Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 2

‘Nankasitrahan’Andriamanitra’ ny Fanomezana Nataon’izy Ireo

‘Nankasitrahan’Andriamanitra’ ny Fanomezana Nataon’izy Ireo

HEBREO 11:4

HEVITRA HODINIHINA: Nasehon’i Jehovah hoe inona no takiny amin’izay manaraka ny fivavahana madio

1-3. a) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.) b) Inona ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio?

 NANDINIKA tsara ny andian’ondriny i Abela. Vao teraka ireo ondriny ireo dia efa nokarakarainy tsara. Nifidy sasantsasany tamin’ireo izy mba hovonoina, dia nataony fanomezana ho an’Andriamanitra. Anisan’ny fanompoany an’Andriamanitra io fanomezana io. Neken’i Jehovah ve ilay izy na dia avy tamin’olombelona tsy lavorary aza?

2 Nilaza ny apostoly Paoly hoe ‘nankasitraka ny fanomezana nataon’i Abela Andriamanitra.’ Nolaviny anefa ny fanomezana nataon’i Kaina. (Vakio ny Hebreo 11:4.) Fa maninona no nankasitrahan’Andriamanitra ny fanomezan’i Abela fa nolaviny ny an’i Kaina? Inona no ianarantsika avy amin’i Kaina sy Abela ary ny olon-kafa resahina ao amin’ny Hebreo toko faha-​11? Rehefa fantatsika ny valin’ireo, dia hazava kokoa amintsika hoe inona no takin’i Jehovah amin’izay manaraka ny fivavahana madio.

3 Handinika kely an’izay nitranga nanomboka tamin’ny andron’i Abela ka hatramin’ny andron’i Ezekiela isika. Ho hitantsika hoe misy zava-dehibe efatra mahatonga ny fanompoana hankasitrahan’Andriamanitra. Iza no tsy maintsy ivavahana? I Jehovah. Tokony ho hoatran’ny ahoana ny hatsaran’ny fanompoana azy? Tokony hoe izay tsara indrindra. Ahoana no fomba tokony hanompoana azy? Tsy maintsy mifanaraka amin’ny sitrapony. Ary inona no antony hanaovana an’ilay izy? Tokony ho antony tsara foana.

Fa maninona no nolavin’Andriamanitra ny fanompoan’i Kaina?

4, 5. Inona no nahatonga an’i Kaina hieritreritra hoe i Jehovah no tokony hanolorany fanomezana?

4 Vakio ny Genesisy 4:2-5. Fantatr’i Kaina hoe ho an’i Jehovah ilay fanomezana ataony. Afaka nianatra momba an’i Jehovah izy sady nanam-potoana be dia be hanaovana an’izany. Efa ho 100 taona angamba izy sy Abela tamin’izy ireo nanolotra an’ilay fanomezana. a Mbola kely izy roa lahy dia nahafantatra ny zaridainan’i Edena, ary mety ho efa hitany avy lavitra mihitsy aza io zaridaina tsara tarehy sady feno zavamaniry io. Azo antoka fa efa hitan’izy ireo koa ny kerobima nisakana ny fidirana tao. (Gen. 3:24) Azo inoana koa fa niteny tamin’izy roa lahy ny ray aman-dreniny hoe i Jehovah no namorona ny zava-drehetra, ary tsy hoatran’ny zavatra niainan-dry zareo ny fikasany ho an’ny olombelona. (Gen. 1:24-28) Ry zareo mantsy nijaly sy nihantitra ary tsy maintsy ho faty. Ireny rehetra ireny angamba no nahatonga an’i Kaina hieritreritra hoe tokony ho an’Andriamanitra ilay fanomezana ataony.

5 Inona koa no mety ho nahatonga an’i Kaina hanolotra an’ilay fanomezana ho an’i Jehovah? Izy no lahimatoa, dia mety ho nieritreritra izy hoe izy ilay “taranaka” nolazain’i Jehovah hoe hanorotoro ny lohan’ilay “menarana” nitaona an’i Eva hanao safidy faran’izay ratsy. (Gen. 3:4-6, 14, 15; 4:1) Ankoatra an’izay, dia mbola niresaka tamin’ny olombelona ihany i Jehovah na dia efa nanota aza ry zareo. Rehefa avy nanota i Adama dia mbola niresaka taminy izy, ary azo inoana fa tamin’ny alalan’ny anjely no nanaovany an’izany. (Gen. 3:8-10) Niresaka tamin’i Kaina koa i Jehovah rehefa avy nanao an’ilay sorona izy. (Gen. 4:6) Azo inoana fa rehefa nieritreritra an’izany i Kaina dia nanatsoaka hevitra hoe mendrika hivavahana i Jehovah.

6, 7. Tsy nahafa-po ve ny hatsaran’ilay fanomezan’i Kaina na tsy nety ny fomba nanolorany azy? Hazavao.

6 Fa maninona àry no tsy nankasitrahan’i Jehovah ilay fanomezana nataon’i Kaina? Tsy nahafa-po ve ny hatsaran’ilay izy? Tsy miteny an’izany ny Baiboly. Milaza fotsiny izy io hoe “vokatry ny tany” no nomen’i Kaina. Nilaza i Jehovah tatỳ aoriana, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, hoe azo ekena io karazana sorona io. (Nom. 15:8, 9) Tadidio koa fa zavamaniry ihany no nohanin’ny olombelona tamin’izany. (Gen. 1:29) Tsy vitan’izany fa nozonin’Andriamanitra ny tany rehetra tany ivelan’i Edena, dia tsy maintsy niasa mafy i Kaina mba hahazoana an’io vokatra io. (Gen. 3:17-19) Sakafo tokony ho nohaniny mba hahavelona azy izany ilay vokatra sady efa niasa mafy izy mba hahazoana an’ilay izy. Mbola tsy nankasitrahan’i Jehovah ihany anefa ilay fanatitra.

7 Sao dia mba ny fomba nanolorany an’ilay fanomezana àry izany no tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah? Azo inoana fa tsy izany. Rehefa nanda an’ilay fanatitra mantsy i Jehovah, dia tsy niteny izy hoe tsy mety ny fomba nanoloran’i Kaina an’ilay izy. Tsy resahin’ny Baiboly akory aza hoe ahoana no fomba nanoloran’i Kaina sy Abela ny fanatitra nataony. Fa inona àry izany no olana?

Tsy tsara ny antony nanaovan’i Kaina sorona (Fehintsoratra 8, 9)

8, 9. a) Nahoana i Jehovah no tsy nankasitraka an’i Kaina sy ny sorona nataony? b) Inona no hitanao hoe mahavariana amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Kaina sy Abela?

8 Hitantsika ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo hoe tsy tsara ny antony nanaovan’i Kaina an’ilay fanatitra. Tsy nanam-pinoana izy. (Heb. 11:4; 1 Jaona 3:11, 12) Izay no nahatonga an’i Jehovah tsy hankasitraka ny fanatitra nataony. Tsy ilay fanatitra ihany anefa no tsy nankasitrahan’i Jehovah fa i Kaina mihitsy koa. (Gen. 4:5-8) Ray be fitiavana i Jehovah ka nanitsy an’io zanany io ary tsara fanahy rehefa nanao an’izany. Tsy nanaiky hahitsy anefa i Kaina, dia hoatran’ny hoe nailiny ny tanan’i Jehovah nefa i Jehovah mba te hanampy azy. Asan’ny nofo no nameno ny fon’i Kaina, izany hoe ‘fankahalana sy ady ary fialonana.’ (Gal. 5:19, 20) Nanao zavatra tsara mba hanompoana an’i Jehovah ihany izy, nefa tsy nisy dikany daholo izany satria ratsy ny tao am-pony. Ianarantsika avy amin’izany hoe raha tena te hanaraka ny fivavahana madio isika, dia tsy tokony ho etỳ ivelany ihany isika no hita hoe tia an’i Jehovah.

9 Be dia be ny zavatra resahin’ny Baiboly momba an’i Kaina. Hita ao, ohatra, izay nolazain’i Jehovah taminy sy izay navaliny an’i Jehovah. Na ny anaran’ny zanany sy ny zavatra sasany nataon’izy ireo aza hitantsika ao. (Gen. 4:17-24) Ary i Abela? Tsy resahin’ny Baiboly hoe nanan-janaka izy, ary tsy misy voasoratra ao izay nolazainy. Na izany aza dia mandray lesona avy amin’izay nataony isika amin’izao.

Modely ho an’izay manaraka ny fivavahana madio i Abela

10. Nahoana i Abela no modely ho an’izay manaraka ny fivavahana madio?

10 I Jehovah no nanoloran’i Abela ny fanatitra nataony satria fantany hoe izy ihany no mendrika handray an’ilay izy. Ny tsara indrindra koa no nomeny satria nifidy “zanak’ondry vitsivitsy tamin’ny andian’ondriny izy, ka izay teraka voalohany no nentiny.” Ankoatra an’izay, dia nety ny fomba nanolorany an’ilay sorona na dia tsy voalazan’ny Baiboly aza hoe teo ambony alitara ve no nanolorany an’ilay izy sa tsia. Nankasitrahan’i Jehovah mantsy ilay sorona. Ny antony nanolorany an’ilay izy anefa no tena miavaka, ary mbola mandray lesona avy amin’izany isika na dia efa 6 000 taona eo ho eo atỳ aoriana aza. Inona izany antony izany? Nanam-pinoana izy sady tena tia ny fitsipik’i Jehovah. Ahoana no ahafantarantsika an’izany?

Fenon’i Abela ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio (Fehintsoratra 10)

11. Nahoana i Jesosy no nilaza hoe olo-marina i Abela?

11 Voalohany, nilaza i Jesosy hoe olo-marina i Abela. (Mat. 23:35) Zavatra hitan’ny masony mihitsy izany satria fantany tsara i Abela. Efa nisy tany an-danitra mantsy izy tamin’ny andron’i Abela, ary tena nahaliana azy ny mombamomba an’io zanak’i Adama io. (Ohab. 8:22, 30, 31; Jaona 8:58; Kol. 1:15, 16) Fa inona moa no atao hoe olo-marina? Ny olo-marina dia olona miaiky hoe i Jehovah no tokony hametraka fitsipika momba an’izay tsara sy ratsy, ary asehony amin’ny teniny sy ny ataony hoe manaiky an’ireny fitsipika ireny izy. (Ampitahao amin’ny Lioka 1:5, 6.) Mila miezaka elaela ny olona iray vao azo antsoina hoe olo-marina. Azo antoka àry hoe talohan’ny nanoloran’i Abela an’ilay fanatitra, dia efa nampiseho tamin’ny fiainany izy hoe manaja ny fitsipik’i Jehovah. Tsy maintsy hoe sarotra taminy izao izany. Azo inoana mantsy hoe tsy modely ho azy i Kaina zokiny lahy, satria efa lasa ratsy ny tao am-pony. (1 Jaona 3:12) Ny mamany koa tsy nankatò ny didy mazava nolazain’Andriamanitra. Ny dadany indray nikomy tamin’i Jehovah satria te hanapa-kevitra irery momba an’izay tsara sy ratsy. (Gen. 2:16, 17; 3:6) Tena nila herim-po àry i Abela! Samy hafa be tamin’ny an’ny fianakaviany mantsy ny safidy nataony.

12. Inona no tena tsy nampitovy an’i Kaina sy Abela?

12 Faharoa, nampifandraisin’i Paoly ny hoe manam-pinoana sy manao ny marina. Nilaza izy hoe: “Finoana no nahatonga an’i Abela hanao sorona ho an’Andriamanitra, dia sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. Noho ny finoany, dia nahazo porofo izy hoe olo-marina.” (Heb. 11:4) Hita avy amin’ireo teny ireo fa tsy hoatran’i Kaina i Abela, satria nasehony teo amin’ny fiainany manontolo hoe tena nanam-pinoana izy sady natoky hoe ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra no mety indrindra.

13. Inona no ianarantsika avy amin’i Abela?

13 Asehon’ny tantaran’i Abela fa raha te hanaraka ny fivavahana madio isika, dia tokony ho antony tsara no hanaovantsika an’izany, izany hoe tokony hanam-pinoana isika sady hanaiky ny fitsipik’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Tsy ampy raha hoe indray mandeha fotsiny isika no mampiseho hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Raha te hanaraka ny fivavahana madio isika dia mila asehontsika amin’izay rehetra ataontsika izany, izany hoe eo amin’ny fiainantsika manontolo.

Nanahaka an’i Abela izy ireo

14. Fa maninona no nankasitrahan’i Jehovah ny fanomezana nataon’i Noa sy Abrahama ary Jakoba?

14 I Abela no olona tsy lavorary voalohany nanaraka ny fivavahana madio. Tsy izy anefa no farany satria nilaza i Paoly hoe nisy olon-kafa koa nanompo an’i Jehovah araka ny sitrapony, ohatra hoe i Noa sy Abrahama ary Jakoba. (Vakio ny Hebreo 11:7, 8, 17-21.) Samy nanolotra sorona ho an’i Jehovah ry zareo, ary nankasitrahan’i Jehovah izany. Tsy hoe nanao sorona fotsiny mantsy ireo lehilahy ireo, fa fenony tsara koa ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio. Andao hodinihintsika ny modely navelan’izy ireo.

Inona no ianarantsika avy amin’ny sorona nataon’i Noa? (Fehintsoratra 15, 16)

15, 16. Nahoana isika no milaza hoe fenon’i Noa ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio?

15 Teraka 126 taona taorianan’ny nahafatesan’i Adama i Noa, ary efa nanaraka fivavahan-diso ny olona tamin’izany. b (Gen. 6:11) I Noa sy ny fianakaviany irery koa no nanompo an’i Jehovah araka ny sitrapony taloha kelin’ny Safodrano. (2 Pet. 2:5) Tafavoaka velona tamin’ny Safodrano izy mianakavy, dia faly be i Noa ka nanorina alitara sy nanao sorona ho an’i Jehovah. Io no alitara voaresaka voalohany tao amin’ny Baiboly. Rehefa nanao an’io sorona io i Noa, dia nasehony tamin’ny fianakaviany sy ny taranany rehetra fa i Jehovah irery ihany no mendrika hivavahana. Betsaka ny biby azony natao sorona, nefa nifidy “tamin’ny biby madio sy ny biby manidina madio izy.” (Gen. 8:20) Ireo no tsara indrindra satria i Jehovah mihitsy no nilaza hoe madio ireo biby ireo.​—Gen. 7:2.

16 Natolotr’i Noa teo ambonin’ilay alitara naoriny ireo fanatitra dorana ireo. Neken’i Jehovah ve ny fomba nanolorany an’ilay izy? Ie. Resahin’ny Baiboly fa nahafinaritra an’i Jehovah ny hanitr’ilay izy, dia nitso-drano an’i Noa sy ny zanany lahy izy. (Gen. 8:21; 9:1) Ny antony nanaovan’i Noa an’ilay sorona anefa no tena nahatonga an’i Jehovah hankasitraka an’ilay izy. Nasehon’i Noa tamin’io sorona io indray mantsy fa tena nanam-pinoana izy, sady natoky hoe ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra no mety indrindra. Nankatò an’i Jehovah sy nanaja ny fitsipiny foana i Noa. Izay no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe “niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy.” Nantsoina hoe olo-marina àry i Noa, ary izay foana no lasa nahafantarana azy.​—Gen. 6:9; Ezek. 14:14; Heb. 11:7.

17, 18. Nahoana isika no milaza hoe fenon’i Abrahama ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio?

17 Nanaraka fivavahan-diso ny olona nanodidina an’i Abrahama. Nisy tempoly ngezabe ho an’ilay andriamanitra volana atao hoe Nanna tao Ora, tanàna nisy an’i Abrahama. c Na ny dadany aza nisy fotoana nanompo andriamani-diso. (Jos. 24:2) Nifidy ny hanompo an’i Jehovah anefa i Abrahama. Azo inoana hoe nampianatra azy momba an’ilay tena Andriamanitra i Sema razambeny, izay zanak’i Noa. Niara-belona nandritra ny 150 taona mantsy ry zareo.

