Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 17

“Hamely Anao Aho, ry Goga”

“Hamely Anao Aho, ry Goga”

EZEKIELA 38:3

HEVITRA HODINIHINA: Fanazavana momba an’i “Goga” sy ilay “tany” hotafihiny

1, 2. Inona no ady lehibe hitranga tsy ho ela, ary inona avy ny fanontaniana mipoitra momba azy io? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.)

 NANDRITRA ny an’arivony taona, dia betsaka ny olona maty vokatry ny ady nifanaovan’ny olombelona. Nisy ra nandriaka, ohatra, teto an-tany nandritra ny Ady Lehibe I sy II. Efa kely anefa sisa dia ho avy ilay ady lehibe indrindra eo amin’ny tantara. Tsy adin’olombelona izy io, ka hoe firenena samy firenena no hiady noho ry zareo tia tena sy te hahazo tombony. “Adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” kosa izy io. (Apok. 16:14) Inona no hahatonga an’io ady io? Hanafika tany sarobidy be amin’i Jehovah Tompo Fara Tampony ny fahavalo iray manambony tena. Ho tezitra be i Jehovah amin’izay ka handringana ny fahavalony. Efa nampiasa ny heriny mba handringanana izy taloha, fa io no hiavaka indrindra!

2 Iza io fahavalo io, ary inona ilay tany hotafihiny? Rahoviana ary nahoana izy no hanafika an’ilay tany? Ary ahoana no hanaovany an’izany? Tokony hitady ny valin’ireo isika satria mahakasika an’izay manaraka ny fivavahana madio ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy ireo. Hahita an’izany isika ao amin’ny faminaniana iray mahaliana resahin’ny Ezekiela toko faha-​38 sy faha-​39.

I Goga avy any Magoga ilay fahavalo

3. Inona ny hevi-dehibe ao amin’ilay faminanian’i Ezekiela?

 3 Vakio ny Ezekiela 38:1, 2, 8, 18; 39:4, 11. Izao ny hevi-dehibe ao amin’ilay faminaniana: “Amin’ny farany, rehefa afaka taona maro”, dia hisy fahavalo antsoina hoe ‘Goga avy any Magoga’ hanafika an’ilay “tany” misy ny vahoakan’Andriamanitra. “Ho tezitra be” i Jehovah amin’izay ka hiady amin’i Goga, ary handresy azy. a Rehefa resin’i Jehovah izy sy izay rehetra miaraka aminy, dia ‘homeny ho sakafon’ny vorona mpihaza isan-karazany sy ny bibidia’ ry zareo. ‘Homeny fasana’ i Goga amin’ny farany. Raha tiantsika ho azo tsara hoe ahoana no hahatanteraka an’io faminaniana io amin’ny hoavy tsy ho ela, dia mila fantarintsika aloha hoe iza i Goga.

4. Iza i Goga avy any Magoga?

4 Iza marina i Goga avy any Magoga? Fahavalon’izay manaraka ny fivavahana madio izy io, raha jerena ny fanazavana ao amin’ny Ezekiela. Anarana iantsoana an’i Satana ve anefa izy io, satria hoe izy no lehibe indrindra amin’ny fahavalon’ny fivavahana marina? Izany no nolazain’ny bokintsika nandritra ny taona maro. Nahitsy anefa izany rehefa nandinika bebe kokoa ny faminanian’i Ezekiela isika. Nanazava Ny Tilikambo Fiambenana hoe tsy zavaboary ara-panahy tsy hita maso i Goga avy any Magoga fa fahavalo olombelona, izany hoe firenena maromaro mitambatra mba hiady amin’ny fivavahana madio. b Ahoana no nahatonga antsika hilaza an’izany? Andao aloha hojerentsika ao amin’ilay faminanian’i Ezekiela ny porofo roa manamarina hoe tsy zavaboary ara-panahy i Goga.

5, 6. Inona ao amin’ny faminanian’i Ezekiela no manaporofo fa tsy zavaboary ara-panahy i Goga avy any Magoga?

