Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 15

‘Tsy Havelako Hivaro-tena Intsony Ianao’

‘Tsy Havelako Hivaro-tena Intsony Ianao’

EZEKIELA 16:41

HEVITRA HODINIHINA: Ny lesona ianarantsika avy amin’ireo mpivaro-tena resahin’ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy

1, 2. Nahoana no maharikoriko kokoa ny mpivaro-tena sasany?

 MALAHELO isika matetika rehefa mahita olona lasa mivaro-tena. Mety hieritreritra isika hoe fa maninona izy no manao zavatra ratsy be hoatr’izany. Nisy nahery setra taminy ve sa nisy nanolana azy ny tao an-tranony, dia mbola kely izy dia lasa nivaro-tena? Sa mahantra be izy dia izay sisa no fitadiavam-bola hitany? Sa ve lasa nanao an’izany izy satria namono azy ny vadiny dia nitsoaka izy? Mampalahelo fa be dia be ny vehivavy iharan’ny zavatra hoatr’izany amin’izao! Tsy mahagaga àry raha tsara fanahy be tamin’ny mpivaro-tena sasany i Jesosy. Nasongadiny hoe raha mibebaka sy miova ny olona nanao ratsy, dia mbola afaka manantena hoe hihatsara ny fiainany.​—Mat. 21:28-32; Lioka 7:36-50.

2 Misy karazana mpivaro-tena hafa anefa. Izy mihitsy no misafidy hivaro-tena, ary tsy mahamenatra azy ilay izy fa mahafinaritra azy satria ahazoany vola sy fahefana. Mbola ratsy noho izany aza raha manana vady tsara toetra sy tsy mampirafy izy, fa izy indray no mivadika amin’ilay lehilahy dia mivaro-tena. Iza no tsy ho rikoriko amin’izany vehivavy izany sy ny ataony? Azo antoka fa izany mihitsy no tsapan’i Jehovah amin’ny fivavahan-diso, dia izay no mahatonga azy hampitaha azy io matetika amin’ny mpivaro-tena.

3. Ny toko fahafiry amin’ny bokin’i Ezekiela no hodinihintsika ato?

3 Resahina ao amin’ny Ezekiela toko faha-16 sy faha-23 hoe noharin’i Jehovah tamin’ny mpivaro-tena ny vahoakany tany Israely sy Joda rehefa nivadika taminy. Alohan’ny handinihana akaiky an’ireo toko ireo, dia andao aloha isika hiresaka momba ny mpivaro-tena iray hafa resahin’ny Baiboly. Efa talohan’ny andron’i Ezekiela izy io no nisy, tamin’ny mbola tsy nisy akory ny Israelita. Mbola eo foana izy io hatramin’izao sady vao mainka mahazo vahana. Resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly hoe iza io mpivaro-tena io.

“Ilay renin’ny mpivaro-tena”

4, 5. Iza i “Babylona Lehibe”, ary ahoana no ahafantarantsika an’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.)

4 Miresaka momba ny vehivavy miavaka iray antsoina hoe “mpivaro-tena lehibe” ilay fahitana nomen’i Jesosy ny apostoly Jaona tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. Antsoina hoe “Babylona Lehibe, ilay renin’ny mpivaro-tena”, koa izy io. (Apok. 17:1, 5) Efa nandritra ny taonjato maro ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly no nitady hoe iza io vehivavy io. Misy mieritreritra hoe i Babylona na i Roma na ny Eglizy Katolika izy io. Efa am-polony taona anefa ny Vavolombelon’i Jehovah no nahafantatra hoe ny fivavahan-diso rehetra ilay “mpivaro-tena lehibe.” Ahoana no nahafantarantsika an’izany?

5 Resahin’ny Apokalypsy fa nomelohin’Andriamanitra io mpivaro-tena io satria nijangajanga tamin’ny “mpanjakan’ny tany”, izany hoe ny fitondram-panjakan’olombelona. Mazava àry fa tsy fitondram-panjakan’olombelona izy io. Voalaza ao koa fa rehefa rava i Babylona Lehibe dia hitomany azy ny “mpivarotra eto an-tany”, izany hoe ny tontolon’ny varotra. Midika izany fa tsy ny tontolon’ny varotra koa izy io. Fa iza àry izany io vehivavy io? Milaza ny Apokalypsy fa ‘nilalao ody’ sy nanompo sampy ary namitaka izy io. Tsy izany mihitsy ve no ataon’ny fivavahana eto amin’izao tontolo izao? Mariho koa fa mitaingina bibidia ilay mpivaro-tena, izany hoe manana fahefana amin’ny fitondram-panjakan’olombelona. Mampijaly ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika koa izy. (Apok. 17:2, 3; 18:11, 23, 24) Izany mihitsy no ataon’ny fivavahan-diso hatramin’izay ka hatramin’izao.

Avy tao Babela, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Babylona, no niandohan’ny fivavahan-diso isan-karazany sy ny fanao arahin’izy ireny ary ny zavatra inoany (Fehintsoratra 6)

6. Fa maninona i Babylona Lehibe no antsoina hoe “renin’ny mpivaro-tena”?

6 Fa maninona anefa i Babylona Lehibe no antsoina hoe “renin’ny mpivaro-tena” fa tsy hoe “mpivaro-tena lehibe” fotsiny? Tadidio fa tany amin’ilay tanàna fahiny hoe Babela, na Babylona, no nanomboka nisy ny fivavahan-diso, dia izay no nahatonga an’ilay anarana hoe Babylona Lehibe. Nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny olona tany, dia lasa tsy nifankahazo intsony ry zareo. Niparitaka naneran-tany ny olona taorian’izay ary nentiny nanaraka azy ny zavatra ninoany. (Gen. 11:1-9) Lasa nisy karazana fivavahan-diso be dia be nanomboka teo, ary azo lazaina hoe zanak’i Babylona Lehibe izy ireny. Matetika i Satana no mampiasa azy ireny mba hitaomana ny olona hifandray amin’ny fanahy ratsy, hanompo sampy, ary hanaraka hevitra sy fombafomba manala baraka an’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha mampitandrina ny vahoakany i Jehovah hoe: “Mivoaha avy ao aminy, ianareo vahoakako, raha tsy tianareo ny hiray tsikombakomba aminy amin’izay fahotana nataony.”​—Vakio ny Apokalypsy 18:4, 5.

7. Nahoana isika no tokony ‘hivoaka’ avy ao amin’i Babylona Lehibe?

7 Mampihatra an’izany ve ianao? Tadidio fa matoa ny olona mitady fivavahana dia satria mahatsapa izy hoe “mila an’Andriamanitra.” (Mat. 5:3) I Jehovah mihitsy no namorona antsika ho hoatran’izany, ka tsy hety mihitsy ny fanompoantsika raha tsy amin’ny fomba ankasitrahany. Izay no mahatonga antsika mpanompon’i Jehovah tsy hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso mihitsy. Tena tian’i Satana Devoly anefa ny mamitaka antsika mba hahatonga antsika hanaraka fivavahan-diso, ary mahomby izy matetika. Talohan’ny andron’i Ezekiela, ohatra, dia imbetsaka ny Israelita no lasa nanaraka fivavahan-diso, ka hoatran’ny hoe nivaro-tena. Mahasoa antsika àry ny mandinika ny tantaran-dry zareo satria ahitantsika ny fitsipik’i Jehovah sady ahitantsika hoe manao ny rariny sy mamindra fo izy.

‘Lasa nivaro-tena ianao’

8-10. a) Inona no zava-dehibe takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio? b) Inona no tsapan’i Jehovah rehefa manompo andriamani-kafa ny mpanompony? Hazavao amin’ny ohatra.

8 Indroa i Ezekiela no nasain’i Jehovah nampiasa fanoharana momba ny mpivaro-tena mba hampisehoana hoe nalahelo be izy sady nahatsiaro ho voafitaka rehefa nivadika taminy ny vahoakany. Nahoana ry zareo no nohariny tamin’ny mpivaro-tena?

9 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa anisan’ny zava-dehibe takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio ny hoe i Jehovah irery no tokony hotompoina. Izao no nolazainy ao amin’ny Lalàna ho an’ny Israely: “Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy [na: “hifandrafy amiko”, f.a.p.] ... fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” (Eks. 20:3, 5) Mbola nanamafy izy tatỳ aoriana hoe: “Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamani-kafa, satria i Jehovah efa fantatra hoe mitaky ny hanompoana azy irery ihany. Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany tokoa izy.” (Eks. 34:14) Mazava be ny tenin’i Jehovah! Tsy maintsy hoe izy irery ihany no tompointsika, izay izy vao hankasitraka ny fanompoantsika.