18 Nanao sorona be dia be i Abrahama nandritra ny androm-piainany. I Jehovah foana no nanolorany azy ireny satria izy ihany no mendrika an’izany. (Gen. 12:8; 13:18; 15:8-10) Inona no porofo hoe vonona hanome ny tsara indrindra foana i Abrahama rehefa nanao sorona? Na i Isaka zanany aza foiny hatao sorona nefa tena tiany. Notenenin’i Jehovah mazava tsara tamin’izay hoe ahoana no fomba tiany hanaovan’i Abrahama an’ilay sorona. (Gen. 22:1, 2) Vonona hanaraka an’ilay toromarika amin’ny an-tsipiriany i Abrahama. I Jehovah indray aza no nisakana azy tsy hamono an’ilay zanany. (Gen. 22:9-12) Neken’i Jehovah daholo ny sorona nataon’i Abrahama satria tsara ny antony nanaovany azy ireny. Nilaza i Paoly hoe “naneho finoana an’i Jehovah i Abrahama, ka nekena hoe olo-marina.”​—Rom. 4:3.

Nanome modely ho an’ny fianakaviany i Jakoba (Fehintsoratra 19, 20)

19, 20. Nahoana isika no milaza hoe fenon’i Jakoba ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio?

19 Nipetraka elaela tany Kanana i Jakoba. Io ilay tany nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama sy ny taranany. (Gen. 17:1, 8) Nanompo sampy ny olona tao sady ratsy fitondran-tena be, ka nilaza i Jehovah hoe “haloan’ilay tany” ry zareo. (Lev. 18:24, 25) Niala tany Kanana i Jakoba tamin’izy 77 taona dia nanambady. Niverina tany izy tatỳ aoriana, niaraka tamin’ny ankohonany rehetra. (Gen. 28:1, 2; 33:18) Voatarika hanaraka fivavahan-diso ny olona sasany tao amin’ny fianakaviany. I Jakoba kosa anefa tonga dia nanaiky rehefa nasain’i Jehovah ho any Betela mba hanorina alitara. Noteneniny aloha ny fianakaviany hoe: “Ario ny andriamani-kafa any aminareo, ary diovy ny tenanareo.” Narahiny tsara daholo avy eo izay toromarika nomen’i Jehovah azy.​—Gen. 35:1-7.

20 Nanorina alitara be dia be i Jakoba tao amin’ny Tany Nampanantenaina. I Jehovah foana no nanolorany ny sorona nataony ary izay tsara indrindra foana no nomeny. (Gen. 35:14; 46:1) Araka ny sitrapon’Andriamanitra koa na ny fomba nanaovany an’ireny sorona ireny na ny antony nanaovany azy. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe “tsy nisy tsiny” i Jakoba, izany hoe nankasitrahan’Andriamanitra. (Gen. 25:27) Nampifaly an’i Jehovah foana izy teo amin’ny fiainany, dia lasa modely ho an’ny taranany, dia ny firenen’Israely.​—Gen. 35:9-12.

21. Inona no ianarantsika momba ny fivavahana madio, rehefa mandinika ny ohatra navelan’ny mpanompon’i Jehovah taloha isika?

21 Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Hoatran’ny tamin’ny andron’izy ireo, dia mety hisy olona hitarika antsika tsy hanompo an’i Jehovah irery ihany ary mety ho havantsika mihitsy izany. Raha tsy te ho voatarik’izy ireny isika, dia tsy maintsy miezaka hanana finoana matanjaka sy miezaka ho resy lahatra hoe tsy misy tsara hoatran’ny fitsipik’i Jehovah. Asehontsika hoe manam-pinoana isika rehefa mankatò azy sady mahafoy fotoana sy hery ary fananana mba hanompoana azy. (Mat. 22:37-40; 1 Kor. 10:31) Raha izay tsara indrindra àry no omentsika an’i Jehovah, ary araka ny sitrapony ny fomba anompoantsika azy sady noho ny antony tsara, dia heken’i Jehovah hoe olo-marina isika. Tena mampahery ny mahafantatra an’izany!​—Vakio ny Jakoba 2:18-24.