5 ‘Homeko ho sakafon’ny vorona mpihaza isan-karazany ianao.’ (Ezek. 39:4) Matetika ny Baiboly no miresaka momba ny vorona mpihaza mihinana faty mba hilazana hoe hampihatra didim-pitsarana Andriamanitra. Efa nilaza zavatra hoatr’izany tamin’ny Israelita sy ny firenena hafa i Jehovah mba hampitandremana azy ireo. (Deot. 28:26; Jer. 7:33; Ezek. 29:3, 5) Mariho anefa fa tsy ho an’ny zavaboary ara-panahy ireny fampitandremana ireny, fa ho an’ny olombelona nofo aman-dra. Nofo rahateo no hanin’ny vorona mpihaza sy ny bibidia fa tsy fanahy. Hitantsika avy amin’io fampitandremana ao amin’ilay faminanian’i Ezekiela io àry fa tsy zavaboary ara-panahy i Goga.

6 “Homeko fasana any Israely i Goga.” (Ezek. 39:11) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe misy zavaboary ara-panahy halevina eto an-tany. Voalaza ao, ohatra, hoe hogadraina ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany mandritra ny 1 000 taona. Hatsipy mafy ao amin’ny farihy afo sy solifara ry zareo aorian’izay, izany hoe horinganina mandrakizay. (Lioka 8:31; Apok. 20:1-3, 10) Ilay faminanian’i Ezekiela anefa milaza hoe ‘homena fasana’ eto an-tany i Goga. Midika izany fa tsy zavaboary ara-panahy izy.

7, 8. Nahoana no azo lazaina hoe mitovy amin’izay hitranga amin’ny “mpanjakan’ny avaratra” ny hanjo an’i Goga avy any Magoga?

7 Hitantsika àry fa tsy zavaboary ara-panahy io fahavalo hanafika ny mpanompon’i Jehovah io. Nahoana anefa isika no milaza hoe firenena maromaro mitambatra izy io? Hanampy antsika hamaly an’izany ny faminaniana roa hafa resahin’ny Baiboly.

8 “Ny mpanjakan’ny avaratra.” (Vakio ny Daniela 11:40-45.) Nilaza i Daniela fa hisy fitondram-panjakana hifandimby manomboka amin’ny androny ka hatramin’ny androntsika. Niresaka momba ny “mpanjakan’ny atsimo” sy ny “mpanjakan’ny avaratra” koa izy ary nilaza fa hifaninana sy hiady izy ireo. Niady ho ambony noho ny hafa foana ny fitondram-panjakana samy hafa teto an-tany, dia niovaova ny fitondram-panjakana nitana ny toeran’ireo mpanjaka roa ireo nandritra ny taonjato maro. Nilaza i Daniela fa “amin’ny fotoanan’ny farany”, dia “ho tezitra be” ny mpanjakan’ny avaratra “ka hivoaka handripaka sy handringana olona maro.” Ny mpanompon’i Jehovah no tena tiany hotafihina. c Hoatran’i Goga avy any Magoga ihany anefa dia tsy hahomby io mpanjaka io rehefa hanafika ny mpanompon’i Jehovah, ary ho ringana ny “hiafarany.”

9. Inona no mampitovy an’izay hitranga amin’i Goga avy any Magoga sy izay hanjo ny “mpanjakan’ny tany manontolo”?

9 Ny “mpanjakan’ny tany manontolo.” (Vakio ny Apokalypsy 16:14, 16; 17:14; 19:19, 20.) Milaza ny Apokalypsy hoe hotafihin’ireo “mpanjakan’ny tany” ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka”, izany hoe i Jesosy. Tsy ho tody any amin’i Jesosy any an-danitra mihitsy anefa ry zareo, ka izay olona eto an-tany manohana ny Fanjakany no hanamparan-dry zareo ny hatezerany. Ho resy anefa ireo “mpanjakan’ny tany” ireo amin’ny ady Aramagedona. Mariho fa rehefa avy manafika ny vahoakan’i Jehovah ry zareo dia ho ringana. Hoatr’izany mihitsy no voalaza momba an’i Goga avy any Magoga. d