10 Haka ohatra momba ny mpivady isika mba hahazoantsika tsara an’ilay hevitra. Samy manantena ny mpivady hoe tsy hampirafy azy mihitsy ny anankiray fa izy irery ihany no hiarahany, ary zony izany. Raha raiki-pitia amin’olon-kafa anefa ny iray na manao firaisana amin’olon-kafa, dia rariny raha saro-piaro sy mahatsiaro ho voafitaka ilay vadiny. (Vakio ny Hebreo 13:4.) Hoatr’izany mihitsy no tsapan’i Jehovah rehefa nivadika taminy ny vahoakany ka nanompo andriamani-kafa, nefa efa nanokan-tena hanompo azy irery ihany. Nalahelo be izy satria voafitaka, dia izay fihetseham-pony izay no tiany hasongadina tsara rehefa nohariny tamin’ny mpivaro-tena ry zareo ao amin’ny Ezekiela toko faha-​16.

11. Inona no nolazain’i Jehovah momba an’i Jerosalema sy ny niandohany?

11 Ao amin’ny Ezekiela toko faha-​16 no misy ny tenin’i Jehovah lava indrindra ao amin’ny bokin’i Ezekiela, dia ao koa no misy ny faminaniany anisan’ny lava indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny tanànan’i Jerosalema no nasain’i Jehovah niresahan’i Ezekiela ao, ary manondro ny mponin’i Joda nivadika taminy izy io. Tantaraina ao fa hoatran’ny zaza narian’ny ray aman-dreniny i Jerosalema tamin’ny voalohany, ary naloto sady tsy nisy mpikarakara. Kananita mpanompo sampy tany Israely ny ray aman-dreniny. Raha ny marina dia ny Jebosita, foko kananita, no nipetraka tao Jerosalema taloha ary teo ambany fahefan-dry zareo ilay tanàna nandritra ny fotoana ela be. Rehefa azon’i Davida anefa i Jerosalema tatỳ aoriana, dia hoatran’ny hoe nalahelo an’ilay zaza naloto kely i Jehovah, dia nosasany izy io ary avy eo nokarakarainy tsara. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa hoatran’ny hoe vadiny izy io. Ny Israelita mantsy no lasa nipetraka tao Jerosalema, dia nanao fifanekena an-tsitrapo tamin’i Jehovah ry zareo tamin’ny andron’i Mosesy. (Eks. 24:7, 8) Rehefa lasa renivohitr’i Israely i Jerosalema, dia notahin’i Jehovah sady nataony nanan-karena sy tsara tarehy, hoatran’ny ataon’ny lehilahy manankarena sy tia be ny vadiny ka mampihaingo azy amin’ny akanjo sy firavaka tsara be dia be.​—Ezek. 16:1-14.

Nanambady vehivavy hafa firenena i Solomona ka lasa nanompo sampy, dia voaloto i Jerosalema (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no nahatonga ny mponin’i Jerosalema hivadika tsikelikely?

12 Inona no nitranga taorian’izay? Hoy i Jehovah: “Natoky ny hatsaran-tarehinao ... ianao, ka lasa nivaro-tena satria nalaza. Nanaram-po nivaro-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao, ka nafoinao ho an’ireny ny hatsaran-tarehinao.” (Ezek. 16:15) Notahin’i Jehovah sy nataony nanan-karena ny vahoakany tamin’ny andron’i Solomona, dia lasa tsara tarehy be i Jerosalema ary azo antoka hoe niavaka tamin’ny tanàna hafa rehetra tamin’izany. (1 Mpanj. 10:23, 27) Nanomboka nivadika tsikelikely anefa ny mponin’i Jerosalema. Nanambady vehivavy hafa firenena be dia be mantsy i Solomona, dia lasa nanompo sampy izy mba hampifaliana ny vadiny, ka lasa voaloto i Jerosalema. (1 Mpanj. 11:1-8) Mbola ratsy kokoa ny nataon’ireo mpanjaka nandimby azy, satria feno fanompoan-tsampy ilay tanàna noho ny nataon-dry zareo dia lasa voaloto tanteraka. Hoatran’ny hoe nivaro-tena i Jerosalema ka nahatsiaro ho voafitaka i Jehovah. Izao no nolazainy: ‘Zavatra tsy tokony hitranga mihitsy izany sady tsy tokony hisy akory.’ (Ezek. 16:16) Mafy loha be anefa ny vahoakany dia vao mainka nanao zavatra ratsy kokoa!

Nalain’ny Israelita sasany ny zanany dia nataony sorona ho an’ny andriamani-diso, ohatra hoe i Moleka

13. Inona ny zavatra ratsy be nataon’ny olona tao Jerosalema?

13 Nilaza i Jehovah hoe: “Nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko, ka nataonao sorona ho an’ireny sampy ireny. Tsy efa be ve izay fivarotan-tena nataonao izay? Novonoinao ny zanako, dia nataonao sorona sy nodoranao tao anaty afo.” (Ezek. 16:20, 21) Azo antoka fa nankarary ny fon’i Jehovah sady nahatsiravina azy ny nataon’ireo vahoakany ireo! Hita avy amin’ireo zavatra mampihoron-koditra nataon’ny Israelita ireo fa tena ratsy fanahy i Satana. Faly erỳ izy mampirisika ny vahoakan’i Jehovah hanao zavatra ratsy be hoatr’izany. Mahita ny zava-drehetra anefa i Jehovah. Tsy maintsy hofoanany ny habibiana hoatran’ny nataon’ny Israelita, ary hatsangany amin’ny maty ireny ankizy natao sorona ireny. Hosaziny koa i Satana sy ny mpanao ratsy rehetra.​—Vakio ny Joba 34:24.

14. Iza avy ireo rahavavin’i Jerosalema tao amin’ilay fanoharana, ary iza no nanao ratsy indrindra tamin’izy telo?

14 Tsy tonga saina akory anefa i Jerosalema hoe tena naharikoriko ny zavatra vitany, dia mbola nivaro-tena ihany izy. Nahamenatra kokoa noho ny ataon’ny mpivaro-tena hafa ny nataon’i Jerosalema, satria izy mihitsy no nanakarama olona hiaraka aminy! (Ezek. 16:34) Nilaza i Jehovah hoe tsy nisy hafa tamin’ny ‘reniny’ i Jerosalema, izany hoe nanahaka ny nataon’ireo foko mpanompo sampy nifehy an’i Israely taloha. (Ezek. 16:44, 45) Niteny koa izy hoe efa nivaro-tena talohan’i Jerosalema i Samaria zokiny vavy, dia i Sodoma zandriny vavy indray nanambony tena sady nanao zavatra maharikoriko dia noringanin’i Jehovah. Nilaza mazava anefa izy avy eo fa ratsy lavitra noho ny nataon’ireo rahavaviny ireo ny nataon’i Jerosalema. (Ezek. 16:46-50) Efa imbetsaka ny vahoakany no nahazo fampitandremana nefa tsy niraharaha fa nikomy taminy foana.

15. Inona no nahatonga an’i Jehovah hampihatra didim-pitsarana tamin’i Jerosalema, ary inona no azon’ny vahoakany nantenaina?

15 Ahoana àry no nataon’i Jehovah? Nilaza tamin’i Jerosalema izy hoe ‘hangoniny daholo ny lehilahy niarahany izay nomeny fahafinaretana’ ary ‘hatolony eo am-pelatanan’izy ireo izy.’ Midika izany fa horavan’ireo firenena nanao fifanekena taminy i Jerosalema, dia horobain-dry zareo ka ho lasany daholo ny zava-tsarobidy sy ny firavaka tsara tarehy eny aminy. Nilaza koa i Jehovah hoe ‘hitora-bato azy sy hamono azy amin’ny sabatra’ ireo firenena ireo. Tsy ny handringana an-dry zareo no tanjon’i Jehovah rehefa nampihatra an’izany didim-pitsarana izany. Nanazava kosa izy hoe: ‘Tsy havelako hivaro-tena intsony ianao.’ Nilaza izy avy eo hoe: “Ho afaka ny hatezerako ka tsy ho tezitra aminao intsony aho. Ho tony koa aho ka tsy ho sosotra intsony.” Araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-9, dia efa ela i Jehovah no nieritreritra hoe tsy maintsy hampodiny any an-tanindrazany ny vahoakany natao sesitany. Nahoana? Satria efa nilaza izy hoe: ‘Hahatsiaro an’ilay fifanekena nataoko taminao tamin’ny andron’ny fahatanoranao aho.’ (Ezek. 16:37-42, 60) Hita avy amin’izany hoe tsy mba hoatran’ny vahoakany i Jehovah satria tsy mivadika mihitsy izy!​—Vakio ny Apokalypsy 15:4.