Firenena iray nanaraka ny fivavahana madio

22-24. Manomeza ohatra ao amin’ny Lalàna ahitana hoe a) iza no tokony hanoloran’ny Israelita sorona, b) hoatran’ny ahoana ny sorona tokony homen’izy ireo, ary d) ahoana ny fomba tokony hanoloran’izy ireo an’ilay izy.

22 Nomen’i Jehovah Lalàna ny taranak’i Jakoba satria tiany ho fantatr’izy ireo tsara hoe inona no takiny aminy. Raha nankatò azy ry zareo, dia ho lasa ‘fananany manokana’ sy “firenena masina.” (Eks. 19:5, 6) Ahoana no nanasongadinan’ny Lalàna an’ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio?

23 Nolazain’i Jehovah mazava tsara tamin’ny Israelita hoe iza no tokony hotompoin’izy ireo. Hoy izy: “Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy.” (Eks. 20:3-5) Tsy maintsy ny tsara indrindra koa no nataon’izy ireo sorona. Tsy tokony hisy kilema na hanan-takaitra, ohatra, ny biby atao sorona. (Lev. 1:3; Deot. 15:21; ampitahao amin’ny Malakia 1:6-8.) Nandray soa avy tamin’ny fanomezana natao ho an’i Jehovah ny Levita. Nanao fanatitra koa anefa ry zareo, ary avy tamin’izay ‘tsara indrindra tamin’ny fanomezana rehetra’ nomena azy ireo no tokony ho nanaovany an’izany. (Nom. 18:29) Nomen’i Jehovah toromarika mazava tsara momba ny fomba hanompoana azy koa ny Israelita. Nampahafantariny, ohatra, hoe inona ny sorona tokony hatao, aiza no hanaovana azy, ary amin’ny fomba ahoana. Nomen’i Jehovah lalàna 600 mahery ny Israelita mba hahafantaran’izy ireo an’izay tokony hatao. Hoy koa izy: “Araho tsara izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Aza miala amin’izany na mivily miankavanana na miankavia.”​—Deot. 5:32.

24 Tena zava-dehibe ve ny toerana nanaovan’ny Israelita sorona? Ie! Nasain’i Jehovah nanorina tranolay masina ny vahoakany, ary izy io no lasa foiben’ny fivavahana madio. (Eks. 40:1-3, 29, 34) Tsy maintsy nentin’ny Israelita tao amin’io tranolay io ny fanatitra nataony tamin’izany, raha tiany hankasitrahan’Andriamanitra. d​—Deot. 12:17, 18.

25. Inona no zava-dehibe indrindra rehefa manao sorona? Hazavao.

25 Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny antony nanaovan’ny Israelita fanatitra. Tokony hoe tena tia an’i Jehovah sy ny fitsipiny izy, dia izay no hahatonga azy hanao fanatitra. (Vakio ny Deoteronomia 6:4-6.) Nolavin’i Jehovah ny sorona nataon’ny Israelita rehefa fahazarana fotsiny no nanompoan’izy ireo azy fa tsy vokatry ny fony. (Isaia 1:10-13) Nasehon’i Jehovah fa na dia miseho ho tia azy aza ny vahoakany dia tsy voafitaka izy. Izao no nasainy nosoratan’i Isaia mpaminany: ‘An-tendro-molotra fotsiny no anajan’ity vahoaka ity ahy, fa ny fony kosa lavitra ahy.’​—Isaia 29:13.