10. Inona avy no azo lazaina momba an’i Goga avy any Magoga?

10 Inona àry no azo lazaina momba an’i Goga rehefa jerena izany rehetra izany? Voalohany, tsy zavaboary ara-panahy izy. Faharoa, mampiseho firenena maromaro hanafika ny vahoakan’Andriamanitra tsy ho ela i Goga. Azo inoana hoe hivondrona ireo firenena ireo rehefa hanafika. Nahoana? Satria miparitaka maneran-tany ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy ho vitan’ny firenena iray ihany ny hanafika azy rehetra. Tsy maintsy hiray hina sy hifanampy àry ireo firenena ireo mba hahatratra ny tanjony. (Mat. 24:9) I Satana no atidoha mikotrika an’io fanafihana io! Nitaona ny firenena eto an-tany foana izy hatramin’izay mba hanohitra ny fivavahana madio. (1 Jaona 5:19; Apok. 12:17) Izay hataon’ireo firenena hanafika ny vahoakan’i Jehovah anefa no resahin’ny faminanian’i Ezekiela momba an’i Goga avy any Magoga. e

Inona ilay “tany”?

11. Inona no lazain’ny faminanian’i Ezekiela momba an’ilay “tany” hotafihin’i Goga?

11 Hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra faha-3 fa ho tezitra be i Jehovah satria hanafika tany sarobidy be aminy i Goga avy any Magoga. Inona io tany io? Andao hojerentsika indray ilay faminanian’i Ezekiela. (Vakio ny Ezekiela 38:8-12.) Voalaza ao hoe ‘hotafihin’i Goga ny tanin’ireo olona naverina indray tao amin’ny taniny’ sy “nangonina avy any amin’ireo firenena.” Voalaza ao koa hoe “miadana sy milamina” ireo olona ao amin’ilay tany ireo sady “manangona harena”, ary “mipetraka ao amin’ny tanàna kely tsy misy manda na bara hidiny na vavahady miaro azy.” Ny tany misy an’ireo manaraka ny fivavahana madio maneran-tany no tian’ilay faminaniana horesahina. Hijery tsipiriany bebe kokoa momba azy io isika izao.

12. Nahoana no azo lazaina fa efa nisy famerenana tamin’ny laoniny tany Israely?

12 Tany Israely ny vahoaka nofidin’Andriamanitra no nipetraka sy niasa ary nanompo azy, nandritra ny taonjato maro. Rehefa nivadika tamin’i Jehovah ry zareo, dia naniraka an’i Ezekiela izy mba hilaza hoe ho rava ny tanin-dry zareo ary tsy hisy mponina intsony. (Ezek. 33:27-29) Nilaza koa anefa i Jehovah hoe hisy hibebaka ny olona hatao sesitany any Babylona, dia hiverina any Israely ka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ao amin’ilay tany. Hotahin’i Jehovah ilay tany, dia tsy ho ngazana intsony fa hamokatra be “hoatran’ny zaridainan’i Edena.” (Ezek. 36:34-36) Tanteraka tamin’ny 537 T.K. izany, rehefa tafaverina tany Jerosalema ny Jiosy natao sesitany ka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio tao amin’ilay taniny.

13, 14. a) Inona ilay tany an’ohatra hotafihin’i Goga? b) Nahoana izy io no sarobidy amin’i Jehovah?

13 Mitovitovy amin’izany koa no nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah tatỳ aoriana. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-9 fa nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ry zareo tamin’ny 1919 rehefa avy babo ela be tao. Nentin’i Jehovah tany amin’ny tany anankiray an’ohatra ny vahoakany tamin’io taona io. Inona io tany io? Ilay paradisa ara-panahy izy io, ary ao isika no miara-manompo an’i Jehovah. Milamina tsara isika ao sady mahazo sakafo ara-panahy tondraka, ary voaro sy milamin-tsaina. (Ohab. 1:33) Faly sy afa-po koa isika ao manao asa isan-karazany mba hahafahana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena tsapantsika mihitsy ny voalazan’ilay ohabolana hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy ampiany fijaliana izany.” (Ohab. 10:22) Inona no tokony hataontsika raha te hijanona ao amin’io paradisa ara-panahy io foana isika, na aiza na aiza misy antsika? Mila asehontsika amin’izay lazaintsika sy ataontsika hoe manohana ny fivavahana madio isika.

14 Sarobidy amin’i Jehovah io paradisa ara-panahy io. Nahoana? Satria aminy dia “zava-tsarobidy eo amin’ny firenena rehetra” ny olona mipetraka ao, izany hoe ny olona notaominy hanaraka ny fivavahana madio. (Hag. 2:7; Jaona 6:44) Miezaka be ireo olona ireo mba hitafy ny toetra vaovao, izay mampiseho taratra ny toetra tsaran’i Jehovah. (Efes. 4:23, 24; 5:1, 2) Tena mahafoy tena ry zareo rehefa manompo azy, satria te hanome voninahitra azy sady te hanaporofo hoe tia azy. (Rom. 12:1, 2; 1 Jaona 5:3) Azo antoka fa faly be i Jehovah mahita ny mpanompony miasa mafy mba hanatsarana an’ilay paradisa ara-panahy. Eritrereto ange e! Rehefa ny fivavahana madio no ataonao zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao, dia tsy vitan’ny hoe manatsara an’ilay paradisa ara-panahy ianao fa mampifaly ny fon’i Jehovah koa!​—Ohab. 27:11.

Mila asehontsika hoe manohana ny fivavahana madio isika. Ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy foana isika amin’izay, na aiza na aiza misy antsika (Fehintsoratra  13, 14)

Rahoviana ary nahoana i Goga no hanafika an’ilay tany? Ahoana no hanaovany an’izany?

15, 16. Rahoviana i Goga avy any Magoga no hanafika an’ilay paradisa ara-panahy?

15 Mety hampanahy ny mieritreritra hoe tsy ho ela dia hivondrona hanafika an’ilay tany sarobidy misy antsika ireo firenena. Te hahafantatra bebe kokoa momba an’io fanafihana io isika satria mahakasika antsika ilay izy. Handinika fanontaniana telo momba an’izany isika izao.

16 Rahoviana i Goga avy any Magoga no hanafika an’ilay tany? Milaza ilay faminaniana hoe hanafika an’ilay tany i Goga “amin’ny farany, rehefa afaka taona maro.” (Ezek. 38:8) Midika izany hoe aloha kelin’ny handringanana an’izao tontolo izao no hanafika i Goga avy any Magoga. Tadidio fa hanomboka amin’ny fandravana an’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, ny fahoriana lehibe. Aorian’io fandravana ny fivavahan-diso io sy alohan’ny Aramagedona i Goga no hanafika an’izay rehetra manaraka ny fivavahana marina.

17, 18. Hoteren’i Jehovah hanafika ny vahoakany ve ireo firenena amin’ny fahoriana lehibe? Hazavao.

17 Nahoana i Goga no hanafika an’ilay tany? Manampy antsika hamaly an’izany ny zavatra roa noresahin’ny faminanian’i Ezekiela: Ny zavatra hataon’i Jehovah sy ny teti-dratsin’i Goga.

18 Ny zavatra hataon’i Jehovah. (Vakio ny Ezekiela 38:4, 16.) Mariho fa niteny tamin’i Goga i Jehovah hoe: “Hasiako faraingo ny valanoranonao” ary “hoentiko hamely ny taniko ianao.” Midika ve ireo tenin’i Jehovah ireo hoe hotereny hanafika ny vahoakany ireo firenena? Tsia! Tsy hanao zavatra hampijaly ny vahoakany mihitsy izy. (Joba 34:12) Fantatr’i Jehovah anefa fa hankahala ny mpanompony ny fahavalony, ka hanararaotra handringana an-dry zareo raha vao afaka manao an’izany. (1 Jaona 3:13) Amin’ny heviny ahoana àry no hoe hasian’i Jehovah faraingo ny valanoranon’i Goga dia hotaritiny any amin’izay itiavany azy izy? Hataony mifanaraka amin’izay efa noeritreretiny ny zavatra hiseho, ary amin’ny fotoana efa napetrany izany no hitranga. Rehefa rava i Babylona Lehibe, dia hataon’i Jehovah izay hahatonga an’ireo firenena hanatanteraka an’izay efa noeritreretin-dry zareo. Hipoaka ny ady Aramagedona aorian’izay, ary io no ady lehibe indrindra hatramin’izay. Hanafaka ny vahoakany anefa i Jehovah, dia hanamarina ny zony hitondra sy hanamasina ny anarany.​—Ezek. 38:23.