16, 17. a) Fa maninona isika no tsy miteny intsony hoe manondro ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina i Ohola sy Oholiba? (Jereo ilay efajoro hoe “Ohola sy Oholiba.”) b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Ezekiela toko faha-16 sy faha-23?

16 Namoaka ny tao am-pony i Jehovah ao amin’ny Ezekiela toko faha-16 dia nilaza zavatra be dia be. Mampianatra antsika momba ny fitsipiny ny zavatra nolazainy ao amin’io toko io sy ao amin’ny toko faha-23, sady mampiseho hoe manao ny rariny sy tena mamindra fo izy. Asehon’ireo toko ireo fa nomelohin’i Jehovah i Joda sy Jerosalema satria hoatran’ny hoe nivaro-tena. Tsy tiantsika tena Kristianina mihitsy koa raha isika no hanao zavatra mankarary ny fon’i Jehovah hoatran’ny nataon’ny vahoakany taloha! Tsy tokony hanompo sampy mihitsy àry isika. Tsy tokony hanana faniriana tsy mety afa-po koa isika na ho tia vola sy harena, satria karazana fanompoan-tsampy izany. (Mat. 6:24; Kol. 3:5) Mampiseho isika amin’izay hoe mankasitraka ny nataon’i Jehovah. Namindra fo tamin’ny vahoakany mantsy izy dia naveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana madio amin’izao andro farany izao. Tsy havelany ho voaloto intsony mihitsy izy io! Tsy vitan’izany fa nanao “fifanekena maharitra mandrakizay” tamin’ny Israely ara-panahy i Jehovah, ary tsy ho rava mihitsy ilay fifanekena satria tsy mba hivadika na hivaro-tena io firenena io. (Ezek. 16:60) Aza hadinoina mihitsy àry fa tombontsoa be ny hoe anisan’ilay vahoaka manaraka ny fivavahana madio!

17 Inona no ianarantsika momba an’ilay “mpivaro-tena lehibe”, izany hoe i Babylona Lehibe, rehefa jerena ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’ireo mpivaro-tena noresahin’i Ezekiela? Izay indray izao no hojerentsika.

‘Tsy ho hita intsony i Babylona’

18, 19. Inona no itovizan’ireo mpivaro-tena resahin’ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy?

18 Tsy miova i Jehovah. (Jak. 1:17) Noho izany, dia tsy niova mihitsy koa ny fiheverany ny fivavahan-diso hatramin’izao. Tsy mahagaga àry raha be dia be ny itovizan’ny didim-pitsarany momba an’ireo mpivaro-tena resahin’ny bokin’i Ezekiela sy izay hanjo an’ilay “mpivaro-tena lehibe” ao amin’ny Apokalypsy.

19 Mariho, ohatra, fa rehefa nijangajanga tamin’ireo firenena ireo mpivaro-tena resahin’ny bokin’i Ezekiela, dia ireny firenena ireny ihany no nanasazy azy fa tsy i Jehovah mivantana. Melohin’i Jehovah koa ny fivavahan-diso rehetra amin’izao satria mijangajanga amin’ny “mpanjakan’ny tany”, izany hoe ny fitondram-panjakana. Tsy i Jehovah mivantana anefa no hanasazy an-dry zareo. Milaza ny Baiboly hoe “hankahala an’ilay mpivaro-tena” ireny fitondrana ireny, “ka handroba an’izay ananany rehetra sy hampiboridana azy.” Tsy vitan’izany fa “hohanin’izy ireo ny nofony, ary hodorany tanteraka amin’ny afo izy.” Tsy hisy hanampo izany rehetra izany! Fa inona no hahatonga an’ireo fitondrana ireo hanao an’izany? ‘Hataon’Andriamanitra ao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.’​—Apok. 17:1-3, 15-17.

