihitsy ilay tarehin’omby. Matetika no ampifandraisina ireo biby ireo sy ireo toetra ireo ao amin’ny boky sy gazetintsika.

8 Ary ahoana indray ny amin’ilay “tarehin’olona”? (Ezek. 10:14) Azo antoka fa tsy toetra ananan’ny biby no asehon’izy io, fa toetra mampiavaka ny olona, izay noforonina hitovy endrika amin’Andriamanitra. (Gen. 1:27) Nanasongadina an’io toetra io ny lalàn’Andriamanitra rehefa nilaza hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo” ary “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Deot. 6:5; Lev. 19:18) Mankatò an’ireo didy ireo isika rehefa tsy tia tena fa miezaka ho be fitiavana. Manahaka an’i Jehovah isika rehefa manao an’izany, satria be fitiavana izy. Izany mihitsy no nosoratan’ny apostoly Jaona. Hoy izy: “Isika tia satria izy no tia antsika voalohany.” (1 Jaona 4:8, 19) Mazava àry fa fitiavana no asehon’ilay “tarehin’olona.”

9. Iza avy no manana an’ireo toetra asehon’ny tarehin’ireo kerobima?

9 Iza avy no manana an’ireo toetra ireo? Satria ny tarehin’ireo kerobima no mampiseho an’ireo toetra ireo, dia midika izany fa ny kerobima no manana azy ireo, izany hoe ny anjely tsy mivadika rehetra anisan’ny fianakavian’i Jehovah any an-danitra. (Apok. 5:11) Tadidio koa anefa fa i Jehovah no namorona ny kerobima, ary izy no loharanon’ny toetra ananan’izy ireo. (Sal. 36:9) Toetran’i Jehovah mihitsy àry no asehon’ny tarehin’ireo kerobima ireo. (Joba 37:23; Sal. 99:4; Ohab. 2:6; Mika 7:18) Handinika fomba vitsivitsy anehoany an’ireo toetra miavaka ireo isika izao.

10, 11. Inona no soa azontsika rehefa maneho an’ireo toetra miavaka ireo i Jehovah?

10 Manao ny rariny: Andriamanitra “tia rariny” i Jehovah, ka “tsy mba miangatra amin’iza na iza.” (Sal. 37:28; Deot. 10:17) Avelany hanompo azy sy omeny fanantenana hoe ho sambatra mandrakizay ny olona rehetra tsy an-kanavaka, na inona na inona fari-piainany na fiaviany. Hendry: Andriamanitra “manana fo hendry” i Jehovah, ary nomeny boky feno “fahendrena” isika. (Joba 9:4; Ohab. 2:7) Rehefa mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly isika, dia lasa haintsika ny miatrika olana ary lasa misy dikany ny fiainantsika. Mahery: Andriamanitra “tena mahery” i Jehovah, ary mampiasa ny fanahy masina izy mba hanomezana antsika “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” Manatanjaka antsika izany, ka lasa mahavita miatrika fitsapana faran’izay mafy isika.​—Nah. 1:3; 2 Kor. 4:7; Sal. 46:1.

11 Be fitiavana: Andriamanitra “tena be fitiavana sy tsy mivadika” i Jehovah, ary tsy hafoiny mihitsy ny mpanompony tsy mivadika. (Sal. 103:8; 2 Sam. 22:26) Mampahery be izany! Mety ho kivy mantsy isika satria marary na mihantitra, dia tsy mahavita be amin’ny fanompoana an’i Jehovah intsony. Mampahery anefa ny mahafantatra hoe tsy hadinon’i Jehovah mihitsy izay rehetra efa vitantsika taloha noho ny fitiavantsika azy. (Heb. 6:10) Hitantsika amin’izany fa tena mandray soa isika rehefa maneho an’ireo toetra ireo i Jehovah, izany hoe tia rariny, hendry, mahery, ary be fitiavana. Mbola handray soa avy amin’izany koa isika amin’ny hoavy.

12. Inona no tokony hotadidintsika momba ny toetran’i Jehovah?

12 Mila mitadidy koa anefa isika hoe ‘ampahany kely amin’ny zava-bitan’i Jehovah’ ihany no takatry ny saintsika olombelona, ka tsy ho azontsika daholo ny mombamomba ny toetrany rehetra. (Joba 26:14) “Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra” satria miavaka loatra ny fahalehibeazany. (Joba 37:23) Tsy ho voaisa mihitsy àry ny toetran’i Jehovah, sady tsy azo saratsarahina fa miaraka foana. (Vakio ny Romanina 11:33, 34.) Inona ao amin’ny fahitan’i Ezekiela no manasongadina an’io hevitra lehibe io?

“Tarehy efatra ... elatra efatra ... lafiny efatra

13, 14. Inona no asehon’ireo tarehy efatry ny kerobima, ary nahoana isika no milaza an’izany?