Fanompoana tao amin’ny tempoly

26. Inona no antony nanorenana ny tempolin’i Solomona?

26 Nanorina tempoly tsara lavitra noho ny tranolay masina i Solomona Mpanjaka, taonjato maro taorian’ny nahatongavan’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Izy io indray no lasa foiben’ny fivavahana madio. (1 Mpanj. 7:51; 2 Tan. 3:1, 6, 7) I Jehovah irery ihany no nanolorana sorona tao amin’ilay tempoly tamin’ny voalohany. Faran’izay tsara ny sorona nataon’i Solomona sy ny vahoakany tao amin’izy io sady be dia be. Nifanaraka tsara tamin’ny Lalàn’Andriamanitra koa ny fomba nanolorana an’ireo sorona ireo. (1 Mpanj. 8:63) Tsy ny vola lany tamin’ilay trano na ny habetsahan’ny sorona natao tao anefa no nahatonga an’i Jehovah hankasitraka ny fanompoan’izy ireo. Ny antony nanaovana sorona no tena zava-dehibe taminy. Nanamafy an’izany i Solomona rehefa notokanana ny tempoly. Izao no nolazainy: “Tompoy amin’ny fo manontolo i Jehovah Andriamanitsika, dia araho ny fitsipiny ary ankatoavy ny didiny, hoatran’ny amin’izao androany izao.”​—1 Mpanj. 8:57-61.

27. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny Israely sy ny vahoakany, ary inona no nataon’i Jehovah rehefa nahita an’izany?

27 Nampalahelo fa tsy nanaraka an’ilay torohevitra tsara avy tamin’i Solomona ny Israelita rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nataon’izy ireo intsony ny zava-dehibe sasany takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio. Navelan’ireo mpanjaka teo amin’ny Israely ho lasa ratsy ny fony, dia lasa tsy nanam-pinoana ry zareo sady tsy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah intsony. Hoatr’izany koa no nataon’ny vahoakany. Tena tia azy ireo anefa i Jehovah, dia nandefa mpaminany foana mba hanitsy azy ireo sy hampitandrina hoe ho ratsy ny vokany raha mbola mitohy ny ataony. (Jer. 7:13-15, 23-26) Anisan’ireo mpaminany ireo i Ezekiela ary miavaka ny zavatra nosoratany. Niaina tao anatin’ny fotoana lehibe teo amin’ny tantaran’ny fivavahana madio izy.

Hitan’i Ezekiela hoe voaloto ny fivavahana madio

28, 29. Inona no fantatsika momba an’i Ezekiela? (Jereo ilay efajoro hoe “Ezekiela: Ny Fiainany sy Izay Nitranga Tamin’ny Androny.”)

28 Hain’i Ezekiela tsara ny fomba fanompoana an’i Jehovah tao amin’ilay tempoly naorin’i Solomona. Mpisorona mantsy ny dadany dia nandray anjara tamin’ny fanompoana tao. (Ezek. 1:3) Azo inoana fa nahafinaritra ny fiainan’i Ezekiela tamin’izy mbola kely. Tsy maintsy hoe nampianatra azy momba an’i Jehovah sy ny Lalàna ny dadany. Tamin’i Ezekiela vao teraka kelikely mihitsy no hita tao amin’ny tempoly ny “boky misy ny Lalàna.” e I Josia no nitondra tamin’izany ary mpanjaka tsara izy. Nanohina ny fony ny zavatra voalaza tao amin’ilay boky, dia vao mainka izy niezaka be nanampy ny olona hanaraka ny fivavahana madio.​—2 Mpanj. 22:8-13.

Tsy maintsy hoe nampianatra an’i Ezekiela momba an’i Jehovah sy ny Lalàna ny dadany (Fehintsoratra 28)

29 Fenon’i Ezekiela ireo zava-dehibe efatra takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio, hoatran’ireo lehilahy tsy nivadika talohany ihany. Rehefa mandinika ny bokin’i Ezekiela isika, dia mahita hoe i Jehovah irery no notompoiny, nanao an’izay tsara indrindra foana izy, ary nataony izay nampanaovin’i Jehovah azy sady nataony araka izay notakiny. Nanao an’izany i Ezekiela satria tena nanam-pinoana. Tsy hoatr’izany anefa ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny. Naminany momba an’io vahoaka io i Jeremia tamin’i Ezekiela mbola kely. Nafana fo izy nampitandrina an’ilay vahoaka hoe kely sisa dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’izy ireo i Jehovah.