20. Inona no porofo hoe tsy hiova intsony ny didim-pitsarana momba an’i Babylona?

20 Hampiasa an’ireo firenena àry i Jehovah mba hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny fivavahan-diso rehetra, anisan’izany ireo fivavahana be dia be milaza ho Kristianina. Tsy hiova intsony io didim-pitsarana io. Tsy hamindrana fo intsony i Babylona Lehibe satria efa nanana fotoana lava be mba hiovana. Milaza ny bokin’ny Apokalypsy fa “tsy ho hita intsony” izy. (Apok. 18:21) Ho faly erỳ ny anjelin’Andriamanitra amin’izay, ka hilaza hoe: “Derao i Jah! Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin’i Babylona.” (Apok. 19:3) Tsy hiova mandrakizay io didim-pitsarana henjana io. Tsy havelan’i Jehovah hisy intsony ny fivavahan-diso ka hoe handoto ny fivavahana madio indray. Rehefa rava tanteraka i Babylona, dia hoatran’ny hoe hisy setroka hiakatra avy ao aminy ary hidonaka mandrakizay izy io.

Ireo firenena niarahany sy nofeheziny hatramin’ny ela be ihany no hanafika sy handrava an’i Babylona Lehibe (Fehintsoratra 19, 20)

21. Rahoviana no hanomboka ny fahoriana lehibe, ary inona no hamarana azy io?

21 Rehefa hanafika an’i Babylona Lehibe ny fitondram-panjakana eto amin’izao tontolo izao, dia ny didim-pitsaran’Andriamanitra no hampiharin-dry zareo. Hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah io zava-mitranga miavaka io. Ny fandravana ny fivavahan-diso no ho fiandohan’ny fahoriana lehibe, ary mbola tsy nisy fahoriana hoatran’io mihitsy hatramin’izay. (Mat. 24:21) Ny ady Aramagedona, izany hoe ilay ady ataon’i Jehovah amin’ity tontolo ratsy ity, no hamarana an’io fahoriana io. (Apok. 16:14, 16) Ho hitantsika ao amin’ireo toko manaraka fa betsaka ny zavatra resahin’ny bokin’i Ezekiela momba an’izay hitranga mandritra ny fahoriana lehibe. Andao anefa aloha hojerentsika ny lesona azontsika ampiharina avy ao amin’ny Ezekiela toko faha-16 sy faha-23.

Hanafika an’i Babylona Lehibe ny fitondram-panjakana eto amin’izao tontolo izao, ary hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra ry zareo amin’izany (Fehintsoratra 21)

22, 23. Inona avy ny lesona azontsika ampiharina rehefa avy nandinika ny mombamomba an’ireo mpivaro-tena resahin’ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy isika?

22 Tian’i Satana ny mitaona ny mpanompon’i Jehovah mba hanao ratsy. Tsy misy mahafaly azy noho ny hoe miala amin’ny fivavahana madio isika, dia manao hoatran’ireo mpivaro-tena ao amin’ny bokin’i Ezekiela. Tsy maintsy mitadidy àry isika hoe saro-piaro i Jehovah ary tsy milefitra mihitsy izy rehefa misy mpanompony mivadika aminy! (Nom. 25:11) Noho izany, dia manalavitra ny fivavahan-diso isika mba tsy ‘hikasika an’izay maloto.’ (Isaia 52:11) Mitandrina koa isika mba tsy hiditra amin’ny politika sy ny adihevitra mampisara-bazana eto amin’izao tontolo izao. (Jaona 15:19) Ankoatra an’izay, dia tsy manindrahindra tanindrazana isika, satria mitovy amin’ny hoe manaraka fivavahan-diso ihany izany amintsika ary anisan’ny tetik’i Satana.

23 Ambonin’izany, dia mila mitadidy isika fa tombontsoa be ny manompo an’i Jehovah ao amin’ilay tempoliny ara-panahy madio sady masina. Sarobidy amintsika io fandaharana mahafinaritra io, ka vao mainka isika tapa-kevitra hoe hanalavitra an’ilay mpivaro-tena lehibe sy ny fanaony!