Hitady hevitra mba handrobana ny fivavahana madio ireo firenena satria mankahala azy io sy izay rehetra manaraka azy io

19. Inona no hahatonga an’i Goga hitady hevitra mba handrobana ny fivavahana madio?

19 Ny teti-dratsin’i Goga. Efa hatramin’ny ela ireo firenena no nankahala ny mpanompon’i Jehovah sy tezitra tamin-dry zareo, ka “hamorona teti-dratsy” izy ireo mba hanamparana ny hatezerany. Toy ny hoe mora tafihina ny mpanompon’i Jehovah satria hoatran’ny hoe “mipetraka ao amin’ny tanàna kely tsy misy manda na bara hidiny na vavahady miaro azy.” Mieritreritra ireo firenena ireo fa “haka babo be dia be sy handroba zavatra maro” amin’ireo vahoaka “manangona harena” ireo. (Ezek. 38:10-12) Inona izany “harena” izany? Be dia be ny harena ara-panahy ananan’ny vahoakan’i Jehovah. Ny sarobidy indrindra amin’izany dia ny fivavahana madio, izay atolotsika ho an’i Jehovah irery ihany. Hitady hevitra ireo firenena mba handrobana azy io. Nahoana? Tsy hoe satria sarobidy amin-dry zareo ny fivavahana madio, fa satria halany izy io sy izay rehetra manaraka azy io.

“Hamorona teti-dratsy” mba hamongorana ny fivavahana madio i Goga nefa tsy hahomby (Fehintsoratra 19)

20. Ahoana no hanafihan’i Goga an’ilay paradisa ara-panahy?

20 Ahoana no hanafihan’i Goga an’ilay paradisa ara-panahy? Azo inoana hoe hiezaka hanakorontana ny fiainantsika sy hanakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah ireo firenena, dia ny zavatra ataontsika ao amin’ilay paradisa ara-panahy no tena hokendreny. Hataon-dry zareo angamba izay hahatonga antsika tsy hahazo sakafo ara-panahy, na tsy hiara-hivory, na tsy hiray saina, na tsy hazoto hitory. Tsy izay ihany fa hampirisihin’i Satana ireo firenena, dia hanandrana hamongotra ny mpanompon’i Jehovah sy ny fivavahana madio.

21. Nahoana no mahafaly anao ny hoe mampitandrina mialoha momba an’izay hitranga tsy ho ela i Jehovah?

21 Izay rehetra manaraka ny fivavahana marina ao amin’ilay paradisa ara-panahy àry no hotafihin’i Goga avy any Magoga. Tena faly isika satria mampitandrina antsika mialoha momba an’io fanafihana io i Jehovah! Eo am-piandrasana ny fahoriana lehibe, dia tapa-kevitra isika fa hanaraka ny fivavahana madio foana ary izy io no hataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Rehefa manao an’izany isika dia manatsara an’ilay paradisa ara-panahy. Tsy vitan’izay fa hahita zavatra miavaka isika tsy ho ela, izany hoe ny hiarovan’i Jehovah ny vahoakany sy ny anarany masina mandritra ny ady Aramagedona. Izany no horesahintsika ao amin’ny toko manaraka.

a Horesahina ao amin’ny toko manaraka hoe ahoana no hataon’i Jehovah rehefa hanampatra ny hatezerany amin’i Goga avy any Magoga izy, ary rahoviana izany no hitranga. Ho hitantsika ao koa ny dikan’izany ho an’izay manaraka ny fivavahana madio.

b Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2015, pejy 29-30.

c Hita ao amin’ny Daniela 11:45 fa hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra. Voalaza ao mantsy hoe io mpanjaka io dia ‘hanorina ny tranolainy eo anelanelan’ny ranomasina lehibe [Ranomasina Mediterane] sy ny tendrombohitra masin’ilay Tany Kanto [izay nisy ny tempolin’Andriamanitra taloha sy nanompoan’ny vahoakany azy].’

d Milaza koa ny Baiboly fa hisy fahavalo mitovy amin’ny “Asyrianina” hanafika ny vahoakan’i Jehovah ka hitady hamongotra azy ireo. (Mika 5:5) Fahavalo efatra àry no resahin’ny Baiboly hoe hanafika ny vahoakan’Andriamanitra: Goga avy any Magoga, ny mpanjakan’ny avaratra, ny mpanjakan’ny tany, ary ny Asyrianina. Mety ho fanafihana iray ihany no tiana horesahina amin’ireo fanafihana efatra ireo.

e Raha tianao ho fantatra hoe iza ilay hoe “Goga sy Magoga” resahina ao amin’ny Apokalypsy 20:7-9, dia jereo ny Toko 22.