30. a) Inona no hitantsika avy amin’ireo faminaniana nosoratan’i Ezekiela? b) Inona no atao hoe faminaniana, ary inona no tokony hotadidintsika rehefa mianatra ny faminanian’i Ezekiela? (Jereo ilay efajoro hoe “Ny Tsara ho Fantatra Alohan’ny Handinihana ny Faminanian’i Ezekiela.”)

30 Hita tamin’ny zavatra nosoratan’i Ezekiela fa nihataka lavitra tamin’ny fivavahana madio ny vahoakan’Andriamanitra. (Vakio ny Ezekiela 8:6.) Anisan’ireo natao sesitany tany Babylona i Ezekiela tamin’i Jehovah nanomboka nanafay an’i Joda. (2 Mpanj. 24:11-17) Tsy hoe voasazy akory izy, fa nisy asa tian’i Jehovah hampanaovina azy momba an’ilay vahoaka tany an-tsesitany. Hita avy amin’ireo fahitana mahavariana sy faminaniana nosoratan’i Ezekiela hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio, tsy any Jerosalema ihany fa maneran-tany mihitsy. Hanompo an’i Jehovah izay rehetra tia azy amin’izay.

31. Inona avy no ho hitantsika ato amin’ity boky ity?

31 Ho hitantsika ao amin’ireo fizarana ato amin’ity boky ity hoe hoatran’ny ahoana ny any amin’ny lanitra misy an’i Jehovah, ahoana no nahatonga ny fivavahana madio ho voaloto tanteraka, ahoana no namerenan’i Jehovah ny fivavahana madio tamin’ny laoniny sy niarovany ny vahoakany, ary hanao ahoana ny hoavy rehefa hanompo an’i Jehovah ny olombelona rehetra. Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka ny fahitana voalohany nosoratan’i Ezekiela. Manampy antsika haka sary an-tsaina ny voninahitr’i Jehovah sy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany izy io, ary manasongadina hoe nahoana no izy irery ihany no mendrika hotompoina sy hivavahana.

a Taoriana kelin’ny nandroahana an’i Adama sy Eva tao Edena no teraka i Abela. (Gen. 4:1, 2) Milaza ny Genesisy 4:25 hoe nomen’Andriamanitra an’i Seta i Eva “ho solon’i Abela.” Efa maty i Abela tamin’i Seta teraka, ary 130 taona i Adama tamin’izay. (Gen. 5:3) Mety ho 100 taona teo ho eo àry i Abela tamin’izy novonoin’i Kaina.

b Milaza ny Genesisy 4:26 hoe “nanomboka niantso ny anaran’i Jehovah” ny olona tamin’ny andron’i Enosa, zafikelin’i Adama. Azo inoana anefa fa tsy nanaja an’io anarana io ry zareo. Nantsoiny hoe Jehovah angamba ny sampy nivavahany.

c Nantsoina hoe Sîn koa io andriamanitra io. Marina fa be dia be ny andriamanitra nivavahan’ny olona tao Ora. Natokana ho an’i Nanna anefa ny ankamaroan’ny tempoly sy ny alitara tao.

d Rehefa nesorina tao amin’ny tranolay masina ny Vata masina, dia afaka nanao sorona tany an-toeran-kafa ny olona ary azo inoana hoe nankasitrahan’i Jehovah izany.​—1 Sam. 4:3, 11; 7:7-9; 10:8; 11:14, 15; 16:4, 5; 1 Tan. 21:26-30.

e Azo inoana hoe 30 taona i Ezekiela tamin’izy nanomboka naminany, tamin’ny 613 T.K. Mety ho tamin’ny 643 T.K. izany izy no teraka. (Ezek. 1:1) Nanomboka nanjaka i Josia tamin’ny 659 T.K. Tamin’ny faha-18 taona nanjakany tany ho any no hita ny boky misy ny Lalàna (angamba ilay nosoratan’i Mosesy), izany hoe tany ho any amin’ny 642-641 T.K.