13 Tsy iray fotsiny fa efatra ny tarehin’ny kerobima tsirairay hitan’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana. Inona no asehon’izany? Tadidio fa matetika no mampiseho zavatra feno tsara ny isa efatra ao amin’ny Baiboly, ary ilazana hoe tafiditra daholo ny zava-drehetra tsy an-kanavaka. (Isaia 11:12; Mat. 24:31; Apok. 7:1) Intsivy be izao anefa i Ezekiela no namerina an’io isa io tao amin’ity fahitana ity! (Ezek. 1:5-18) Inona no tsoahantsika avy amin’izany? Hoe ny toetran’i Jehovah rehetra no asehon’ireo tarehy ireo rehefa jerena amin’ny fitambarany izy efatra, tsy misy hafa amin’ilay hoe ny anjely tsy mivadika rehetra no asehon’ireo kerobima efatra. b

14 Nahoana koa isika no milaza fa mety tsy ho toetra efatra fotsiny no asehon’ireo tarehy efatra? Andao hodinihintsika indray ny momba an’ireo kodiarana efatra. Mahatalanjona ny kodiarana tsirairay, fa rehefa jerena amin’ny fitambarany izy rehetra, dia tsy hoe kodiarana efatra mahatalanjona fotsiny no asehon’ilay izy, fa fototra ipetrahan’ilay kalesy mihitsy. Dia hoatr’izay koa ny amin’ireo tarehy efatra. Rehefa jerena amin’ny fitambarany izy ireo, dia tsy toetra miavaka efatra fotsiny no asehony, fa fototra iorenan’ny toetran’i Jehovah rehetra mihitsy. Raha ny marina, dia hita taratra ao amin’ny toetrany hafa rehetra ireo toetra efatra ireo.

Eo akaikin’ny mpanompony tsy mivadika rehetra i Jehovah

15. Inona no hevitra mampahery nianaran’i Ezekiela rehefa nahazo an’ilay fahitana voalohany izy?

15 Nisy hevitra tena lehibe sady mampahery nianaran’i Ezekiela avy tamin’ilay fahitana voalohany. Momba ny fifandraisany tamin’i Jehovah io hevitra io, ary hita ao amin’ny teny fampidirana amin’ny boky nosoratany. Nilaza izy hoe “tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina” no nisy azy, dia avy eo izy nitantara hoe “teo no niasa taminy ny herin’i Jehovah.” (Ezek. 1:3) Mariho fa tsy niteny izy hoe tany Jerosalema izy no nahazo an’ilay fahitana, fa teo, izany hoe tany amin’ilay nisy azy tany Babylona. c Inona no dikan’izany? Marina fa natao sesitany lavitra an’i Jerosalema sy ny tempoliny i Ezekiela, sady ambany no niheveran’ny olona azy tany. Tsy hoe tafasaraka tamin’i Jehovah anefa izy na hoe tsy afaka nivavaka taminy intsony. Niseho taminy i Jehovah na dia tany Babylona aza izy. Manaporofo izany hoe afaka nivavaka tamin’Andriamanitra foana i Ezekiela, na taiza izy na taiza, ary na inona na inona toe-javatra nisy azy. Ny tany am-pony sy ny faniriany hanompo an’i Jehovah mantsy no tena zava-dehibe.

16. a) Nahoana no mampahery antsika ny mandinika an’io fahitan’i Ezekiela io? b) Inona no mahatonga anao ho te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

16 Nahoana no mampahery be antsika koa io hevitra nianaran’i Ezekiela io? Manome toky antsika ilay izy hoe rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika, dia ho eo akaikintsika foana izy, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona zavatra iaretantsika, ary na kivy be tahaka ny inona aza isika. (Sal. 25:14; Asa. 17:27) Tsy mora kivy amintsika mpanompony i Jehovah fa manam-paharetana foana, satria tiany be isika tsirairay sady tsy mivadika amintsika izy. (Eks. 34:6) Tsy hisy hahasakana azy tsy ho tia antsika mihitsy àry. (Sal. 100:5; Rom. 8:35-39) Asehon’iny fahitana mahatalanjona iny koa hoe masina i Jehovah sady tena mahery. Mampahatsiahy antsika izany hoe izy irery ihany no mendrika hotompoina. (Apok. 4:9-11) Mampiasa an’ireny fahitana ireny izy mba hanampiana antsika hahatakatra hevi-dehibe sasany momba azy sy ny toetrany. Tena ankasitrahantsika izany! Rehefa mahafantatra kokoa ny toetra tsaran’i Jehovah isika, dia vao mainka ho akaiky azy sy te hidera azy ary hanompo azy amin’ny fontsika manontolo sy ny herintsika manontolo.​—Lioka 10:27.

Tsy hisy hahasakana an’i Jehovah tsy ho tia antsika mihitsy, ary tsy hivadika amintsika mihitsy izy (Fehintsoratra 16)

17. Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika ao amin’ireo toko manaraka?

17 Mampalahelo anefa fa voaloto ny fivavahana madio, tamin’ny andron’i Ezekiela. Fa inona no nahatonga an’izany? Inona no tsapan’i Jehovah rehefa nahita an’izany? Ary inona no ianarantsika avy amin’ireny zava-nitranga ireny? Ho hitantsika ao amin’ireo toko manaraka ny valin’ireo fanontaniana ireo.

a Mampahatsiahy antsika ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny zavatra noresahin’i Ezekiela momba an’ireo zavaboary ireo. Manam-pahaizana maro no mieritreritra hoe “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’io anarana io. Manana heviny roa izy io, ka ny iray amin’izany dia hoe ataony izay hahatonga ny zavaboariny ho azony ampiasaina sy hiova arakaraka izay ilana azy mba hanatanterahana an’izay kasainy.​—Jereo ny Fanazavana Fanampiny A4 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

b Efa 50 eo ho eo izay ny toetran’i Jehovah noresahina tao amin’ny boky sy gazetintsika.​—Jereo ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ilay hoe “Jehovah”, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Lisitry ny Toetrany.”

c Nisy mpamakafaka teny ao amin’ny Baiboly nilaza fa ilay teny hoe “teo” dia mampiseho ny hafalian’i Ezekiela tamin’io fotoana io rehefa nahafantatra hoe teo Andriamanitra, izany hoe tany Babylona. Nilaza koa izy fa nampahery be izany.