Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho anareo tia an’i Jehovah,

Taona 1971 tamin’izay. Faly be ny mpanatrika an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Ny Anaran’Andriamanitra.” Nisy zava-baovao maromaro nivoaka mantsy tamin’io. Nilaza ny Diary 1972 hoe: “Tsy nisy nanampo tamin’izany hoe hahazo zava-baovao be dia be hoatr’izany.” Anisan’ny nivoaka tamin’izay ilay boky hoe “Ho Fantatry ny Firenena fa Izaho no Jehovah”​—Amin’ny Fomba Ahoana? Hoy ny rahalahy iray momba azy io: “Io no miavaka indrindra amin’ny boky milaza ny zavatra hitranga amin’ny hoavy.” Fa maninona no faly be ny rahalahy sy anabavy nahazo an’io boky io? Satria nisy fanazavana vaovao momba ny faminanian’i Ezekiela tao amin’izy io, ary ny hoavin’ny olombelona rehetra no voaresaka ao amin’ireo faminaniana ireo.

Nitombo be ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny nivoahan’ilay boky hoe “Ho Fantatry ny Firenena.” Dimy hetsy sy iray tapitrisa teo ho eo isika tamin’izany, nefa lasa valo tapitrisa mahery. (Isaia 60:22) Mampiasa fiteny 1000 mahery koa ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. (Zak. 8:23) Betsaka àry no mbola tsy afaka nianatra boky manazava amin’ny an-tsipiriany ny faminanian’i Ezekiela.

Ankoatra izay, taorian’ny 1971, dia nihanazava tsikelikely hoatran’ny hazavan’ny maraina ny fahamarinana, ka betsaka ny fampianaran’ny Baiboly nihanazava be tamintsika. (Ohab. 4:18) Tamin’ny 1985, ohatra, dia nanomboka nazava tsara tamintsika ny dikan’ilay hoe ambara ho marina ny “ondry hafa” ka lasa naman’Andriamanitra. (Jaona 10:16; Rom. 5:18; Jak. 2:23) Tamin’ny 1995 koa vao azontsika fa mandritra ny “fahoriana lehibe” no hivoaka ny didim-pitsarana farany hoe iza no “ondry” dia iza no “osy.” (Mat. 24:21; 25:31, 32) Manampy antsika hahazo kokoa ny bokin’i Ezekiela ireny fanazavana vaovao ireny.

“Ry zanak’olona, jereo tsara, dia mihainoa tsara, ka diniho tsara izay rehetra asehoko anao. Izany mantsy no antony nitondrako anao eto.”​—EZEKIELA 40:4

Mbola nihanazava ihany ny fahamarinana tato ho ato. Diniho, ohatra, ny lesona avy amin’ny fanoharan’i Jesosy. Betsaka amin’izy ireny no lasa mazava be amintsika. Miresaka zavatra hitranga tsy ho ela mandritra ny fahoriana lehibe ny sasany amin’ireny fanoharana ireny. Lasa nazava kokoa tamintsika hoatr’izay koa ny faminaniana sasany resahin’ny bokin’i Ezekiela. Anisan’izany ny faminaniana momba an’i Goga avy any Magoga (toko faha-38 sy faha-39), ny asan’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra (toko faha-9), ary ilay tany lemaka nisy taolana maina sy ireo tapa-kazo roa nakambana ho iray (toko faha-37). Noho ireo fanazavana vaovao ireo, dia tsy mihatra intsony ny fanazavana sasany resahin’ilay boky hoe “Ho Fantatry ny Firenena.”

Tsy mahagaga àry raha be dia be ny mpanompon’i Jehovah nanontany hoe rahoviana no hisy boky misy ny fanazavana farany momba ny faminanian’i Ezekiela. Izay mihitsy no namoahana an’ity boky ity. Ny lohateniny dia hoe Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio! Ho variana ianao rehefa mamaky an’ireo toko 22 ato sy misaintsaina ny sary tsara tarehy ato anatiny. Ho hitanao fa nisy fikarohana be natao tamin’ny nanomana azy ity. Nieritreritra lalina izahay sady nivavaka mafy, mba hahafantarana hoe nahoana i Jehovah no nampanoratra ny bokin’i Ezekiela. Nodinihinay tsara ny valin’ireto fanontaniana ireto: Inona no nianaran’ny olona tamin’ny andron’i Ezekiela avy tamin’ilay boky nosoratany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izy io? Inona amin’ny faminaniana ao amin’io boky io no miresaka zavatra mbola ho avy? Tandindon’ny zavatra ho avy ve ny zavatra sasany resahina ao? Tena tiantsika ny mamaky ny bokin’i Ezekiela, ary hanampy antsika hahazo tsara an’izay voalaza ao ny valin’ireo fanontaniana ireo. Mbola tsy nazava hoatran’ny amin’izao mihitsy ny bokin’i Ezekiela!

Rehefa mamaky ny bokin’i Ezekiela hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ianao, dia hahatalanjona anao ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ho gaga koa ianao mahita ny fitsipika ambony apetrak’i Jehovah ho an’izay te hanompo azy araka ny sitrapony, na ho an’ireo etỳ an-tany, na ny any an-danitra. Hanampy anao ity boky Fivavahana Madio ity, mba hankasitraka kokoa an’izay efa nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany sy izay mbola hataony ho azy ireo tsy ho ela. Misy hevi-dehibe roa miverimberina ato amin’ity boky ity: Voalohany, raha te hampifaly an’i Jehovah isika, dia tsy maintsy mahafantatra azy sady miaiky hoe izy no Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Faharoa, tsy maintsy manompo an’i Jehovah araka ny sitrapony isika, dia miaina mifanaraka amin’ny fitsipika ambony apetrany.

Enga anie ity boky ity hanampy anao ho tapa-kevitra kokoa hoe hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba ankasitrahany, ka hanome voninahitra ny anarany masina. Tsy maintsy hanaiky ny firenena rehetra amin’ny hoavy hoe Izy no Jehovah. Manantena izahay fa handrisika anao hiandry an’izany fotoana izany foana ity boky ity.​—Ezek. 36:23; 38:23.

Enga anie i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, ka hitahy ny ezaka ataonao mba hahazoana tsara an’izay voalazan’io boky nampanoratiny an’i Ezekiela mpaminany io.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah